Toko volohany 1

1 Zaho loholo mamangy an'i Galo malala, gny tiako amin'gny fahamarigna. 2 Ry malala, mivavaky zaho ba hambininy amy raha iaby anao dra ho salama, manahaky gny hanambina gny fanahinao. 3 Fa nifaly be zaho tamy nisy rahalahy avy dra nisanga vavolombelo tamin'gny fahamarinanao. tahaky gny andehananao amy mary. 4 Sy mana hafalia be noho itiho zaho, dra gny mahare fa mandeha amin'gny fahamarina reo zanako. 5 Ry malala, manao asa mahatoky anao amy ino na ino asa ataonao ho an'ereo rahalahy vo reo vahiny, 6 ze nisanga vavolombelo gny fitiavanao teo anatrehan'gny fiangona. Soa gny ataonao raha alefanao mandeha amin'gny fomba mendriky an'Agnahary ereo, 7 satria noho gny agnara gny nialany, sy ninday dre ino dre ino aby laha tamin'ereo zetilisa. 8 Noho zay isika dra ho mpiara-miasa amy fahamarina isika. 9 Nanorasy raha tamin'gny fiangona zaho, kanefa diotrefa, gny te-ho lohany amin'ereo,dra sy nandray anay. 10 Noho zay,raha avy zaho,dra ho saroako reo asa ze nataony, gny fomba nizakany raha mahasosotry manohisy anay miaraky amin'gny zaka rasy. sy afa-po tamin'ereo asa,dra sy nandramby reo rahalahy izy. Nandrara anereo ze te-hanao manahaky anizay izy dra nandroaky anazy reo hiboaky gny fiangona. 11 Ry malala, ka mangalatahaky ze rasy fa ze soa. Gny raiky ze manao gny soa dra an'Agnahary; gny raiky ze manao gny rasy dra sy nahita an'Agnahary. 12 Gny sy fahamarina aby dra vavolombelo magnambara an'i Demetrio. Zahay avo koa dra misanga vavolombelo ,dra fatasinao fa mary gny fanambaranay. 13 Nana raha maro ho soraty amindrareo zaho, fa sy magniry hanorasy reo amindrareo ami'gny peny vo ranomety zaho. 14 kanefa zaho manatena hahita andrareo sy ho ela, dra hiresaky mivata isika. 15 Ho amindrareo seky gny fiadana . Manao veloma anao reo sakaiza atiho. Veloma agny amin'ireo sakaiza kirairaiky araky gny agnarany aby.