Toko 1

1 Tafaranigny nahafatesan'i Saoly, dra nihery boak'agny amigny fanafiha an'ireo Amalekita i Davida dra nizano tao Ziklaga nandrisy gny ro andro. 2 Tamigny andro fahatelo, dra nisy lelahy raiky nindray tamigny fekazoa rotarota vo loto teo amigny lohany gny avy tagny amin'i Davida iza dra nekohaky tamigny tany dra nagnondriky gny vatany. 3 Hoy i Davida taminazy ho: "Boak'eza hanao?" Namaly izy ho: "Nienga boak'agny amigny tobin'Israely zaho." 4 Hoy Davida taminazy ho: "Zakao anahy re gny fisehoanize raha zehoky." Namaly izy ho: "Nienga tamigny aly reo vahoaky. Maro gny lavo maro gny maty. Saoly vo i Jonatana zanadahiny koa dra maty." 5 Hoy Davida tamigny tovolahy ho: "Ino gny ahafatarandrareo fa maty i Saoly vo i Jonatana zanany?" 6 Namaly gny tovolahy ho: "Kisendrasendra gny naha-teo amigny tendrombihis'i Gilbona anahy, dra ingo Saoly nitehy tamigny lefony, dra reo kalesy vo reo pitikisy anazy dra teo apanamboran'anazy. 7 Nihodikody i Saoly dra nahita anahy dra nitoka fatrasy anahy. Dra namaly zaho ho: 'Tihoky zaho.' 8 Hoy izy taminahy ho: 'Iza hanao?' Namaly anazy zaho ho: 'Amalekita zaho.' 9 Hoy izy taminahy ho: 'Misangana re eto agnilako dra vonoy zaho, fa fahoria lahibe gny mazo anahy, kanefa bo ato aminahy gny ay.' 10 Noho zay dra nagnato teo aminazy zaho dra namono anazy, akory fataso fa sy ho velo izy tafaranigny nahalavo anazy. Boak'eo dra nalako gny satro-boninahisy ze teo amigny sandriny, dra nandesiko eto aminao reo, ry topoko." 11 Boak'eo dra naniasy reo fekazoany i Davida, dra nanao manahaky anizay koa reo olon'aby nindray taminazy. 12 Nandala ereo, nitomagny, dra nifaly hany ho an'i Saoly mandapa-hariva, ho an'i Jonatana zanadahiny, ho an'ireo vahoakin'i Yaveh, dra ho anigny akohonan'Israely akory lavo tamigny sabasy ereo. 13 Hoy Davida tamigny tovolahy ho: "Boak'eza hanao?" Namaly izy ho: "Zanaky gny vahiny raiky eo amigny tany zaho, Amalekita raiky." 14 Hoy Davida taminazy ho: "Nagnino hanao gny sy natahosy namono gny pazaka voahosos'i Yaveh tamigny tagnanao avo?" 15 Nitoka gny raiky tamireo tovolahy i Davida dra nizaka ho: "Mandehana dra vonoy izy." Ko nandeha zay lelahy zay dra namaly anazy, maty gny Amalekita. 16 Boak'eo dra nizaka tamigny fatinigny Amalekita i Davida ho: "Eo amigny lohanao gny lionao akory gny vavanao avo gny vavolombelo nanohisy anao dra nanao anizahoky ho: 'Namono gny pazaka voahosos'i Yaveh zaho."' 17 Boak'eo dra nihira ty hira fandala momban'i Saoly vo i Jonatana zanadahiny tihoky i Davida, 18 Nibaiko gny vahoaky izy ba hapianasy anizay Hirany gny sipiki zay an'ireo zanadahin'i Joda, ze voasorasy ao amigny bokin'i Jasara. 19 "Gny voninahisao, ry Israely, dra maty, voavono teo amigny toeran'abo! Endrey gny fahavalonigny mahery! 20 Ka zaka ao Gata zay, ka zaka egny amireo lalan'i Askelona, ba sy ho afaky hifaly reo zanakapelanigny Filistina, ba sy hakalaza reo zanakapelanigny sy voafora. 21 Ry Tendrohis'i Gilboa, sy hisy ando vo ora anie eo aminao, na saka magnome voa ho fagnatisy, akory teo gny ferovanigny mahery gny voaloto. Gny ferovan'i Saoly dra sy voahososy amigny menaky sasy. 22 Boak'amigny lion'ireo mahery, dra sy nihery gny sipikan'i Jonatana, dra sy nihery foa gny sabas'i Saoly. 23 Saoly vo i Jonatana dra tia mamindra fo teo amigny fiegnany, dra sy nisahira ereo tamigny fahafatesan'ereo. Malaky noho gny voromahery ereo, natazaky noho gny liona. 24 Handrareo ry zanakapelan'Israely, mitomagnia an'i Saoly, ze napekazo zaky vo firavaky andrareo, dra ze nametaky firavaky volamena teo amigny akazondrareo. 25 Endrey gny fahavalonigny mahery teo agnevonigny aly! Nivono teo amigny toeranao abo i Jonatana. 26 Ory nohonigny aminao zaho, ry Jonatana rahalahiko. Tena malala taminahy hanao. Mahita gny fitiavanao anahy, mihoasy noho gny fitiavan'ireo apela. 27 Endry gny fahalavonigny mahery, vo gny fahalevognan'ireo fitovan'aly!"