Toko faha 15

Hoy Samoela tamin'i Saoly: ''Yaveh nagniraky anahy hagnososy anao ho pazaka eo migny olony Israely. Amizao dra tenoy gny zakan'i Iaveh. 2 Izao gny zakan'i Yaveh toponigny maro: ' Fa hitako gny nataon'i Amaleka taminigny vahoakin'Israely taminigny nanohereny anazy reo tegny andala, gny fa niakasy boak'agny Egypta ereo. 3 Amizao mandehana dra tahio i Amaleka vo poteho tatereky gny hanagnan'ereo aby. Ka miaro anereo, samby vonoyna gny lahy na gny vavy, gny mota vo gny zaza, gny agnomby vo gny agnondry, vo gny rameva vo gny boriky.''' 4 napitoka gny vahoaky i Samoela vo nanisa anereo tao amigny tananan'i Telaima: lelahy nandeha atomboky ro hesy, vo lelahn'i Joba harivaraiky. 5 Boak'eo i Saoly dra avy tagny aminigny tananan'i Amaleka vo nandigny tagny an-dohasaka. 6 Dra hoy i Saoly tamireo Kenita: ''Mandehana, mela, miboaha boakao amireo Amalekita, ba sy handringa andrareo mindray amin'ereo. Fa napiseho hasoa-fagnahy tamigny Israely aby handrareo, gny izy avy tagny Egypta ereo.'' Noho zay dra niala teo amireo Amalekita reo Kenita. 7 Boak'eo dra namely an'ireo Amalekita i Saoly, hatragny Havilaha dra hatragny Sora, zay agny asignanan'i Egypta. 8 Vo nataony sambo-belo i Agaga pazakan'i Amalekita; naringany tatereky taminigny lela mesa gny vahoak'aby. 9 Fa niaro an'i Agaga, mbamin'reo agnondry, agnomby, agnombivaviny mifahy, vo zanak'agnondry soa faratapony i Saoly vo reo olo. Gny raha aby ze soa, dra sy nipotehin'ereo. Fa nipotehin'reo koa gny raha aby ze namavo vo sy misy dikany. 10 Dra avy tamin'i Samoela gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 11 Nanegnenako gny nanovako an'i Saoly ho pazaka, fa niala tamigny fagnoriha anahy izy vo sy napihasy gny didiko.''Ory i Samoela; nasiaky fatrasy tamin'i Yaveh izy nandrisy gny hariva. 12 Nifoha aloha i Samoela ba hihao amin'i Saoly gny maray. Zinaka tamin'i Samoela ho: ''Boak'agny Karmela i Saoly vo nananga sangam-bato honigny vatany, vo nitodi-doha dra nanohy nizoso nagnagny Gilgala.'' 13 Dra avy amin'i Saoly i Samoela, vo hoy Saoly taminazy ho: ''Endrey voatahin'i Yaveh hanao! Taterako gny didin'i Yaneh.'' 14 Hoy i Samoela ho: ''Ino ze fitregnanigny agnondry ao asofoko ze, vo gny fitregnanigny agnomby reko ze?'' 15 Namaly i saoly ho: ''Fa nandesin'ereo boak'amireo Amalekita zay. Fa niara reo agnondry vo gny agnomby soa faratapony reo olo, ba hanova soro ho an'i Yaveh zagnaharinao. Fa naringany tateraky gny sisa tavela.'' 16 Dra hoy i Saoly ho: ''Ligniso, dra ho zakako anao ze nizakan'i Yaveh taminahy tamigny hariva.'' dra hoy i Saoly ho: ''MIzaka!'' 17 Hoy i Saoly ho: '' Na dre kely eo imasonao avo aza hanao, moa sy natao ho lohan'ireo fokon'Israely ra hanao? Vo Yaveh nagnososy anao ho pazaka eo amin'Israely, 18 vo Yaveh nagniraky anao taminigny lalanao ho: ' Mandehana vo haringano tateraky reo panota, reo Amalekita, vo melia amin'ereo mandram-paharinganan'ereo.' 19 Nagnino hanao sy nakato gny feon'i Yaveh , fa nangalaky reo babo koa hanao vo nanao ze rasy teo amason'i yaveh?'' 20 Dra hoy i Saoly tamin'i Samoela: '' Nakato gny feon'i Yaveh vatany zaho, vo fa nandeha tamigny lala ze nagnirahan'i Yaveh anahy. Fa nisamboriko i Agaga, pazakan'i Amaleka, vo fa naringako tateraky, vo fa naringako taterako reo Amalekita. 21 Fe seky nangalaky gny ilany tamireo babo___agnondry vo agnomby, gny raha sao vatany natoka ho anigny fandrava, ba hanova soro ho an'i Yaveh zagnahartiko agny Gilgala gny olo.'' 22 Namaly i Samoela ho: ''Makasitraky gny fagnatisy oroa vo gny soro vatany ra zagnahary, manahaky gny amigny fakatoava gny feon'i Yaveh? Soa naho gny soro gny fakatoava, vo gny miteno gny soa mihoasy gny tavina'agnondry lahy. 23 Fa gny fikomia dra manahaky gny fahotanigny sikily, vo gny heriloho dra manahaky gny faharasia vo siaky. Akory fa nilavinao gny zakan'i Yaveh, dra nanda anao sy ho pazaka avo koa Izy.'' 24 Dra hoy i Saoly ho: ''Fa nanota zaho; akory nandika gny didin' i Yaveh vo reo zakanao, akory natahosy gny olo zaho vo nakato gny feon'ero. 25 Amizao, ba mamela gny heloko le, vo miheregna aminahy ba hanopoako an'i Yaveh.'' 26 Hoy i Samoela tamin'i Saoly ho: ''Sy hevery hindray aminao zaho, akory nanda gny zakan'i Yaveh hanao, vo fa nanda anao sy ho pazaka eo amigny Israely i Yaveh.' 27 Raha gny fa nitodi-doha hiala igny Samoela, dra nihazognin'i Saoly gny moron'akazony' dra nitriasy zay. 28 Hoy i Samoela taminazy: ''Fa nalan'i Yaveh hiala aminao gny fazakan' Israely androany vo fa nameny ho anigny namanao, ze soa noho hanao. 29 vo meraky, gny Tazak'iIsraely dra sy havandy na hapiova gny heviny zay; fa sy olo izy, dra hiova hevisy.'' 30 Dra hoy i Saoly ho: '' Fa nanota zaho. Fe ba omeo voninahisy eo agnatrehan'ireo loholonigny vahoaky vo eo agnatrehanigny vahoakin'Ysraely re zaho amizao. Meraha miherin'aminahy ndraiky, ba hanopoako an'i Yaveh zagnahariko.'' 31 Ko nihery naganraky an'i Saoly ndraiky i Samoela, vo nanopo an'i Yaveh i Saoly. 32 Dra hoy i Samoela ho: '' Andeso aminahy atiky i Agaga pazakan'ireo Amalekita.'' Dra nagnagny aminazy i Agaga mirohy amigny gadra-vy vo nanao anizahoky ho: ''Fa lasa vatany gny alahelonigny faty.'' 33 Namaly i Samoela ho: ''Araky gny nanovanigny mesanao reo apela ho momba, dra ho momba manahaky anizay koa gny reninao eo amireo apela.'' Dra nokapakapan'i Samoela teo agnatrehan'i Yaveh tagny Gilgala i agaga. 34 Nagna Rama agny i Samoela, vo Saoly niakasy tagny atragnony tagny Gibean'i Saoly. 35 Sy nahita an'i Saoly i Samoela hatraminigny andro nahafatesany, fa nalahelo fatrasy an'i Saoly izy. Vo nanegny i Yaveh gny aminigny nanovany an'i Saoly ho pazaka teo aminigny Siraely.