Toko faha 19

1 Gny fa manapaky ireo firenena Yaveh Zagnaharidrareo, ireo tagny izay omen'i Yaveh Zagnaharidrareo ho adrareo, dra gny fa mangalaky gny ranin'izy ireo dra monina tao amigny tanan'izy ireo vo gny tragnon'izy ireo hadrareo, 2 Dra misafidy tana telo ho an'ny tegnadrareo eo agnevon'ny tanidrareo izay namen'i Yaveh Zagnaharidrareo adrareo ho fanagna. 3 Magnamboara lala dra zarao ho telo gny faritanidrareo, gny tany izay nangan'i Yaveh Zagnaharidrareo ho lovadrareo, ba handososy agny izay aby mamono olo-kafa. 4 Izao gny lalana ho an'ny olo izay mamono olo-kafa dra mandososy hitoboky agny: na iza na iza mamono signanahy gny piara-belo aminazy, dra sy malaiky anazy teo aloha__ 5 Manahaky gny aby magnagny agnala midray amigny piara-belo aminazy ba hanapaky hazo, dra manapaky gny hazpo amigny famaky izy, dra miala egny amigny tahony gny lahany famaky dra mahavoazera ilay piara-belo aminazy dra maty izy___dra sy maisy mandososy agny amigny ray amin'ireo tana ireo dra mitoboky agny izay lelahy izay. 6 Gny sy izay dra mety ho arahin'ny pamaly ra ilay ray izay hangalaky gny ainy, dra gny fereheta-katezerany gny hadresy, gny lahibe loasy gny halavira, zerao izy dra vonoy izy, na dre sy medriky gny ho maty aza izay lelahy izay, satria sy malaiky gny piara-belo aminazy izy tagny aloha. 7 Noho izay mandidy anao zaho hifily tana telo anao. 8 Raha magnitasy gny faritaninao i Yaveh Zagnaharinao, araky gny fa nianianany tamireo razambendrareo fa hataony, dra gny tany aby ze napanatenany fa hameny gny razambendrareo; 9 raha tandrovinao reo didy aby reo, ze handidiako andrareo amizao__reo didy ba hitia an'i Yaveh zagnaharindrareo vo handeha amigny lalany mandrakariva, dra tokony hagnapy tana telo lahibe ho anigny vatandrareo handrareo, akoasy reo telo. 10 Atovy zay ba sy hisy lion'olo sy manasigny hiraraky eo amigny tany ze amen'i Yaveh zagnaharindrareo ho andrareo ho lova, ba sy ho ory amigny lio handrareo. 11 Saiky raha misy olo malaiky gny piara-belon'aminazy, magnoma tetiky hamonoan'anazy, misangana hanohisy anazy, dra mandrasy anazy ba ho maty, dra raha mienga agny amigny raiky amireotana reo izy__ 12 dra sy maisy magniraky vo mangalaky anazy hihery boak'agny reo loholo ao amigny tanany, dra manolosy anazy eo atagnanigny pamaly faty, ba ho maty izy. 13 Aoky gny masondrareo sy apiseho famindrapo aminazy; fa koa, foagno sy ho eo amin'Israely gny famonoan'olo sy mana-signy, ba hahasoa andrareo. 14 Ka ala amigny piara-belon'amindrareo gny famatara-tany ze napetrak'ereo fitoa maro tagny aloha, amigny lova ze ho lovandrareo, agny amigny tany ze amen'i Yaveh zagnaharindrareo ho fagnanarandrareo. 15 Tsy misy vavolombelona tokana tokony hitsangana hagnezika olona iray amigny haoria rehetra.na amigny ota rehetra, amigny raha nanotany rehetra;fa amigny vavan ny vavolombelona roa na amigny vavan' ny vavolomelona telo,no hagnamarinana gny raha rehetra.16Raha atao hoe misy vavolombelona tsy marina iray mitsangana manohitra olona mbahizoro vavolombelona hiapanga azy amigny fanaovan drasy. 17 Dra reo lelahy ro, ze misy sy fiombogna-kevisy, dra sy maisy mizoro eo agnatrehan'i Yaveh, eo agnatrehan'ireo pisoro vo pisara ze panopo tamizay andro zay. 18 Reo pisara dra tokony hanao fagnadihadia laliky; atio, raha sandoky gny vavolombelo dra raha mizoro vavolombelo sy mary amigny rahalahiny, 19 dra atovy aminazy ze niriny hatao amigny rahalahiny; dra hangalaky gny rasy eo amindrareo handrareo. 20 Dra reo ze tavela dra hahare vo hatahosy, dra sy hanao raha rasy manahaky anizay eo amindrareo sasy manomboky eo. 21 Sy tokony hapiseho famindra-po gny masondrareo; gny ay gny ho solonigny ay, maso solonigny maso, nify solonigny nify, tagna solonigny tagna, tomboky solonigny tomboky.