Toko faha 22

1 Nihira ho an'i Yaveh reo tegny amity hira tihoky tamigny andro ze nagnavotan'i Yaveh anazy teo atagnan'ireo fahavalony aby, vo teo atagnan'i Saoly i Davida. 2 Nivavaky izy ho: "Yaveh gny vatolapiko, ferova mafy honahy, gny raiky ze mamozy anahy. 3 Zagnahary gny vatolapiko. Mialoky eo aminazy zaho. Iza gny ferovako, gny tandroky gny famozena anahy, ferova mafy honahy, vo felofako, gny raiky ze mamokasy anahy amigny herisetra. 4 Hitoka an'i Yaveh, ze mendriky gny ho dera zaho, dra ho avosy amireo fahavaloko zaho. 5 Fa nagnodidin'anahy reo aloky gny fahafatesa, nanafosy anahy reo rano mikorianigny fahapoteha. 6 Nagnodidin'anahy reo talinigny fiegna sy hita; namandriky anahy reo fandriky gny fahafatesa. 7 Tamigny fahoriako gny nisoahako an'i Yaveh; nitoka an'Agnahary zaho; nahare gny feoko boak'ao atepoliny Izy, dra avy teo asofony gny aso voziko. 8 DRa nihozo vo nihovosy gny tany. Nihovisovisy vo voahozongozo gny fioregnanigny lagnisy, akory ory zagnahary. 9 Niakasy boak'amigny vavorony gny hota, dra afo mirehisy gny niboaky boak'amigny vavany. Voarehis'izay gny bak'afo. 10 Nanokaky gny lagnisy Izy dra niboaky. dra gny ezi-pito tao ambany faladiany. 11 Nitikisy Kerobima Izy dra nitily. Hita tegny agnelasy gny rivosy Izy. 12 Nataony ho lay nagnodidin'anazy gny ezi-pito, namory rahon'ora selasela tegny amireo habakabaky izy. 13 Boak'amigny helasy teo agnatrehany gny nilasahanigny bak'afo. 14 Yaveh napangotroky boak'andagnis'agny. Nikioky fatrasy gny Avo indridra. 15 Nandefa zana-sipiky Izy dra napiely reo fahavalony__nandefa helasy mazava dra naparitany. 16 Boak'eo dra niseho gny faso-drano; niharihary tamigny hiakan'alin'i Yaveh gny fanambanin'izao totolo izao, tamigny fipoahanigny fofon'ainy vavorony. 17 Nizoso boak'agny ambiny Izy; nihazo fatrasy anahy izy! Nisiton'anahy tamigny fahavaloko matazaky Izy, tamireo ze nalaiky anahy, akory natazaky izy reo taminahy. 19 Avy nanohisy anahy ereo tamigny andro-pahoriako, kanefa Yaveh gny panohan'anahy. 20 Namoaky anahy ho agny amigny toera midadasiky avo koa izy. Namozy anahy Izy akory faly taminahy. 21 Fa namaly soa anahy tamigny refinigny fahamarignako Yaveh; fa nagnerin'anahy tamigny loniny tamigny refinigny fahadiovanigny tagnako Izy. 22 Fa nitandry reo lalan'i Yaveh zaho dra sy ba nanao ze rasy tamigny fela tamigny Zagnahariko. 23 Akory reo didiny marin'aby dra fa teo anoloako; raha gny amireo lalany ndraiky dra sy nivily tamireo zaho. 24 Fa sy nana-signy teo agnatrehany avo koa zaho, dra nitandry gny vatako sy hanota zaho. 25 Noho zay dra naherin'i Yaveh tamigny loniny tamigny refinigny fahamarignako zaho, tamigny refinigny fahadiovako teo amasony. 26 Ho anigny raiky ze matoky, mapiseho gny vatanao ho matoky hanao; ho anigny olo ze sy mana-signy, dra mapiseho gny vatanao ho sy mana-signy hanao. 27 Amigny malio dra mapiseho gny vatanao ho malio hanao, fa mivaliky amireo piolakolaky hanao. 28 Magnavosy reo olon'Ory hanao, nefa reo masonao dra manohisy gny pirehareha, dra ahetrinao izy raiky. 29 Fa hanao gny faniloko, ry Yaveh. Magnazava gny aiziko Yaveh. 30 Fa noho hanao dra afaky mihazakazaky mihoasy gny saka zaho; noho gny zagnahariko dra afaky mandinga rindry zaho. 31 Raha gny amin'Agnahary, tateraky gny lalany. Malio gny zakan'i Yaveh. Izy dra ferova ho anireo ze mialoky eo aminazy. 32 Fa iza gny zagnahary afa-sy Yaveh, dra iza gny vatolapy afa-sy gny Zagnaharisika? 33 Zagnahary gny felofako, dra mitariky gny olo sy mana-signy amigny lalany Izy. 34 Mapalaky gny tombony manahaky gny diera Izy dra mametraky anahy rgny amigny havoa abo. 35 Magnazasy gny tagnako amigny aly Izy, vo gny sandriko hamorisy sipiky varahy. 36 Fa nagnome anahy gny felofanigny famozenao hanao, dra gny sitrakao gny nanao anahy ho lahibe. 37 Fa nanao toera midadasiky ho anigny tomboko teo ambaniko hanao, dra sy nobolisasy gny tomboko. 38 Nagnitriky reo fahavaloko zaho dra namotiky anereo. Sy nihery zaho mandra-pahapotik'ereo. 39 Nandevon' anereo vo namotipotiky anereo zaho; dra sy afaky nisangan'anereo. Lavo tao ambany faladiako ereo. 40 Nametraky hery tao aminahy manahaky gny fehitroky ho amigny aly hanao; nametraky reo ze nisanga hanohisy anahy teo ambaniko hanao. 41 Nagnome anahy gny hatok'ireo fahavaloko hanao; nandringa reo ze nalaiky anahy zaho. 42 Nitoka vozy ereo, saiky sy nisy nagnavosy anereo, nitoka an'i Yaveh ereo, saiky sy namaly anereo Izy. 43 Namaly anereo ho singa madiniky manahaky gny botany amigny tany zaho, nitorotoroko manahaky gny fotaky egny amigny lalan'ereo. 44 Fa namozy anahy tamigny fifandiran'ireo vahoakoavo koa hanao. Fa nitananao ho lohan'ireo firenena zaho. Gny vahoaky ze sy fataso dra manopo anahy. 45 Nitere hekohoky taminahy reo vahiny. Vatany vo nahare gny momba anay ereo, dra nakato anahy. 46 Reo vahiny dra noboaky apatahora tao amigny ferova mafin'ereo. 47 Velo i Yaveh! ho deraina anie gny vatolapiko. Asandratra anie Zagnahary, ilay vatolapin'ny famozena anahy. 48 Izay gny Zagnahary izay magnatateraky famaliana hon'ahy,ilay raiky izay mapihetry vahoaky maro eo ambaniko. 49 Magnafaky anahy amin'ireo fahavaloko izy. Nanandrasy anahy ho agnabon'ireo izay nisanga hanohisy anahy tokoa izy. Mamozy anahy amin'ireo lelahy mahery setra hanao. 50 Noho izay dra hanolosy fisora ho anao, eo amin'ireo firenena zaho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny agnaranao zaho. 51 Zagnahary nagnome fandresena lahibe ho an'ny pazakany, dra mampiseho gny sy fivaliha-pagnekeny amin'ilay voahosony, izy ho an'i Davida vo ho an'ny taranany mandrakizay.''