Toko faha 24

1 Dra nirehisy tamin'Israely ndraiky gny fahorian'i Yaveh, dra nataony nanohisy anereo i Davida nanao anizahoky ho: "Mandehana, isaho gny Israely vo gny Joda." 2 Nizaka tamin'i Joaba pifehy gny tafiky, ze nindray taminazy gny pazaka ho: "Mandehana manera gny fokon'Israely aby, manomboky agny Dana dra hatragny Beri-sheba, dra isaho gny olon'aby, ba hahafatarako gny fitambaranigny isa'ireo lelahy sahaza ho anigny aly." 3 Hoy i Joaba tamigny pazaka ho: "Afaky mapitombo gny isanigny vahoaky izato ra Yaveh zagnaharinao, dra afaky magnety gny fitrangan'izay ra gny masonigny pazaka topoko. Nefa nagnino gny magniry anizay gny pazaka topoko?" 4 Na dre izay aza, gny zakanigny pazaka dra nanohisy an'i Joaba vo nanohisy reo pifehy gny tafiky gny farany. Dra niboaky teo amigny fagnatrehanigny pazaka i Joaba vo reo pifehy ba hagnisa gny vahoakin'Israely. 5 Nisaky an'i Jordana dra nitoby tao agnilan'i Aroera, asimonigny tana agny an-dohasaka ereo. Dra nandroso hatragny Gada dra hatragny Jazera ereo. 6 Avy tagny Gieada vo tagny amigny tanin'i Tatima-hodsy ereo, boak'eo dra tagny Danajana dra nagnodidy hatragny Sidona. 7 Avy tagny amigny ferova mafin'i Tyro vo gny tananigny Hivita vo gny Kananita aby ereo. Boak'eo dra niboaky nagnagny Negeva agny Joda ao Beri-sheba ereo 8 Dra gny fa avy nizaka gny tany aby ereo, dra nihery tagny Jerosalema ereo tamigny faranigny sivy vola sy ropolo andro. 9 Dra nitatisy gny fitambaran'isan'ireo lelahy pialy tagny amigny pazaka i Joaba. Nisy lelahy be heri-po 800.000 ze nagnasoaky sabasy tao amin'Israely, dra reo lelahin'i Joda dra lelahy 500.000. 10 Dra napahory anazy gny fon'i Davida gny fa boaky nagnisa reo lelahy izy. Dra nizaka tamin'i Yaveh izy ho: "Nagnato tateraky tamigny fanovan'anizay zaho. Aomao, ry Yaveh, alao gny heloky gny panoponao, fa nanao fahadala vatany zaho." 11 Gny fa nifiha i Davida gny maray, dra avy tamin'i Gada paminany, pahitan'i Davida gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 12 "Handeha zakao amin'i Davida ho: 'Izao gny zakan'i Yaveh:"Magnome safidy telo anao Zaho. Dra mifilia raiky amireo.""' 13 Dra nagnagny amin'i Davida i Gada dra nizaka taminazy ho: "Mosary telo tao ra gny ho avy aminao ao amigny taninao? Sa hienga telo vola reo fahavalonao ra hanao raha magneziky anao ereo? Sa hisy areti-mandringa telo andro ao amigny taninao? Amizao manapaha hevisy gny amizay valiny vatany haviliko Anazy gny nagniraky anahy." 14 Dra hoy i Davida tamin'i Gada ho: "Ao agnaty fikorotagna tateraky zaho. Aoky isika ho lavo eo agnatrehan'i Yaveh manahaky ze eo atagnanigny olo, akory tena lahibe gny famindra-pony. 15 Dra nandefa gny areti-mandringa teo amin'Israely nanomboky gny maray dra hatramigny fotoa voatondro i Yaveh, dra olo fito aly gny maty nanomboky tao Dana dra hatragny Beri-sheba. 16 Gny fa nanizisy gny tagnany nagnagny Jerosalema ba hamotiky anizay gny azely, dra niova hevisy nohonigny rasy ze haterak'izay Yaveh, dra nizaka tamigny azely ze namotiky gny olo Izy ho: "Apy zay! Ahemory gny tagnanao amizao." Tamin'io fotoa io gny azelin'i Yaveh dra nisanga teo apamoloan'i Araona Jebosita. 17 Dra nizaka tamin'i Yaveh Davida gny fa nahita gny azely namely gny vahoaky, dra nanao anizahoky ho: "Fa nanota zaho, dra rasy fitondra-tegna. Nefa reo agnondry reo, ino gny nataony?" Aoky re ba zaho vo gny akohonan-drako gny ho sazinigny tagnanao!" 18 Boak'eo dra avy teo amin'i Davida tamin'io andro io i Gada dra nizaka taminazy ho: "Mekara dra mamboara alitara ho an'i Yaveh eo apamoloan'i Araona gny Jebosita." 19 Dra niakasy araky ze nandidian'i Gada anazy hataony Davida, araky ze nandidian'i Yaveh. 20 Nagnety tagny ivelany Araona dra nahita gny pazaka vo reo ponopony nagnato. Dra niboaky i Araona dra napekohaky gny tavany teo amigny tany teo amigny pazaka. 21 Dra hoy i Araona ho: "Nagnino gny avy teo aminahy, panopony, gny pazaka topoko?" Namaly i Davida ho: "Hivily gny famoloanao, ba hahafahako mamboasy alitara ho an'i Yaveh, ba helanigny areti-mandringa eo amigny vahoaky." 22 Hoy i Araona tamin'i davida ho: "Atovy manahaky gny anao zay, ry pazaka topoko. Atovy amizay ze soa eo amasonao. Ingo, tahoky misy agnomby atao fagnatisy oroa vo fivelezam-bary dra ziogan'agnomby atao hita. 23 Reo aby reo, ry pazakako, zaho, Araona, dra hagnome anao anizay." Dra hoy izy tamigny oazaka ho: "Hagneky anao anie Yaveh Zagnaharinao." 24 Hoy gny pazaka tamin'i Araona ho: "Aha, hoviliko amigny valiny zay. Sy hanolosy fagnatisy oroa ho an'i Yaveh amigny raha ze sy nisasarako zaho." Ko nivilin'i Davida sekely volafosy dimapolo gny famoloa vo reo agnomby. 25 Namboasy alitara ho an'i Yaveh tao i Davida dra nanolosy fagnatisy oroa vo fagnati-pihavana teo amizay. Dra nitalaho tamin'i Yaveh ho anigny tany ereo, dra napisahasy gny areti-mandringa nanera an'Israely izy.