Toko volohany 1

1 Laha tamin'gny loholo dra hatrany amin'gny ampela voafily vo reo zanany, ze tiako amin'gny fahamarigna-dra sy zaho avo, fa reo aby ze nahafatasy gny mary avo koa- 2 nohon'gny fahamarina ze mipetraky ao agnatisika dra hiaraky amisika mandrakizay. 3 Ho amisika seky gny fahasoava, gny famindram-po, gny fiadana laha tamin'Agnahary Ray vo laha tamin'i Jesosy Kristy , Znaky gny Ray, amin'gny fahamarina vo fitiava. 4 Faly be zaho satria nahita gn'ilany amin'ireo zanakao mandeha amin'gny fahamarigna, manahaky gny nandresasika anizay didy zay laha tamin'gny Ray. 5 Dra mangataky aminao zaho, rapela-sy hanahaky gny manorasy didy vaovao aminao zaho, fa ze nanagnasika hatramin'gny volohany-dra gny tokony hifakatiavasika samy isika. 6 Zao gny fitiava , dra gny ba handehanasika araky reo didiny. Zao gny didy, araky gny rendrareo hatramy volohany, dra gny tokony handehandrareo amin'izay. 7 Fa maro reo mpamitaky fa lasa agny amin'izao totolo zao,dra ereo dra sy maneky fa Jesosy kristy dra avy tamy nofo. Zay gny mpamitaky vo atikristy. 8 Hatio gny vatandrareo, ba sy hahalevo reo raha ze fa vitasika aby, fa handraisandrareo valim-pitia feno. 9 DRe iza dre iza mandeha eo aloha dra sy mipetraky ao amin'gny fampianaran'i Kristy dra sy mana an'Agnahary. Gny raiky ze mipetraky ao amin'gny fampianara, ze raiky zay dra mana gny Ray vo gny Zanaky. 10 Raha misy olo avy eo aminao dra sy minday anizay fampianara zay,dra ka mandray anazy ho ao an-tragnonao dra ka miarahaba anazy. 11 Fa ze miarahaba anazy dra miombo amy rasy ataony. 12 Mana raha maro ho sorata amindrareo zaho, nefa zaho sy magniry hanorasy anizay amy taratasy vo ranomety. Dre zay avo, manatena gny ho avy agny amindrareo zaho dra fifaliandrareo. 13 Manao veloma anao reo zanaky gny rahavavinao voafily.