Toko 1

1 Manahaky anizao reo zaka ze nizakan'i Mosesy tamin'Israely aby tagny an-dafin'i Jordana tagny agnefisy, tegny amigny lemaky gny lohasakan-driakigny anin'i Jordana tandrifin'i Sofa, teo agnelagnelan'i Parana, Tofela, Labana, Hazerota, dra gny Dazahaba. 2 Lala raiky ambiny foly andro boak'agny Horeba mandalo gny tendrombohisy Seira hatragny Kedesa-barnea zay. 3 Tamigny tao faha-efa-polo, faha-raiky ambiny folonigny volana, andro volohanigny volana, dra nizakatamin'ereo vahoakin'Israeky i Mosesy, nizaka tamign'izay ereo izay aby andidian' i Yaveh gny mahakasiky anazy ereo. 4 Izaho dra tabalikin'inizaho nagnavon'i Yaveh agny sihona mpazakan'ereo amota, izay nipetraky tao Hesbona, vo Oga mpazakan'i Basana, izay nipetraky tao Astarita tany Edrehy. 5 Tagny an-dafin'i Jordana, tao amigny tanin'i Moaba, i Mosesy gny nanomboky nagnambara reo lalan'Agnahary, manao anizahoky ho: 6 "Nizaka tamisika tagny Horeba i Yaveh Zagnaharisika, manao anizahoky ho: 'Fa nipetraky naharisy teto amity tendrombohisy tihoky handrareo. 7 Tohizo ndraiky gny liandrareo, dra mandehana agny amigny tendrombohis'ireo Amorita vo agny amireo toeran'aby egny amigny lemaky gny lohasakan'driakiny gny Reniranon'i Jordana, egny amigny tendrombohisy, egny amigny farisy iva, ao Negreva, vo egny amorosiraky__egny amigny tany Kananita, vo agny Lebanona hatragny amigny loharano lahibe, dra Eofrata. 8 Ingo, fa nameko andrareo gny tany; mandehana ao dra lovao gny tany ze nianianan'i Yaveh tamireo razambendrareo__tamin'i Abrahama, tamin'Israely, dra tamin'i Jakoba__fa omen'anereo vo reo taranany ao afarany.' 9 Nizaka tamindrareo zaho tamizay fotoa zay, nanao anizahoky ho: 'Sy zakako zaho raiky hanao. 10 Fa napitombon'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo, dra, ingo, amizao handrareo dra maro manahaky gny kitan'egny andagnisy. 11 Yaveh, Zagnahariny gny razandrareo, anie hapitombo arivo eny gny hamaroandrareo amizao, dra hahita andrareo, araky gny fa napanatenany andrareo! 12 Fa amigny fomba akory gny hizakako gny vesandrareo, gny eta-mavesandrareo, dra gny fifandirandrareo? 13 Mangala lelahy hendry, lelahy mana-paheza, dra lelahy manan-daza amigny soa isaky gny foko, dra hataoko ho lohandrareo ereo.' 14 Namaly anahy handrareo dra nizaka ho: 'Gny raha ze nizakanao dra soa hataonay.' 15 Ko dra nalako reo lohany eo amigny fokondrareo, dra reo lelahy hendry, vo lelahy manan-daza soa, dra hanao anereo ho lohandrareo, pifehy gny arivo, pifehy gny zato, pifehy gny dimapolo, pifehy gny folo, dra manamboninahisy, isaky gny foko. 16 Nandidy reo pisara handrareo zaho tamizay fotoa zay, nanao anizaholy ho: 'Tenoy gny fifamalia eo amireo rahalahindrareo, dra misara apahamarigna manoloa gny olo vo gny rahalahiny, dra reo vahiny ze mindrain'aminazy. 17 Sy hapiseho fitanilagna na aminiza na aminiza agnaty fifandira handrareo; hiteno reo madiniky dra hiteno reo lahibe avo koa handrareo. Sy hatahosy gny endriky gny olo handrareo, akory an'Agnahary gny fisara. Gny fifandira ze sarosy ho andrareo, dra handesindrareo eto aminahy, dra ho reko zay.' 18 Tamizay fotoa zay zaho dra nandidy andrareo reo raha aby tokony hataondrareo. 19 Niala boak'agny Horeba isika dra nandeha nanera gny afisy lahibe vo mapatahosy ze hitandrareo, tegny amigny lalandrareo ho agny amigny tendrombohis'ireo Amorita, araky gny nandidian'i Yaveh Zagnaharisika asika, dra avy tao Kadesi-Barnea isika. 20 Hoy zaho tamindrareo ho: 'Avy etiky amigny tany havoan'ireo Amorita isika, ze omen'i Yaveh Zagnaharisika ho asika. 21 Ingo, Yaveh Zagnaharinao dra fa nametraky gny tany manoloan'anao; mandehana, mandova, araky gny fa nizakan'i Yaveh, gny Zagnaharin'ireo razambenao taminao; ka matohosy na koa kivy.' 22 Handrareo sirairay aby dra nagnaton'anahy dra nizaka ho: 'Ndao isika handefa lelahy hialoha lalan'asika, ba hitaliavan'ereo gny tany ho asika, dra hinday tatisy momba gny fomba hanafihasika, vo momba reo tana handehanasika.' 23 Nahafinarisy anahy gny torohevisy; nangalaky lelahy ro ambiny folo teo amindrareo zaho, lelahy raiky isaky gny foko. 24 Nitidi-doha ereo dra niakasy ho egny amigny tana egny atendrombohisy, avy tao amigny Lohasahan'i Eskola, dra nanao fisofoa tao. 25 Nangalaky gny ila-ilany tamireo vokasy teo amigny tany tegny atagnany ereo dra ninday anizay teo aminay. Ninday zaka honay koa ereo dra nanao anizahoky ho: 'Tany soa ze omen'i Yaveh Zagnaharisika ho asika zay.' 26 Kanefa handrareo nanda gny hanafiky, fa nikomy nanohisy gny didin'i Yaveh Zagnaharindrareo. 27 Nitaray tao agnaty laindrareo handrareo dra nizaka ho: "Akory halan'i Yaveh isika dra nandesiny niboaky gny tany Egypta, ba hanolosy asika egny apelatagnanireo Amorita ba hamotiky asika. 28 Eza gny azosika anehana amizao? Gny fosika dra fa napatahorin'ireo rahalahisika ho: 'Lahibe sady lava noho isika reo vahoaky reo; lahibe vo voaaro fatrasy manakasy gny lagnysy gny tanan'ereo; fagnapin'izay, fa hitasika reo zanaky gny Anakita."' 29 Dra hoy zaho taminao ho: 'Ka mihorohoro, na koa matahosy anereo. 30 Yaveh zagnaharinao, ze nandeha mialiha anao, dra hialy ho anao, manahaky reo raha aby ze fa nataony teo amasonao ho anao tao Egypta, 31 dra koa tagny agnefisy, ze nahitanao gny fomba nikarakaran'i Yaveh zagnaharinao anao, manahaky gny ikarakaranigny lelahy raiky gny zanadahiny, na teza na teza nandehananao mandra-pahavianao teto amity toera ty.' 32 Kanefa na dre teo aza zay zaka zay dra sy nino an'i Yaveh Zagnaharindrareo, 33 ze nialoha lalan'andrareo ba hitalia toera hitobiandrareo handrareo, tamigny afonigny hariva dra tamigny rahonigny andro. 34 Ren'i Yaveh gny feonigny zakanao dra nasiaky Izy; niay Izy dra nizaka ho: 35 'Azo atoky fa sy hisy raiky amitahoky olo boak'amigny taranaky rasy tahoky hahita gny tany soa ze niegnanako fa hameko reo razandrareo, 36 akoasin'i Kaleba zanak'i Jefone; hahita anizay izy. Hameko anazy, vo reo zanany gny tany ze fa nihisahiny, akory nagnaraky tateraky an'i Yaveh izy.' 37 Nasiaky taminahy nohonigny amindrareo avo koa i Yaveh, manao anizahoky ho: 'Ino avo koa gny lia sy ho agny; 38 Josoa zanadahin'i Nona, ze mizoro eo anoloanao, dra handeha agny; hapaherezo izy, akory izy gny hitariky an'i Israely handova anizay. 39 Fagnapinizay, reo zafikelinao, reo ze nizakanao fa ho babo, ze sy mana fahalala gny amigny soa vo gny rasy amizao__dra ho agny ereo. Omeko anereo zay, dra ho lovany zay. 40 Fa raha gny aminao, miheregna dra mandehana agny agnefisy magnaraky gny lala magnagny amigny Ranomasy Mena.' 41 Dra namaly andrareo dra nizaka taminahy ho: 'Nanota tamin'i Yaveh zahay; hizoro vo hialy zahay, dra hagnaraky ze fa nandidian'i Yaveh Zagnaharisika hataosika.' Gny lelahy aby teo amindrareo dra napilisy gny fitova-peliany, dra handrareo nivonona hanafiky gny tany havoa. 42 Hoy Yaveh taminahy ho: "Zakao anereo ho: "Ka manafiky vo ka mialy, akory sy hindray amindrareo Zaho, dra ho resin'ireo fahavalondrareo handrareo.' 43 Zay gny nizakako andrareo, kanefa sy nitenoandrareo. Nanohisy gny didin'i Yaveh handrareo; nirehareha handrareo dra nanafiky gny tany havoa. 44 Fa reo Amorita, ze nitoby tegny amin'io tany havoa io, dra niboaky anohisy andrareo dra nagneziky andrareo manahaky gny tately, dra namely andrareo tao Seira, hatragny Horma. 45 Nihery dra nitomagny teo agnatrehan'i Yaveh hanao; kanefa i Yaveh sy niteno gny feonao, na nagnety anao. 46 Ko dra nizano tao Kedesa nandrisy gny andro maro hanao, araky reo andro ze nizanognanao tagny.