Toko faha 20

1 1Raha hiboaky hialy amigny fahavalondrareo handrareo,ka mahita ireo sovala,ireo kalesy ary olo maroan'isa noho nihandrareo; dra Ka matahotsy anazy ireohandrareo;fa miarakamindrareo Yaveh zagnaharindrareo,Izy izay ninday andrareo niakatsy niala gny tany Egypta. 2 Ko gny fa mariny gny aly handrareo, dra sy maisy hagnato gny pisoro dra hizaka amigny vahoaky. 3 Dra hizaka amin'ereo izy ho: "Mitenoa, ry Israely, hialy amigny fahavalondrareo handrareo. Aoky sy ho reraky gny fondrareo. Ka matahosy. Ka matahisy anereo. 4 Fa i Yaveh zagnaharindrareo gny hindray handeha amindrareo ba hialy amigny fahavalondrareo dra ba hamozy andrareo. 5 Dra sy maisy hizaka amigny vahoaky reo manam-boninahisy dra hanao anizahoky ho: "Misy lelahy ra ao ze nanao tragno vaovao dra bo sy nitokan'anizay? Aoky izy handeha dra hiherin'agny atragnony, ba sy ho maty agnaly izy dra ho lelahy hafa ndraiky gny hitokan'anizay. 6 Misy lelahy ra namboly tanim-boaloboky bo sy nisitraky gny vokas'izay? Aoky izy holy, ba sy ho maty agnaly izy dra olo-kafa ndraiky gny hisitraky gny vokas'izay. 7 Misy lelahy ra eo nifamofo tamin'apela nefa sy bo nanam-baly anazy? Aoky izy holy ba sy ho maty agnaly ho lelahy hafa ndraiky gny hanambaly anazy." 8 Dra bo hizaka amigny vahoaky hatragny reo manamboninahisy hanao anizahoky ho: "Misy lelahy ra ao ze matahosy na reraky apo? Aoky izy handeha dra hihery agny atragnony, ba sy ho ketraky manahaky gny fony koa gny fonigny rahalahiny." 9 Ko gny fa avy mizaka amigny vahoaky reo manam-boninahisy, dra sy maisy manendry pifehy hitariky anereo ereo. 10 Gny fa mandeha ba hanafiky tana handrareo, dra manova tolo-pihavana amireo vahoaky reo. 11 Raha magneky gny tolondrareo vo manokaky gny vavahadiny ho andrareo ereo, dra ho avy andevondrareo vo hanopo andrareo gny olon'aby ze hita ao. 12 Fa raha sy manao tolo-pihavana amindrareo zay, fa hamaky aly amindrareo koa, dra sy maisy ataondrareo fahirano zay, 13 dra gny fa magnome fandresena andrareo Yaveh zagnaharindrareo dra mametraky anereo eo ambany fifehezandrareo, dra sy maisy vonondrareo gny lelahy aby ao amigny tana. 14 Fa gny apela koa, reo zaza madiniky, gny biby teza, vo ze ao amigny tanan'aby, dra gny hareny aby, dra halandrareo ho babo ho andrareo zay. Dra hihina gny babon'ireo fahavalondrareo handrareo, ze namen'i Yaveh zagnaharindrareo andrareo. 15 Izay gny fomba sy maisy ataondrareo amireo tanan'aby ze tena lavisy andrareo, dra reo tana sy avy amity tana magnaraky tahoky. 16 Ao amigny tanan'ireo olo ze amen'i Yaveh Zagnaharindrareo andrareo ho lova reo, dra sy azondrareo sisa velo ze mety ho mana-pofo'ay. 17 Fa koa, sy maisy ravandrareo tateraky ereo: gny Hetita, vo gny Amorita, gny Kananita, gny Perizita, gny Hivita, dra gny Jebosita, araky ze nandidian'i Yaveh zagnaharindrareo andrareo. 18 Atovy zay ba sy hapenaran'ereo andrareo hanao reo fomba fahavetavetany, araky ze nataon'ereo tamireo zagnahariny. Raha manao anizay handrareo, dra hatao amin'i Yaveh zagnaharindrareo. 19 Gny fa ela gny hanovandrareo fahirano tana raiky, raha mialy aminazy handrareo ba hahazoan'anazy, dra sy azondrareo tapahy afaky mihina avy amireo handrareo, zay gny sy hahazoandrareo mazera anereo. Fa olo ra gny hazo ao agnahisy gny tokony ataondrareo fahirano? 20 Reo hazo ze fatandrareo fa sy hazo fihinan'avo, gny azondrareo sola vo azera; hananga fahirano manohisy anigny tana ze mialy amindrareo handrareo, mandra-paharavan'izay.