Toko 1

1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy araky gny didin'Agnahry pamozy asika vo i Kristy tokisika, 2 ho an'i Timoty, zanadahy marina eo amigny finoa: Fahasoava, famindra-po, dra fiadagna boakamin'Agnahary Ray vo i Kristy Jesosy Toposika. 3 Araky gny nangatahiko fatrasy hataonao gny fa niala tao Makedonia zaho, mitoboha ao Efesosy ba hahafahanao mibaiko reo olo ilany sy hapianasy foto-fapianara hafa 4 Sy tokony hitandry reo tatara vo tetiara sy misy fiafarany ereo. Reo dra niteraky alihevisy fa sy magnapy gny drafis'Agnahary, ze amigny alalanigny finoa. 5 Dra gny tazonigny didy dra fitiava boak'amigny fo malio, avy amigny feonigny fierisereta soa, dra avy amigny finoa sy mihasaravelatsihy. 6 Gny olo ilany dra sy nahatrasy gny tazony dra niala tamireo raha reo ho agny amigny lahazaka molamola. 7 Ereo dra te ho papiana-dalana, kanefa ereo sy mahazo ze zakany vo hizingizin'ereo. 8 Fa isika dra mahafatasy fa gny lalana dra soa ra misy raiky mapiasa anazy amigny ara-dalana. 9 Isika dra mahafatasy anizay, fa gny lalana dra sy natao ho anigny olo-mary, fa ho anigny pandika lalana vo olo pikomy, ho anireo rasy fagnahy vo gny pagnota, dra ho anireo zagnahary sizy vo sy masy. Izay dra natao ho anireo ze mamono gny reniny amin-drany, ho anireo pamono olo, 10 ho anireo sodomita, ho anireo pangalaky akeriny olo ba ho andevoziny, ho anireo pavandy, ho anireo vavolombelo sy mary, dre na ino na ino hafa manohisy gny fapenara mahatoky. 11 Io fapenara mahatoky amigny filazasaranigny voninahinigny Zagnahary voatahy ze akiny taninahy. 12 Isaorako i Kristy Jesosy Tposika. Napahery anahy Izy, Fa nataony mahatoky Zaho, dra nanendry anahy ho amigny fanopoa Izy. 13 Izaho dra pizaka rasy, pagnarasy, dra lelahy masiaky. Kanefa nanazo famindra- po zaho akory tamigny sy faheza gny nanovako anizay noho gny sy finoa. 14 Fa gny fahasoavanigny Toposika gny nandrakosy tamigny finoa vo gny fitiava ze ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Izao hafasy izao dra azo atoky vo mendriky gny fagneke aby, fa i Kristy Jesosy dra avy teto atany hamozy reo panota. Izaho gny rasy indrindra tamireo. 16 Fa noho izay atony izay gny namindra fo taminahy, ba amigny alalako, gny lahibe indrindra, i Kristy Jesosy dra mety haneho gny faharetan'aby. Nanao anizay Izy ho hoasy ho anireo ze magniry hatoky Anazy ho anigny fiegna mandrakizay. 17 Dra ho anigny pazakanigny tao, sy mety maty, sy hita maso, gny Zagnahary toka, anie gny laza sy voninahisy mandrakizay doria. Amena. 18 Izao didy izao gny ameko anao, Timoty, zanako, araky reo faminania natao momba anao tagny aloha, fa hanao dra mety hialy gny aly soa, 19 gny fiazogna gny finoa vo gny feonigny fierisereta soa. Tamigny fandava zay, misy gny nanao sambo vaky gny finoany. 20 Manahaky an'i Hymeneo vo Aleksandro, ze natolotro ho an'i Satana ba apianara anereo sy hizaka rasy.