Toko faha 23

1 Itahoky dra gny zakan'i Davida farany___Davia zanaky lahin'i Jese, ilay lelahy tena namevoninahisy, ilay lelahy izay voahososy gny Zagnaharin'i Jakoba, ilay panao Salamo mahafinarisy gny Israely. '' Gny fagnahin'i Yaveh nizaka tamigny alalako, dra teo amigny lelako gny zakany. 3 Nizaka gny Zagnaharidr'Israely, nizaka taminahy ilay vatolapin'Israely ho: ''Ilay manapaky gny olo amigny fahamarigna, ilay manapaky amigny fahatahora an'i Zagnahary. 4 Izy dra ho manahaky gny fahazavan'ny maraina aby miposaky gny masoandro, maraindray sy misy raho, gny misimoky avy amigny tany gny ahi-meso amigny alalan'ny famirapiratan'ny masoandro afaran'ny ora. Egny tokoa, sy manahaky izay eo agnatrehan'i Zagnahary se gny ankohonako? Sy fa nanao fagneke mandrakizay, voalahasy vo azo atoky amigny fomba aby taminahy se izy? Moa sy mampitombo gny famozena anahy vo magnatateraky gny fagniriako se izy? Kanefa gny sy mendriky dra ho manahaky gny silo aria avo koa, satria sy voaangon'ny tagnan'ny olo raiky igny. 7 Gny olo izay mikasiky anazy ireo dra sy maisy mampiasa fitova vita amigny vy na zana-sipikan-defona. Sy maisy oroa eo amin'izay itobohany raiky.''' 8 Itahoky avy agny agnaran'ireo maramila sangan'i Davida: Josebala ilay Takemonita gny pitariky ireo maramila sansany. Nahafaty lelahy valozato tao agnatin'ny aly raiky izy. 9 Magnarakaraky anazy i Eleazara, zabaky lahin'i Dodo, zanaky lahin'i Ahohita, raiky amin'ireo lelahy telo maherin'i Davida. Teo izy tamigny nandresen'izy ireo gny filistina izay niangona nindray ba hialy, vo tamigny nihemoran'ny lelahin'Israely. Nisanga i Eleazara dra nialy taminazy filistina mandra-pahavizana gny tagnany dra nipitiky teo amigny tahon'ny sabany gny tagnany. Ninday fandresena lahibe tamin'izay andro izay i Yaveh. Nihery nagnoriky an'i Eleazara gny tafiky, ba hisipo izay amin'ireo faty fosiny avo. 11 Nagnarakaraky anazy i Sama zanaky lahin'i Age, ilay Hararita. Nara-niangona teo amin'izay nisy tani-vagnemba gny filistina, dra gny tafiky nandososy anazy ireo. 12 Fa i Sama koa nisanga teo agnevon'ny saha dra niaro izay. Nivony gny filistina, dra ninday fandresena lahibe Yaveh. 13 Gny telo tamin'ireo maramila telopolo dra nizoso tagny amin'i Davida tamigny fotoan'ny fararano, tao amigny zohin'i Adolama. Nitoby teo amigny lohasahan'i Refaita gny tafik'ireo filistina. 14 Tamin'izay fotoa izay Davida dra tao amigny fiarovany matrasy, zohy raiky, gny nitoboky tao Betlehema gny filistina. 15 Nitalia rano i Davida dra hoy izy ho: ''Gny ba misy olo magnome anahy rano ho nomy avy amigny lava-drano ao Betlehema, ilay lava-drano eo agnilan'ny vavahady izao!'' 16 Dra namakivaky gny tafiky gny Filistina ireo telo mahery ireo dra nangalaky rano avy tao amigny lava-drano eo agnilany vavahady. Nalan'izy ireo gny rano dra nandesiny tagny amin'i Davida, kanefa nanda gny hino izay izy. Fa nararany ho an'i Yaveh koa izay. 17 Avy eo dra hoy izy ho: ''Ry Yaveh, sagnatria, gny anao izay zaho. Tokony hino gny ran'ireo lelahy izay nanao soro gny ainy se zaho?'' dra nanda gny hino izay izy. Ireo raha ireo gny nataon'ireo telo lahy mahery. 18 Abisay, rahalahin'i Joaba dra zanaky lahin'i Zeroia, gny kapitenin'izy telo. Nialy tamin'ireo telo arivo lahy izy dra namono anazy ireo tamigny lefo. Voatogno matetiky nindray tamin'ireo maramila telo izy. Sy nalaza noho ireo telo lahy se izy? Natao kapitenin'izy ireo izy. Kanefa, gny lazany dra sy nitovy tamigny lazan'ireo maramila telo lahy malaza indrindra. 20 Benaia avy agny Kabezela dra zanaky lahin'i Jaiada; izy dra lelahy matazaky izay nanao asa lahibe. Namono gny zanaky ro lahin'i Ariela tagny Moaba izy. Nidisy tao agnaty lavaky avo koa izy dra namono liona gny bo nisy oram-panala igny. 21 Dra namono lelahy Egyptiana maro izy. Nana lefo tegny atagnany ilay Egyptiana, kanefa tamigny tehiny avo gny nialian'i Benaia taminazy. Nalany tegny amigny tagnan'ilay Egyptiana gny lefo dra tamigny lefo avo gny namonoany anazy. 22 Benaia zanaky ;ahin'i Joiada gny nanao izay asa lahibe izay, dra nakalaza nindray tamin'ireo telo lahy mahery izy. 23 Nalaza noho ireo maramila telopolo izy amigny ankapobeny, kanefa sy dra tena nalaza manahaky ireo maramila telo sangany indrindra. Nefa i Davida nampandrekisy anazy ho piamby anazy. 24 Agnisak'ireo telopolo ireto lelahy magnoriky ireto: Asahela rahalahin'i Joaba, Elanana zanaky lahin'i Dodo avy agny Bethlehema, 25 Sama ilay Harodita, Elika ilay Harodita, Heleza ilay Paltita, Ira zanaky lahin'i Ikesy ilay Tekoita, 27 Abiezera ilay Anatotita, Mebonay ilay Hosatita, 28 Zalmona ilay Ahohita, Maharay ilay Netofatita; 29 Haleba zanaky lahin'i Bana, ilay Netofatita, Itahy zanaky lahin'i Ribay avy agny Gibean'ny taranak'i Benjamina, Benaia ilay Piratonita, Hiday avy amigny lohasahan'ny Gasy. 31 Abi-albona ilay Arbatita, Azmaveta ilay Psaromita, 32 Eliaba ilay Salbonita, zanaky lahin'i Jasena, Jonatana zanaky lahin'i Sama ilay Hararita; 33 Ahiama zanaky lahin'i Sarara ilay Hararita, 34 Elifeleta zanaky lahin'i Ahasbay ilay Makatita, Eliama zanaky lahin'i Ahitofela ilay Gilonita, 35 Hezray ilay Karmelita, Paray ilay Arbita, 36 Jigala zanaky lahin'i Natana avy Zoba, Bany avy amigny fokon'ny Gadita, 37 Zaleka gny Amonita, Naharay gny Berotita, pinday gny fitova-pelia ho an'i Joaba zanadahin'i Zeroia, 38 Ira gny Jitrata, Gareba gny Jitrata, 39 Oria gny Hetita__fito amby telopolo izy aby.