Toko faha 21

1 Nisy mosary nandrisy gny telo tao nisesy tamigny andron'i Davida, dra nitalia gny tarehin'i Yaveh i Davida. Dra hoy Yaveh ho: ''Eo amindrareo io mosary io noho i Saoly vo gny fianakaviany pamono olo. akory namono reo Gibeonita izy." 2 Dra reo Gibeonita dra sy avy amigny vahoakin'Israely; fa avy amigny sisan'ireo Amonita ereo. Fa niania sy hamono anereo gny vahoakin'Israely, saiky niezaky hamono anereo tamigny zoto-pony avo i Saoly ho an'ireo vahoakin'Israely vo i Joda. 3 Noho izay i Davida pazaka dra nitoka niaraky reo Gibeonita dra nizaka tamin'ereo ho: "Ino gny tokony hataoko ho andrareo? Nagnino gny hahafahako manao fagnavota, ba hagnomezandrareo so-drano reo vahoakin'i Yaveh, ze mandova gny hasoany vo reo fapanatenany?" 4 Namaly anereo Gibeonita ho: "Sy resaky volafosy na volamena eo aminay vo i Saoly na gny fianakaviany zay. Manahaky anizay koa gny sy hamonoanay olon'ao amini'Israely." Dra namaly i Davida ho: "Ino gny zakandrareo fa tokony hataoko hondrareo?" 5 Namaly gny pazaka ereo ho: "Gny lelahy ze niezaky hamono anay aby, ze nanao tetiko hanoheran'anay, ba ho potiky zahay izao dra sy hanana toera ao amireo sisin'Israely__ 6 aoky hisy lelahy fito avy amigny taranany hatolosy anay, dra hagnaton'anereo eo agnatrehan'i Yaveh agny Gibean'i Saoly, gny raiky nisafidin'i Yaveh izahay." Dra hoy gny Pazaka ho: "Hameko andrareo ereo." 7 Fa namindra fo tamin'i Mefiboseta zanadahin'i Jonatana zanadahin'i Saoly gny pazaka, nohonigny fianianan'i Yaveh teo amin'ereo, teo amin'i Davida vo i Jonatana, zanadahin'i Saoly. 8 Kanefa nalanigny pazaka reo zanaky ro lahy an'i Rizpa zanakapelan'i Aia, zanakapelan'i Saoly__Armony vo Mefiboseta gny agnaran'ireo ro lahy; dra nalan'i Davida avo koa reo zaza dimy lahy an'i Mikala zanakapelan'i Saoly, ze avy amin'i Adriela zanadahin'i Barzilay gny Mehotita. 9 Natolony teo agnatrehan'ireo Gibeonita ereo. Nahaton'ereo tagny atendrombohisy nanoloa an'i Yaveh ereo, dra nindray maty izy fito. Tamigny fotoa-pararano gny namonoan'anereo, nandrisy gny andro volohany tamigny fiatombohanigny fiziza gny vary hordea. 10 Boak'eo Rizpa, zanakapelan'i Aia, nangalaky lamba fandala dra namelasy anizay ho anigny vatany teo amigny tendrombohisy agnilan'ireo vata-mangasiaky, hatramigny fiatombohanigny fiziza dra hatramigny nilasahanigny ora teo amin'ereo boak'agny an-dagnisy. Sy nangany hagnakorota reo raza gny voronigny lagnisy gny atoandro na reo bibidia gny hariva. 11 Zinaka tamin'i Davida ze nataon'i Rizpa, zanakapelan'i Aia, gny valy andevon'i Saoly. 12 Noho zay dra nandeha i Davida dra nangalaky gny tolan'i Saoly vo gny tolan'i Jonatana zanadahiny teo amireo lelahin'i Jabesi-gileada, ze nangalasy reo tao akiazanigny daholobe tagny Beti-sana, tagny amize nagnatognan'ireo Filistina anereo, gny fa avy namono an'i Saoly tao Gilboa ereo. 13 Nalan'i Davida hiala tao gny tolan'i Saoly vo gny tolan'i Jonatana zanadahiny, dra namory gny tolan'ireo lelahy fito ze nahaton'avo koa ereo. 14 Nalevin'ereo tagny amigny tanan'i Benjamina tagny Zela gny tolan'i Saoly vo Jonatana zanany, tao amigny lolon'i Kisy rany. Nataon'ereo aavokoa ze nididinigny pazaka aby. Tafaran'izay dra nivalin'Agnahary gny vavak'ereo ho anigny tany. 15 Boak'eo reo Filistina nialy tamin'Israely ndraiky. Noho izay dra nizoso niaraky tamigny tafiny i Davida dra nialy nohisy an'ireo Filistina. Reraky gny aly i Davida. 16 Jisbibenoba, taranaky gny Refaita, ze nilaza telozato sekely gny lefony varahy, dra ze nana sabasy fitova felia vaovao, dra nikasa hamono an'i Davida. 17 Kanefa Abisay zanak'i Zeroia nagnavosy an'i Davida, nanafiky gny Filistina, dra namono anazy. Avy reo lelahyin'i Davida niania taminazy, nanao anizahoky ho: "Sy tokony handeha hialy hiaraky aminay sasy hanao, ba sy hamonoanao gny ziron'Israely." 18 Dra tafaran'io dra nisy aly niaraky tamireo Filistina ndraiky tao Goba, gny fa nivonon'i Sibeka gny Hosatita i Safa, ze raiky tamigny taranak'ireo Refaita. 19 Dra nisy aly ndraiky tamireo Filistina Goba, ze namonoan'i Elanana zanadahin'i Jare gny Betlehemita an'i Gliata gny Gatita, ze manahaky gny voli-tenonigny pagnenony gny lefony. 20 Dra tamigny aly hafa tao Gata dra nisy lelahy lahibe nana rasatagna enina isaky gny tagnany dra rasatomboky isika gny tomboky, efasy amby ropolo gny isany. Boak'amigny taranaky Refaita avo koa izy. 21 Gny fa nagneso an'Israely izy, dra nivonan'i Jonatana zanadahin'i Simea, rahahin'i Davida. 22 Reo gny taranaky Refaita tao Gata, dra nivononigny tagnan'i Davida vo gny tagnan'ireo maramilany izy.