Toko Toko 28

1 Raha miteno soa gny feon'i Yaveh Zagnahary hanao dra mitandry reo didiny aby ze handidiako anao androany, dra hametraky anao agnabonigny firenena hafa aby eto atany Yaveh zagnaharindrareo. 2 Reo fitahian'aby reo dra ho avy aminao dra hahatrasy anao, raha miteno gny feon'i Yaveh zagnaharinao hanao. 3 Ho tahy hanao ao atana, dra ho tahy hanao agny asaka. 4 Ho tahy ze naterakao, vo gny vokasy gny taninao, dra gny zanak'ireo bibinao, gny fitomboanigny biby tezanao, dra gny zanaky gny agnondry aman'osinao. 5 Ho tahy gny tatinao vo gny apendranao fanova-mofonao. 6 Ho tahy hanao raha milisy, dra ho tahy handrareo raha miboaky. 7 Hahaavy reo fahavalonao ze misanga manohisy anao ho resy eo anoloanao Yaveh; hiboaky hanohisy anao amigny lala raiky ereo nefa hienga eo anoloanao amigny lala fito. 8 Handidy gny fitahia ho avy aminao ao amireo sopisao vo amize kasihinigny tagnanao aby; hitahy anao agny amigny tany ze ameny anao Izy. 9 Hagnorin'anao manahaky gny vahoaky ze voatoka ho Anahy Yaveh, manahaky gny fa nianianany taminao, raha mitandry reo didin'i Yaveh zagnaharinao hanao, dra mandeha amigny lalany. 10 Reo vahoaky aby eto atany hahita fa hanao dra tonoka tamigny agnaran'i Yaveh, dra hatahosy anao ereo. 11 hanao anao ho pana-draha be amigny zanakao, amigny vokasy gny biby teza, dra amigny vokasy gny taninao, amigny tany ze nianianany tamireo razanao homen'anao Yaveh. 12 Hanokaky honao gny tragno fitehiriza ny agny andagnisy ba hagnome ora ho anigny taninao amigny fotoany, vo ba hitahy gny asanigny tagnanao aby i Yaveh; hapitrosa gny firenena maro hanao, fa sy hitrosa. 13 Hanao anao ho lohany, dra sy rambony i Yaveh; ho agnabo avo hanao, fa sy ho ambany mihisy, raha miteno reo didin'i Yaveh zagnaharinao ze handidiako andrareo androany, dra mitandry vo manao reo, 14 dra raha sy mivily amigny raiky amireo zaka ze handidiako anao androany reo hanao, amigny havana na amigny havia, dra magnaraky reo zagnahary hafa ba hanopo anereo. 15 Fa raha sy miteno gny feon'i Yaveh zagnaharinao hanao, dra mitandry reo didiny vo reo lalany aby ze handidiako anao androany, dra ho avy aminao reo ozon'aby reo dra hahatrasy anao. 16 Hozogny hanao ao atana, dra hozogny hanao agny asaka. 17 Hozogny gny ao amigny tatinao vo gny apondra fanova mofonao. 18 Hozogny ze nateranao, gny vokasy gny taninao, gny fitomboanigny biby tezanao, dra gny zanak'agnondrinao aman'osinao. 19 Hozogny hanao raha milisy, dra hozogny hanao raha miboaky. 20 Yaveh handefa aminao reo ozo, fisafotofotoa, dra reo fizaka fatrasy amize kasihinigny tagnanao aby, mandra-paharinganao, dra mandra-pahafatinao malaky noho reo asa rasinao ze hahafoizanao Anahy. 21 Hapifikira gny areti-mandringan'aminao mandra-pandinganany anao amigny tagny ze ho azonao i Yaveh. 22 Hamely anao amireo areti-mifindra, amigny tazo, amigny fahararia, dra amigny hafana mai-tany vo mandroro, dra amigny rivosy mahama vo maty avo i Yaveh. Hagneziky anao mandra-pahafatinao reo. 23 Gny lagnisao ze agnabonigny lohanao dra ho varahy, dra gny tany ze ambaninao dra ho vy. 24 hanao gny oranigny taninao ho fasy vo botany i Yaveh; boak'agny andagnisy gny hizisoanizay aminao, mandra-paharinganao. 25 Hahavy anao h resy eo anoloan'ireo fahavalonao i Yaveh; hiboaky amigny lala raiky hanohisy anereo hanao nefa hienga eo anoloan'ereo amigny lala fito. Hisamboravora esy sy ero ao amireo fazakanigny tany aby hanao. 26 Gny fatinao dra ho hanim-boro boak'agny andragnisy gny fa sy ho an'ireo bibinigny tany; sy hisy na iza na iza hapatahosy reo. 27 Yaveh hamely anao amireo vain'i Egypta vo amireo fary, fahaboka, dra hilihily, dra sy ho sitrany amizay hanao. 28 Yaveh hamely anao amigny fahavereza say, amigny fahapoaha, dra amigny fikorotagna say. 29 Hisapasa amigny atoandro manahaky gny poaky misapasapa agnaty mezy hanao, dra sy hambinin'amireo lalanao hanao; hapahory vo ho robahin'avo hanao, dra sy hisy na iza na iza hamozy anao. 30 Ho lasa pifamofo amigny apela handrareo, nefa gny lelahy hafa hanambosy anereo hagnolan'anazy. Hamboasy tragno hanao nefa sy hitoby ao amizay; hanao tanim-boaloboky hanao nefa sy hisitraky gny vokan'izay. 31 Ho vonon'eo anoloanigny masonao gny agnombinao, nefa sy hihina gny henan'izay hanao; halan'akeriny eo anoloanigny masonao gny borikinao dra sy haherin'aminao. Hagnome reo fahavalonao gny agnondrinao, dra sy hana na iza na iza hagnapy anao hanao. 32 Reo zanadahinao vo reo zanakaelanao dra hame reo olo-kafa; hitalian'anereo totolo andro reo masonao, nefa sy hahavita mandigny anereo. Sy hisy hery eo tagnanao. 33 Gny vokasy gny taninao vo gny asanao aby__firenena ze sy fatasao gny hihinan'anizay; hapahoria vo ho potehy mandrakariva hanao, 34 ba hahaavy anao ho very say noho ze raha mitranga hitanao. 35 Yaveh hamely anao amigny vay mahery eo amigny pokopoko vo gny tomboky dra sy ho sitrany amizay hanao, hatragny amigny faladianao dra hatragny amigny tapon-dohanao. 36 Yaveh hinday anao vo gny pazaka ze hapetrakao ho anigny vatanao ho agny amigny firenena ze sy fatanao, na ino na ino reo razanao; hanopo reo zagnahary hafa hazo vo vato ao hanao. 37 Ho lasa loharanonigny horohoro, ohabola, dra oha-pitenena, eo amireo vahoaky aby ze handroahan'i Yaveh anao hanao. 38 Hamboly tegnany maro eo asaka hanao, kanefa tegnany keliky gny havorinao ao, akory reo valala dra handay anizay. 39 Hanao tanim-boaloboky hanao dra hamboly amireo, nefa sy ba hino amigny ndivay, na hamory reo voaloboky aza, akory reo hesa gny hihina reo. 40 Hana hazon'oliva ao agnatinigny faritaninao aby hanao, nefa sy hagnososy gny menaky amigny vatanao, akory reo hazon'olivanao hagnisa reo tegnany. 41 Hanagnanaky lelahy vo apela hanao, nefa sy hizano honao ereo, fa ho lasa agny amigny fahababoa. 42 Reo hazonao aby dra gny vokasy gny taninao__reo valala gny handany anizay. 43 Gny vahiny ze eo aminao dra hisandrasy abo dra abo amboninao; hanao vatanao dra hizoso ambany dra ambany. 44 Hanambosy anai izy, nefa hanao sy hapisambosy anazy; ho lohany izy, fa hanao koa ho rambony. 45 Reo ozon'aby reo dra ho avy aminao vo hagneziky dra hahatrasy anao mandra-paharingan'anao. Hitranga zay akory sy hiteno gny feon'i Yaveh Zagnaharinao hanao, dra sy nitandry reo didiny vo reo fisipiny ze nandidiany anao. 46 Reo ozo reo ho aminao ho famatara vo fahagaga, dra ho amigny taranakao mandrakizay. 47 Akory hanao sy nanopo an'i Yaveh zagnaharinao tami-kafalia vo fifalianigny fo aby tao agnatinigny fagnambina hanao, 48 noho izay dra hanopo an'ireo fahavalo ze halefan'Agnahary hanohisy anao hanao; hanopo anereo amigny haresia, amigny hetaheta, ami-pitazaha, dra ami-pahatra hanao. Hanoby zioga vy eo am-bozonao mandra-pandringanany anao izy. 49 Yaveh dra hinday firenena hanohisy anao boaky lavisy, boak'agny amigny faranigny tany, manahaky gny voromahery mitily ho amigny hitany, firenena ze sy azonao gny zakany; 50 firenena masiaky endriky ze sy magnaza gny zokiolo dra sy maneho akory an'ireo tanora. 51 Hihina gny zanam-biby teza vo gny vokasy gny taninao mandra-paharingan'anao ereo. Sy hagnenga tegnany honereo, divay vaovao, na dililo na gny anigny agnondry aman'osinao ereo, mandra-pahafatiny anao. 52 Hanao fahirano anao ao amireo vavahadinigny tananao aby ereo, mandra-pezeran'ireo rindrinao abo vo fatrasy aby ao atananao, reo rindry ze nitosanao. Hanao fahirano anao ao amigny vavahadinigny tagnanao aby manera gny tany aby ze namen'i Yaveh zagnaharindrareo anao ereo. 53 Hihina gny vokasy gny vatanao avo, gny nofon'ireo zanadahinao vo gny an'ireo zanakapelanao, ze namen'i Yaveh zagnaharinao anao hanao, eo amigny fahirano vo eo amigny fahoria ze hataon'ireo fahavalonao eo aminao. 54 Gny lelahy ze marefo vo tena malefaky eo amindrareo__dra hialo gny rahalahiny vo gny valy malalany, dra reo zanak'aby nangany izy. 55 Dra sy hagnome na amigny rany amin'ereo gny nofonigny zanany ze ho haniny izy, akory sy hana na ino na ino tavela ho anigny vatany amigny fahirano vo amigny fahoria ze hataon'ireo fahavalonao aminao ao amireo vavahadinigny tananao aby izy. 56 Gny apela marefo vo malefaky eo aminao, ze sy vany mametraky gny lelato-tombonao amigny tany nohonigny faharefoa vo fahalefaha__dra hialo gny valy mamany avo izy,gny zanadahiny, vo gny zanakapelany, 57 dra gny zanany vo teraky ze miboaky boak'ao agnelagnelanigny tombony, vo reo zanaky ze haterany. Hihina anereo mangina izy nohonigny sy fisian-draha hafa, mandrisy gny fahirano vo gny fahoria ze hataon'ireo fahavalonao aminao ao amoreo vavahadinigny tanandrareo. 58 Raha sy mitandry gny zaka aby amizao lalana ze voasorasy ao amity boky tihoky zao handrareo, dra sy magnaza ty agnara be voninahisy vo mapatahosy ty, Yaveh zagnaharinao, 59 dra hataon'i Yaveh mahasiravy gny areti-mandringa, vo gny an'ireo taranakao; ho areti-mandoza reo, ze maharisy ela, dra arety mahery, maharisy ela. 60 Handesy aminao ndraiky reo aretin'i Egypta aby ze natahoranao; hifikisy aminao reo. 61 Gny arety vo gny areti-mandringan'aby ze sy voasorasy ao amigny bokinity lalana ty avo koa, reo avo koa dra handesin'i Yaveh aminao mandra-paharingan'anao. 62 Angao ho kely an'isa handrareo, na dre manahaky reo kitanigny lagnisy aza gny isandrareo, akory sy niteno gny feon'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo. 63 Manahaky gny nifalian'i Yaveh tamindrareo tagny aloha tamigny fanova gny soa hondrareo, vo tamigny fapitomboa andrareo, gny hifaliany amindrareo amigny famonoa andrareo vo amigny fandringanan'andrareo. Hangota amigny tany ze andehananao ba hatao fanagna handrareo. 64 Yaveh dra hapiely anao eo amireo vahoaky aby egny amigny faranigny tany raiky dra hatragny amigny farany hafanigny tany; agny hanao dra hanopo reo zagnahary hafa ze sy fatanao, na hanao na reo razanao, reo zagnahary hazo vo vato. 65 Agny amireo firenena reo dra sy hahita filamina hanao, dra sy hisy fisahara ho an'ireo lelato-tombonao; fa koa, hamen'i Yaveh fa tora-kovisy, maso mitanondriky, dra gny fagnahy ze malahelo hanao agny. 66 Hihaton'amigny ahiahy eo agnatrehanao gny fiegnanao; hatahosy isa-kariva vo isa'andro hanao dra sy hahazo atoky gny fiegnanao akory. 67 Amigny marina dra hizaka hanao ho: 'Iriko ba ho hariva zao!' dra amigny hariva dra hizaka hanao ho: 'Iriko ba ho maray zao!' nohonigny tahosy ao apona vo reo raha ze ho hitan'ireo masonao. 68 Yaveh hinday anao ndraiky agny Egypta amigny sambo, amigny lala ze nizakako taminao ho: 'Sy hahita an'i Egypta sasy ho: 'Sy hahita an'i Egypta sasy hanao: 'Sy hahita gny an'i Egypta sasy hanao.' Hanolosy gny vatandrareo ho varosy agny amireo fahavalondrareo manahaky gny panopo lahy vo apela handrareo, nefa sy hisy na iza na iza hivily andrareo."