Toko faha 26

1 Avy tagny amin'i Saoly tagny Gidea reo Zifita vo nizaka ho: "Sy mivony agny amigny lohasakan'i Hakila, zay mifagnatriky amin'i Jesimona ra i Davida?" 2 Dra nandeha i Saoly vo nizoso nagnagny amigny afisin'i Zifa, ninday lelahin'Israely voafaty telo arivo nindray taminazy, ba hitalia an'i Davida agny atany efis'i Zifa. 3 Nitoly teo amigny havoan'i Hakila i Saoly, zay nagnatriky an'i Jesimona, teo amorondala. Fa nitoby tagny agnefisy i Davida, vo hitany fa tamy hitalian'anazy tagny agnesy i Saoly. 4 Ko nagniraky pisikilo i Davida dra nahafatasy fa tena avy vatany i Saoly. 5 Nisanga i Davida vo nandeha tagny amigny toera ze nitobian'i Saoly; hitany gny toera nandrian'i Saoly, vo Abnera zanak'i Nera, gny jeneralinigny tafiny; nandry tao atoby i Saoly, dra nitoby nagnodidin'anazy reo olo, samby tehandry avo koa. 6 Dra hoy i Davida tamin'i Ahimeleka Hitita, vo tamin'i Abisay zanak'i Zeroia, rahalahin'i Jaoba ho: " IZa gny handeha hizoso ho agny amin'i Saoly ao atoby mindray aminahy?" Hoy Abisay ho: "Zaha! hizoso mindray aminao zaho." 7 Ko nagnagny amigny tafiky i Davida vo Abisay gny hariva. Nandry tao atoby nindray tamigny lefony nisatoky tamigny tany teo agnilanigny lohany i Saoly. Nandry nagnodidin'anazy i Abnera vo reo miaramila. 8 Dra hoy Abisay tamin'i Davida ho: "Natobin'agnahary ho eo atagnanao gny fahavelomanao amizao. Angao re zaho zao hanindron'anazy ho amigny tany ndray mamely moza amigny lefo. Sy hagnenga anazy fagnindrony akory zaho." 9 Hoy Davida tamin'i Abisay ho: " Ka Mamono anazy; Fa izy gny afaky manizisy gny tagnany hamely gny voahosos'i Yaveh dra sy ho ory?" 10 Hoy i Davida ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra Yaveha gny hamono anazy, na ho avy gny andro hahafatesany, na handeha hialy izy dra ho maty. 11 Ho rara'i Yaveh gny hagnijirako gny tangako hagnahy gny voahoro; fa amizao, mengavy aminao zaho, takaro gny lefo ze eo an-dohany sy gny signidrano dra andao handeha.'' 12 Koa dra nalany davida avy tagny andohsny saoly dra lefo sy gny signidrano, dra niala izy hoky. sy nisy nahita anazy ereo na fahalala momba 13 Dra nandeha tagny ampita i Davida vo nisaga teo atampiny mbohisy lavisy tegny; nisy halavirany lahibe nifakalavisy izy ereo. 14 Narevoky fatrasy tamin'ereo vahoaky vo abnera zanak'iNera i Davida;hoy izy ho :'Sy mamaly ra hanao, ry Abnera?'' Dra namaly Abnera dra nanao anizahoky ho: ''Iza hanao mitokatoka gny pazaka zao?'' 15 Hoy Davida tamin'i Abnera ho: "Sy hanao ra gny lelahy be heripo? Iza gny manahaky anao eto Israeky? Nanoha vo hanao gny sy niamby gny pazaka toponao? Fa nisy olo nidisy hamono gny pazaka toponao. 16 Sy soa zao raha nataonao zao. Raha bo velo koa Yaveh, dra mendriky gny ho maty hanao akory sy niamby gny toponao, dra gny vohosos'i Yaveh. Amizao dra atio ze misy gny lefonigny pazaka vo gny sinin-drano teo agnilanigny lohany!" 17 Nahasiaro gny feon'i Davida i Saoly dra nanao anizahoky ho: "Feonao ra zay, ry Davida zanadahiko?" Hoy i Davida ho: "Feoko zay, ry pazaka, topoko." 18 Hoy izy ho: "Nagnino magnesiky gny panoponao gny topoko? Ino re gny nataoko? Ino gny rasy eo atagnako? 19 Amizao dra, mengavy aminao zaho, aoky gny topoko pazaka hiteno gny zakanao manopony. Raha Yaveh gny napietan'anao hanohisy anahy, aoky Izy hagneky fagnatisy raiky; fa raha olombelona zay, dra ho voaoza eo imason'i Yaveh anie izy, ba sy hifikiranao amigny lovan'i Yaveh ; hoy ereo taminahy ho: 'Mandehana manopo zagnahary hafa .' 20 Amizao dra, ka agnanao ho levon'eo amigny tany lavisy gny fagnatrehan'i Yaveh gny lioko; fa niboaky hitalia gny paraky kely raiky manahaky gny hihazanigny olo sipoy raiky agny amireo tendrombohisy gny pazakan'Israely." 21 Dra hoy i Saoly ho: "Nanota zaho. Miheregna, ry Davida, zanadahiko; fa sy hagnisy rasy hanao sasy zaha, akory sarobidy teo imasonao gny aiko androany. Ingno, nimolamola zaho dra nanao fahadisoa rasy faratapony." 22 Namaly i Davida dra nanao anizahoky ho: "Ingo, ty lefonao ty, ry pazaka! Aoky hisy raiky amireo tovolahy hisaky dra hangalaky anizay dra handay anizay agny aminao. 23 Yaveh anie hamaly gny olo sirairay nohonigny fahamarignany vi gny fahatokianiaby; akory nanoby anao teo atagnako Yaveh androany, saingy sy namely gny voahososy zaho. 24 Ingo, manahaky gny saka sarobidy gny ainao teo imasoko androany, dra enga anie dra homr laza eo imason'i Yaveh manahaky anizay gny aiko, dra hagnavosy anahy amigny fahorian'aby anie Izy." 25 Dra hoy i Saoly tamin'i Davida: "ho tahy anie hanao, ry Davida zanako! Hanao raha lahibe vatany hanao dra hombinin'amizay." Ko nizosy tamigny lalan'i Davida, vo nihery tagny amigny toera i Saoly.