Toko faha 20

1 Dra Davida nienga boak'agny Naiota agny Rama dra nagnagny amin'i Jonatana vo nanao anizahoky ho: "Fa ino gny hataoko? Ino gny heloko? Ino gny fahotako teo agnatrehanigny ranao, manao gny hahafaty anahy izy" 2 Jonatana nanao tamin'i Davida ho: " Sagnatria zay; sy ho maty hanao. Sy manao anizay aminahy gny rako. Nagnino gny hagnavonianigny rako anizay aminahy? Sy zay velively.'' 3 Vo nivoady ndraiky Davida dra nanao anizahoky ho:''Fatas'i babanao sao fa nahita sitraky teo amasonao zaho. Fa nizaka izy ho: 'Ka anga ho fatas'i Jonatana zao, raha sy zay dra halahelo izy.' Nefa raha velo marina Yaveh, vo raha bo velo koa hanao, dra kely gny elagnela eo aminahy vo gny fahafatesa." 4 Vo hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Na ino na ino zakanao, dra hataoko honao." 5 Hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Maraindray gny voloham-bola, dra tokony hitoby hindray hihina amigny pazaka zaho. Nefa angao zaho handeha, ba hivony agny agnahisy hatramigny harivanigny andro fahatelo. 6 Raha mahasiaro anahy gny babanao dra atovy ho: 'Nanao fiera fatrasy taminahy i Davida ba hamozy an'i Betlehema tanany; akory fa akatoky gny soro isa-tao ho anigny fianakavia manotolo agny.' 7 Raha hoy izy ho: ' Soa zay,' dra hana fedagna gny panoponao. Fa raha ory fatrasy izy, dra fataro fa nanapa-kevisy hanao rasy izy. 8 Noho izay dra mifagnaraha soa amigny panoponao. Fa ninday gny panoponao ho amigny fagneken'i Yaveh nindray taminao hanao. Nefa gny misy fahota aminahy, dra hanao gny hamono anahy; dra nagnino zaho gny andesinao angy amigny babanao?'' 9 Hoy i Janatana: '' Sagnatria aminao se zay! gny nahafatasy zaho fa nanapa- kevisy gny hanao rasy anao gny babako, dra sy hizaka aminao se zaho?'' 10 Dra hoy iDavida tamin' i Janatana: '' Iza gny hizaka aminahy raha sagnatria mamaly anao amigny zaka fatrasy gny babanao?'' 11 Jonatana nanao tamin'i Davida ho: ''Andao, handeha sika hiboaky agny a-saha.'' Dra niboaky tagny a-saha izy ro lahy. 12 Hoy i Jonatana tamin'i Davida: '' Yaveh, Zagnaharindr'israely se gny ho vavolombelo. Gny fa avy magnotany an'i babako zaho maraindray amin'izao ora izao, na amigny andro fahatelo, atio, gny misy raha- soa ho an'i Davida, moa sy hagniraky ho agny aminao vo hapahafatasy anao se zaho? 13 Gny mahafaly an'i babako gny hanao rasy anao, Yaveh ane nahao an'izay amin'i Joanatana dra mihoasy aza gny sy mahapahafatasy izay aminao vo mandefa anao zaho, ba handehananao a-piadagna. Hiaro anao anie Yaveh, manahaky gny fa nombany gny babako. 14 Fa gny bo velo koa zaho, moa sy hagnapotoro anahy gny sy fivaliha- pagneken'i Yaveh se hanao, ba sy ho maty zaho? 15 Ka manapaky gny sy fivalia- pagnekenao hiala amigny an-kohonako mandrakizay___dre foagnan'i Yaveh eo amigny tany aza gny fahavalon'i Davida aby.'' 16 Dra Jonatana nanao fagneke tamigny ankohonan'i Davida dra nanao ho:'' Yaveh ane hitaky gny honitra eo amigny tagnan'ireo fahavalon'i Davida.'' 17 Napanao voady an'i Davida draiky i Jonatana noho gny fitiavany anazy, satria tia anazy manahaky gny fitiavany ihany izy. 18 Dra hoy i Jonatana tamigny:'' Maraindray gny voaloham-bolana. Ho siaronao hanao satria foana gny sezanao. 19 Gny fa mizano telo andro hanao, dra misosoa malaky dra mandehana agny amigny toerany izay nivonia agny teo a-pelatagnanaogny raharaha, dra mandignisa eo agnilany vatolapy Ezela. 20 Handefa zanasipiky telo eo agnilanizay zaho, manahaky gny ho mitifisy raha kendre. 21 Dra nagniraky gny tovolahiko zaha dra hizaka aminazy ho: 'Ndehana taliavo reo zanasipiky.' Raha mizaka amigny tovolahy zaho ho: 'Ingo, eo agnilanao eo reo zanasipiky; alao re,'' dra mevia; fa hisy ferova vo sy hisy rasy honao, raha bo velo koa Yaveh. 22 "Nefa raha mizaka amigny tovolahy zaha ho: 'Ingo, ao afaranao reo zanasipiky,' dra mandehana amigny lalanao, dra fa nandefa anao i Yaveh. 23 Raha gny amigny fifagnaraha ze nifapizakasika, ingo, eo agnevosika mandrakizay i Yaveh." 24 Ko nivony tagny agnahisy i Davida. Gny fa avy gny voloham-bola, dra nitoby nihina hany gny pazaka. 25 Nitoby teo amigny sezany gny pazaka , manahaky gny mahatra, teo amigny seza teo agnilanigny rindry. Nizoro i Jonatana, vo Abnera nitoby teo agnilan'i Saoly. Nefa foa gny sezan'i Davida. 26 Sy bo nizaka na ino na ino i Saoly tamin'io andro io, akory nieriserisy izy ho: "Nisy raha nahazo anazy. Sy malio izy; azo atoky fa sy malio izy." 27Fa tamigny andro faharo koa, gny maranigny voloham-bola, dra foa gny sezan'i Davida. Hoy i Saoly tamin'i Jonatana zanadahin'i Jese na omaly na androany?" 28 Jonatana namaly an'i Saoly ho: "Nangataky alala fatrasy taminahy ba handeha agny Betlehema i Davida. 29 Hoy izy: 'Angao re zaho ba handeha. Fa gny fianakavianay mana soro ao atana, vo gny rahalahiko nandidy anahy ho agny. Amizao, raha fa nahita sitraky teo amasonao zaho, dra angao re zaho handeha vo hagnety reo rahalahiko.' Zay gny atony sy nahaviany teo an-databasy gny pazaka.'' 30 Ko nirehisy tamin'i Jonatana gny haorian'i Saoly, vo hoy izy taminazy: "Hanao ry zanadahiny pamadiky, apela pikomy! MOa se zaho sy mahafatasy fa nisafidy gny zanadahin'i Jese ho fahamegnarananao honao, vo ho fahamegnaranigny fatazahanigny reninao hanao? 31 Fa raha bo mian'eto atany gny zanadahin'i Jese, dra sy ho tafapetraky hanao na gny fazakanao. Ko amizao, alefaso vo andeso aminahy atiky izy, fa sy maisy ho maty vatany izy." 32 Jonatana namaly an'i Saoly rany ho: "Fa ino gny atony tokony hamonoanan'azy? Ino gny atony?" 33 I Saoly nagnary gny lefony taminazy ba hamono anazy. Dra fatan'i Jonatana fa tapakevisy gny hamono an'i Davida gny rany. 34 Nisanga niala ami-kahoria teo amigny latabasy vo sy nihina hany i Jonatana gny andro faharonigny vola, fa nalahelo an'i Davida izy, akory nangala baraka anazy gny rany. 35 Gny maray, niboaky nagnagnahisy agny tamigny fotoa voatondro nindray tamin'i Davida i Jonatana, vo gny tovolahy nindray taminazy. 36 Hoy izy tamigny tovolahy: "Mandehana vo taliavo reo zanasipiky ze natifiso." Vo raha nihazakazaky gny tovolahy, dra nitifiriny zanasipiky tao afara. 37 Gny fa avy teo amigny toera ze nitokavanigny zanasipiky nalefan'i Jonatana gny tovolahy, dra nitoka gny tovolahy i Jonatana boak'eo, vo nanao anizahoky ho: "moa sy ao afaranao ra gny zanasipiky?" 38 Vo nitoka gny tovolahy i Jonatana ho: "Malaky, malaky, aza mijonogna!" Vo gny tovolahin'i Jonatana nagnango reo zanasipiky niakasy vo nagnagny amigny topony. 39 Nefa sy nahay na ino na ino gny tovolahy. Jonatana vo Davida avo gny nahay gny raharaha. 40 Namen'i Jonatana anigny tovolahy reo fitova-pelia dra hoy izy taminigny: "Mandehana, andeso agny atana reo." 41 Raha vo lasa gny tovolahy, dra nisanga boak'ao ambaliky gny dongo-tany i Davida, niakohoky teo amigny tany, vo niondriky itelo. Nifagnoroky vo nindray nitomagny ereo, dra nitomagny fatrasy i Davida. 42 Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mandehana miada, akory fa samby niania taminigny agnaran'i Yaveh sika vo nanao anizahoky ho: 'Yaveh ane ho eo agnevosika vo reo taranakao mandrakizay.''' Dra nisanga i Davida vo nandeha, fa Jonatana koa nihery tagny atana.