Toko faha 18

1 Reo pisoro, ze Levitika, dra gny fokon'i Levy aby, dra sy hahazo azara na lova mindray amin'Israely; sy maisy mihina reo fagnatis'i Yaveh natao tamigny afo manahaky gny lovany ereo. 2 Sy tokony mahazo lova eo amireo rahalahiny ereo; Yaveh gny lovan'ereo, araky gny fa nizakany tamin'ereo. 3 Zao gny azaranigny pisoro boak'agny amigny vahoaky, vo boak'agny amireo nanao soro na reo agnomby na reo agnondry: tokony hamen'ereo ho anigny pisoro gny sorony, gny takolany ro, vo reo atiny. 4 Reo voloham-bokasy gny varinao, gny divainao vaovao, vo gny dililonao, dra gny volon'agnondrinao volohany, dra tokony hamenao anazy zay. 5 Fa Yaveh Zagnaharindrareo gny nifily anazy teo amigny fokondrareo aby ba hizoro vo hanopo amigny agnaran'i yaveh, izy vo gny zanadahiny mandrakizay. 6 Raha misy Levita raiky avy boak'amigny tanandrareo niala gny Israely aby ze nipetrahany, dra magniry amigny fagnahiny aby ho avy amigny toera ze ho filin'i yaveh, 7 dra sy maisy manopo amigny agnaran'i Yaveh Zagnahariny izy manahaky gny ataon'ireo Levita rahalahiny aby, ze mizoro ao manoloa an'i Yaveh. 8 Tokony hana gny azara fihinana mitovy ereo, akoasy ze azo amigny fivarota gny lovanigny fianakaviany. 9 Gny fa tafilisy ao amigny tany ze hamen'i yaveh zagnaharindrareo handrareo, dra ka mianasy mandiniky gny fahavetavetan'ireo ferenena reo. 10 Sy tokony hahita olo mametraky gny zanany lahy na zanany apela agnaty afo eo amindrareo, na iza na iza mapiasa sikily, na misikily, mapiasa oly, na manao oly, 11 panao vitana, mizaka amigny maty, na ze mizaka amireo fagnahy. 12 Fa na iza na iza manao reo raha reo raha reo dra fahavetaveta amin'i Yaveh zay; akory noho reo fahavetaveta reo gny handroahan'i Yaveh zagnaharindrareo anereo sy ho eo anoloandrareo. 13 Aoky sy hana-signy eo anoloan'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo. 14 Fa reo firenena ze halandrare reo dra miteno reo panao oly vo sikily; fa handrareo koa, Yaveh zagnaharindrareo dra sy namela andrareo nanao anizay. 15 Hananga paminany boak'amindrareo ho andrareo i Yaveh zagnaharindrareo, raiky amireo rahalahindrareo, manahaky anahy. Tokony tenondrareo izy. 16 Zay gny nangatahindrareo tamin'i Yaveh Zagnaharindrareo tany Horeba tamigny andronigny fengona, manao anizahoky ho: 'Handeha isika sy hahare gny feon'i Yaveh Zagnaharisika sasy, na hahita anity afo lahibe tihoky sasy, fandra ho maty isika.' 17 Dra hoy i Yaveh taminahy ho: 'Soa reo ze nizakan'ereo. 18 Hananga paminany raiky ho an'ereo Zaho ho eo amireo rahalahin'ereo, ze manahaky andrareo. Hataoko ao ambavany reo zakako, dra ho zakany anereo ze nandidiako anazy aby. 19 Hiseho zay raha misy olo sy miteno reo zakako ze nizakany amigny agnarako, ho takeko aminazy zay. 20 Fa gny paminany ze mizaka zaka apirehareha amigny agnarako, gny zaka ze sy nandidiako anazy ho zaka, na ze mizaka amigny agnaran'ireo zagnahary hafa, dra sy maisy ho maty zay paminany zay. 21 Zao gny tokony ho zakandrareo aoapondrareo: "Nagnino gny hagnekenay hafasy ze sy nizakan'i Yaveh?' 22 Hagneky gny hafasy ze nizakan'i Yaveh handrareo gny fa mizaka amigny agnaran'i Yaveh gny paminany. Raha sy mitranga na sy tateraky zay raha zay, noho zay dra raha sy nizakan'i Yaveh zay dra nizaka anizay tami-pirehareha gny paminany, dra sy tokony hatahosy anazy handrareo.