Toko 1

1 Gny Boky nisoratiko taloha, ry Teofilo, dra magnambara ze natombok'i Jesosy vo napenariny, 2 hatramigny andro napekara anazy, boak'eo dra nandidy reo Apostoly ze nifiliny tamigny alalanigny Fagnahy Masy Izy. 3 Tafaranigny nizaliany, dra naneho gny vatany velo tamin'ereo Izy niaraky tamireo porofo mandresy lahasy maro. NIseho tamin'ereo Izy nandrisy gny efapolo andro, dra nizaka momba gny fazakan'Agnahary. 4 Gny fa nihao niaraky tamin'ereo Izy, dra nandidy anereo sy hiala ao Jerosalema, fa handigny gny fapanatenanigny Ray, momba ze, nizakany ho: "Nahare taminahy handrareo 5 fa nanao batisa tamigny rano vatany i Jaona, fa handrareo dra tokony hatao batisa amigny Fagnahy Masy ao agnatinigny andro siapy." 6 Gny fa tafavory niaraky ereo dra nagnotany anazy ereo ho: "Topo, Izao ra gny fotoa hemeregnanao gny fazaka ho an'Israely/" 7 Hoy Izy tamin'ereo ho: "Sy handrareo gny hahafatasy gny fotoa na reo vanin'andro ze nizakany Ray tamigny fahefany manoka. 8 Fa gny fa avy koa gny Fagnahy Masy dra hahazo hery handrareo, dra ho lasa vavolombelo eranigny Jerosalema vo i Jodia ray manotolo dra Samaria, vo hatragny aparatany." 9 Gny fa nizaka anizay raha zay i Jesosy Topo, dra niandrandra ereo, nakary Izy, dra gny raho nanako Anazy teo amason'ereo. 10 Raha bo nibazy gny lagnisy igny ereo tamigny nandehanany, tapoky teo, nisy rolahy nekazo fosy nisanga teo agnilan'ereo. 11 Nizaka ereo ho: "Ry lelahy boaky a Galilia agny, magnino handrareo misanga eto magnety gny lagnisy? Igny Jesosy nala tamindrareo ze napekary agny andagnisy igny, dra hihery manahaky gny nahitandrareo anazy niakasy agny andagnisy teo igny. 12 Boak'eo ereo dra nihery tagny Jerosalema boak'ao amigny tendrombohis'Olova, ze eo agnilanigny Jerosalema, mitovy amigny lianigny andro Sabata raiky. 13 Gny fa avy ereo, dra niakasy tao amigny efisy ambony riha, ze nitoeran'ereo. Izy dra i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, dra Jodasy zanak'i Jakoba. 14 Nitambasy ho raiky izy aby, dra nazoto nivavaky. Agnisanizay reo apela, Maria renin'i Jesosy, vo reo rahalahiny. 15 Tamizay andro zay i Petera dra nisanga teo agnevon'ireo rahalahiny, eo amigny olo 120eo, dra nizaka ho: 16: "Ry rahalahy, tena nitaliavy gny fahataterahanigny Sorasy Masy, ze zinakanigny Fagnahy Masy meloha tamigny vavan'i Davida momba an'i Jodasy, ze ninday reo olo nanambosy an'i Jesosy." 17 Fa agnisanigny raiky amisika izy dra nahazo gny azarany tamizao fanopoa anizao." 18 (Amizao io lelahy io dra nivily saka tamigny vola azony tamigny faharasia izy, dra lavo nihohoky teo izy, dra nisokaky vo nipoaky gny vatany, dra niboaky avokoa gny sanainy. 19 Reo olon'aby tao a Jerosalema ao dra nahare gny momba anizay, dra nitoka io saka io tamigny fizakan'ereo ho: "Akeldama", zay ho: "Sahan-dra.") 20 Fa voasorasy ao amigny bokinigny Salamo ho: "Angao ho lao gny sakany, vo ka anga na dre olo raiky hitoby ao'; Angao ho takarinigny olo-kafa gny andrekiny." 21 Noho izay, dra taliavy, gny raiky amireo lelahy nindray tamisika nandrisigny fotoa aby niliran'i Jesosy Topo vo gny nisokafany tamisika eto, 22 hatramigny batisan'i Jaona dra hatramigny andro nekarany teo amisika, dra sy maisy vavolombelo miaraky amisika amigny fisanganany." 23 Dra nametraky rolahy ereo, dra i Josefa natao ho Barsabasy; na koa atao ho Josta, dra Matia. 24 Nivavaky ereo dra nizaka ho: "Hanao ry Topo, gny mahay reo fonigny olon'aby, ko zakao ze hifilinao amin'izy rolahy 25 ba hangalaky gny toerany ato amizao fanopoa zao vo gny maha Apostoly nohonigny fandikandalana ze nataon'i Jodasy handeha ho agny amigny toerany manoka. 26 Ereo dra niloka ho anereo, dra nilasaky tamin'i Matia gny filoka, dra voaisa ho Apostoly raiky ambiny folo izy.