Toko volohany 1

1 Paoly,Silasy,dra Timoty ho agny fiangon'ereo Tesaloniana ao amin'Agnahary Ray vo Jesosy Kristy Topo.Ho amindrareo seky gny fahasoava vo gny fiadana.[Fanamarigna:reo dika-zaka gn'ilany taloha dra mivaky ho:''Ho amindrareo seky gny fahasoava vo fiadana laha tamin'Agnahary Ray vo Kesosy kristy Topo.''] 2 Magnome fisora an'Agnahary mandrakariva zahay gny amindrareo iaby,dra manogno andrareo amin'gny vavakay. 3 Izahay dra sy mizano gny mahasiaro andrareo eo anatrehan'Agnahary Rasika gny asan'gny finoandrareo,gny asan'gny fitiavandrareo,dra fahatokisandrareo maharisy ho agny ho avy ao amin'i Jesosy Kristy Toposika. 4 Ry rahalahy tian'Agnahary,fatanay Fa Izy dra fa nifily andrareo, 5 satria gny filazasaranay dra avy tamindrareo sy tamin'gny zaka avo,fa tamin'gny hery avo koa,tamin'gny Fanahy Masy,dra gny fahatokia be.Mitovy amin'izay,andrareo koa dra mahay ho olo mahalala manao akory teo amindrareo noho gny amindrareo. 7 Vokasin'izay, lnahavy ohasy hon'gny maro ze mino ao Makedonia vo Akaia andrareo. 8 Fa avy tamindrareo gny nagnenoan'gny zakan'i Topo,dra sy tao Makedinia vo Akaia avo.Fa dra,zaka amy toera nielezany gny finoandrareo an'Agnahary iaby. Vokasin'izay,dra sy mila mizaka dre ino dre ino isika. 9 Fa ereo avo gny hizaka ze fandraisa azonay teo amindrareo.Izy reo dra mizaka gny fomba nitolihandrareo tamin'Agnahary dra niala tamin'ereo sapy ba hanopo an'Agnahary velo vo mary. 10 Ereo dra nitao fa andrareo dra miamby gny Zanany laha tagny an-dagnisy,ze nasangany tamin'ereo maty.Jesesy zay,ze magnafaky asika amin'gny fahoria ho avy.