Toko 1

1 Simona Petera, panopo vo apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'ireo zay nahazo gny finoa sarobidy manahaky izay nalanay, finoa ao amigny fahamarinan'ny Zagnaharisika vo Jesosy Kristy pamozy. 2 Hapitombo anie gny fahasoa vo fiadagna nohon'ny fahalala an'i Zagnahary vo Jesosy toposika. 3 Reo raha aby mahakasiky gny herin'i Zagnahary ho an'ny fiaigna vo toe-pagnahy dra name asika tamigny alalan'ny fahalala an'i Zagnahary, zay nitoka asika tamigny alalan'ny voninahisy vo gny fahasoavany manoka. 4 Tamigny alalan'ireo, nameny zaka fikasa soaisika, ba ho lasa pizara amigny fomban'Agnahary handrareo, fa gny mienga gny fahalotoa eto atany noho reo filan-drasy. 5 Noho izay, manova gny soa ba hagnapia fahasoava amigny alalanigny finoandrareo, dra amigny alalanigny fahasoavandrareo, gny fahalala. 6 Amigny alalanigny fahalalandrareo, magnapia fahonogna-po, vo amigny alalanigny fahonogna-pondrareo, magnapia fereta, dra amigny alalanigny fiaretandrareo, magnapia toe-pagnahy. 7 Amigny alalanigny toe-pagnahindrareo, magnapia fitiava rahalahy, dra amigny alalanigny fitiava rahalahy, magnapia fitiava. 8 Raha ao amindrareo reo dra mitombo ao amindrareo, dra sy hamoa na sy hamokasy amigny fahalala an'i Jesosy Kristy Toposika handrareo. 9 Fa na iza na iza sy apy reo raha reo dra sy mahita afa-sy ze mariny avo; poaky izy. Nihalignoiny gny fagnaliova anazy tamireo fahota taloha. 10 Noho izay, ry rahalahy, atovy gny ba hahazoa atoky gny fienga vo gny fifilia andrareo aby. Raha manao reo raha reo handrareo, dra sy ho voafinga. 11 Amizay dra malalako ho andrareo gny fidira amigny fazaka mandrakizay ze anigny Toposika vo i Jesosy Kristy pamozy. 12 Noho izay dra vonona avo zaho hapasiaro andrareo reo raha reo, na dre fatandrareo aza reo, na dre matazaky ao amigny mary aza handrareo amizao. 13 Izaho mieriserisy fa rariny aminahy gny mamoha andrareo amigny fapahasiahiva reo raha reo, gny bo eto amy ty tragno-lay tihoky zaho. 14 Akory fataso fa sy ho ela dre halako gny tragno-laiko, manahaky ze nasehon'i Jesosy Kristy Toposika anahy. 15 Dra hataoko ze farany vitako ba hahasiarovandrareo mandrakariva reo raha reo gny fa lasa zaho. 16 Fa zahay dra sy nagnoriky angano soa rafisy ze niforogny gny fa nizaka tamindrareo gny mombanigny hery vo gny nisehoan'i Jesosy Kristy Toposika. Fa koa, zahay dra vavolombelo nahita gny fiandrianany. 17 Fa izy dra naharay laza amam-boninahisy boak'amin'Agnahary Ray gny fa nisy feo avy teo aminazy tamigny voninahisy lahibe ho: "Tihoky gny zanako malalako, ze sitrako indrindra." 18 Nahare anizay feo boak'agny andagnisy zay zahay, gny fa niaraky taminazy tegny atendrombohisy masy. 19 Isika dra mana ty zaka faminania dra fa fatrasy ory tihoky. Tokony hitandry anizay soa handrareo. Izay dra manahaky gny ziro mazava ao agnatinigny mezy mandra-piavinigny maray vo gny kitanigny maray miboaky ao apondrareo. 20 Fataro aloha zao, fa sy misy faminania boak'amigny famoahakevisy gny olo. 21 Fa sy misy faminania boak'amigny sitraponigny olo. Fa koa, nitarihinigny Fagnahy Masy ereo ba hizaka ze nizakan'Agnahary.