Toko faha 23

1 I Petera dra nagnety tagny amireo pikamba tao amigny fila-kevisy dra nizaka ho: "Ry rahalahy, izaho dra fa niay teo agnatrehan'Agnahary tamigny fierisereta soa mandraky androany." 2 Gny pisorombe Ananiasy dra nibaiko reo ze nisanga teo agnilany ba hameleza gny vavany. 3 Boak'eo i Paoly nizaka anazy ho: "Zagnahary dra hazera anao, hanao ry rindry voaloko fosy. hanao ra dra mipetraky hisara anahy amigny lala, nefa mandidy anahy ba ho zera, sy araky gny lalana? 4 Reo ze nisanga teo dra nizaka ho: "Izao ra gny fomba hanevatevandrareo gny pisoromben'Agnahary?" 5 I Paoly nizaka ho: "Sy nahafatasy zaho, ry rahalahy, ho izy gny lahibenigny pisorombe. Fa voasorasy ho: Sy tokony hizaka rasy gny pitondra gny vahoakinao hanao." 6 Gny fa hitan'i paoly fa gny ilany tamigny fila-kevisy dra Sadoseo vo gny Fariseo hafa, dra nizaha fatrasy tao amigny fila-kevisy izy ho: "Ry rahalahy, Izaho dra Fariseo, zanadahin'ireo Fariseo. Izay gny izy akory izaho dra manategna soa gny fisangananigny maty hisara anahy." 7 Gny fa nizaka anizay izy, dra nanomboky nisy fifandira teo amireo Fariseo vo reo Sadoseo, dra gny vahoaky dra nizara. 8 Fa gny Sadoseo dra nizaka fa sy misy gny fisangana amigny maty, sy misy gny azely, vo sy misy gny Fagny, nefa gny Fariseo dra nagneky an'izy aby reo. 9 Noho izay dra nisy fitabataba fatrasy niseho, dra gny ilany tamireo panora-dalananigny Fariseo dra nisanga vo nialy hevisy, nizaka ho: "Zahay dra sy mahita raha diso aminy lelahy hoky. Ino raha gny fagnahy na gny azely gny nizaka taminazy?" 10 Nony nisy fifandira fatrasy teo, gny kapiteny pitariky dra natahosy so ba hifandropahan'ereo i Paoly, noho izay izy dra nandidy gny maramila ba hizoso vo hangalaky anazy akeriny agny amireo pikamba ao amigny fila-kevisy, vo hinday anazy agny an-dapa. 11 Gny hariva magnaraky gny Topo dra nizoro teo agnilany vo nizaka ho: "Ka matahosy, fa manahaky gny nizoroanao vavolombelo momba anahy tagny a Jerosalema, gny sy maisy hizoroanao vavolombelo agny Roma avo koa." 12 Gny fa ny maray gny andro, gny Jiosy ilany dra namoro tetiky dra nagnozo gny vatan'ereo miaraky amigny fiegna ba sy hihina na hino na ino na ino mandra-pahavian'ereo i Paoly. 13 Mihoasy gny efapolo olo ereo ze namoro io tetiky io. 14 Ereo dra nandeha tagny amireo pisorombe vo gny loholo dra nizaka ho: "Zahay dra fa nanao fagnozogna lahibe tamigny vatanay, ba sy hihinana na ino na ino mandra-pamonoanay an'i Paoly. 15 Amizao, noho izay, angao gny fila-kevisy hizaka amigny kapiteny pitariky ba hindesa anazy hizoso eto amindrareo, dra handrareo manahaky gny hanapa-kevisy amigny raha-misy momba anazy mary kokoa. Fa ho anay, Zahay dra vonona gny hamono anazy alohanigny fahaviany eto." 16 Nefa gny zanadahinigny anabavin'i Paoly dra nahare fa teo apandignisa gny hamonoa anazy ereo, noho izay izy dra nandeha vo nilisy gny lapa dra nizaka tamin'i Paoly. 17 I Paoly dra nitoka gny raiky tamireo kapiteny dra nizaka ho: "Andeso agny amigny kapiteny pitariky ty tovolahy tihoky, fa mana raha zaka aminazy izy." 18 Noho izay gny kapiteny dra nitakasy gny tovolahy igny vo ninday anazy tagny amigny Kapiteny pitariky dra nizaka ho: "I Paoly gadra gny nitoka anahy ho aminazy agny, dra nangataky anahy ba hinday ty lelahy tihoky eto aminao izy." 19 Gny kapiteny pitariky dra nangalaky anazy tamigny tana ho agny amigny toera mitoka dra nagnotany anazy ho: "Ino zany gny tokony ho zakanao aminahy anizay?" 20 Gny tovolahy nizaka ho: "Reo Jiosy dra fa nagneky gny hangataky aminao ba hindesa an'i Paoly hizoso agny amigny fila-kevisy maraindray, manahaky gny ho, ereo dra handeha hagnotany gny momba anazy miaraky. 21 Nefa ka magneky anereo, akory nisy olo mihoasy gny efa-polo ze fa vonona gny hamono anazy. Nitoka ozo ho anigny vatany ereo, ba sy hihina na hino mandra-pamonoan'ereo anazy. Fa na dre izao aza dra fa vonona ereo, mandigny fagneke boaky aminao agny." 22 Dra nanganigny kapiteny pifehy handeha gny tovolahy, tafaranigny nanoroany anazy ho: "Ka mizaka na amin'iza na amin'iza ho nizaka reo raha reo taminahy hanao." 23 Boak'eo izy dra nitoka ho eo aminazy gny ro tamireo kapiteny dra nizaka ho: "Alao gny maramila rozato ze vonona gny handeha amy Kaisara agny, vo pitikisy sovala fitopolo avo koa, dra pinday lefo rozato. Handeha hanao amigny ro fahatelonigny aliny. 24 Izy avo koa dra nandidy anereo ba hagnome lily ze afaky hitikiran'i Paoly, dra ba hinday anazy soa ama-sara agny amin'i Feliksa gny governora. 25 Boak'eo dra nanorasy taratasy manahaky anizao izy: 26 "Klaodio Lisia ho an'i Feliksa Governora soa indrindra, arahaba. 27 Io lelahy io dra nisamborinigny Jiosy dra saiky nivonon'ereo, gny fa avy teo amin'ereo niaraky tamireo miaramila zaho dra nagnavota anazy, akory nahafatasy zaho fa izy dra olo-pirenena Romana. 28 Izao dra te hahay gny atony niapangan'ereo anazy, noho izay dra nandesiko nizoso tao amigny fila-kevis'ereo izy. 29 Nahafatasy zaho fa voapanga tamigny aly hevisy mikasiky gny lalan'ereo manoka izy, nefa sy nisy fiapanga nanohisy anaze ze mendriky fahafatesa na fagnagadra. 30 Boak'eo dra napahafatary anahy fa nisy tetiky hanohera gny lelahy igny, noho izay dra nandefa anazy teo noho eo tagny aminao zaho, dra nagnafasy gny piapanga anazy avo koa ba hinday gny fagnamelohan'anereo anazy eo agnatrehanao. veloma." 31 Dra noho izay reo maramila dra nakato gny baikon'ereo. Nalan'ereo i Paoly dra nandesiny tamigny hariva igny a Antipatria agny. 32 Gny maraindray, gny akamaroan'ireo maramila dra nagnenga gny pitikisy sovala ba handeha hiaraky aminazy fa ereo dra nihery tagny an-dapa. 33 Gny fa avy agny i Kaisara reo pitikisy sovala dra nanolosy gny taratasy igny ho anigny governora, dra nanolosy an'i Paoly taminazy avo koa. 34 Gny fa namaky gny taratasy gny governora, dra nagnotany gny faritany ze niavian'i Paoly izy. Gny fa fatany fa boak'agny Kilikia izy, 35 dra nizaka ho: "Izaho dra hahare tateraky anao gny fa avy eto gny piapanga anao." Dra nasany nitana tao ao amireo foibenigny fazakan'i Heroda izy.