toko faha 27

1 Nizaka tao apony i Davida ho: "Ho Matinigny tagnan'i Saoly zaho gnagny gnandro agny, sy misy soa honahy afasy gny mienga magnagny amigny tanin'ireo Filistiny; sy hitalian'anahy eranigny faritaninigny Israely aby sasy i Saoly; amizay lala zay gny hengako hiala amigny tagnany." 2 Nisanga i Davida dra nandeha, izy vo reo lelahy enizato ze nindray taminazy, ho agny amin'i Akisy zanak'i Maoky, pazakan'i Gata. 3 Nony nindray tamin'i Akisy tao Gata i Davida, izy vo reo lelahiny, gny lelahy sirairay mindray amigny havany aby, dra Davida mindray amireo valiny ro, Ahinoama Jerizelita vo Abigaila Karmelit, valin'i Nabala. 4 Zinaka tamin'i Saoly fa nienga agny Gata i Davida, dra sy nitalian'anazy sasy izy. 5 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Raha nahita fitia teo imasonao zaho, aoky ereo hagnome toera ao amigny tana raiky eo amigny firenena honahy, dra hahafahako mininagny: fa nagnino gny panoponao gny hindray hitoby ao atananigny pazaka mindray aminao?" 6 Dra namen'i Akisy anazy gny andron'io Ziklaga; zay gny atony nahavy an'i Ziklaga ho anigny pazakan'i Joda nanomboky tamizay andro zay. 7 Heritao feno vo efa-bola gny isanigny andro ze ninegnan'i Davida tagny amigny tanin'ireo Filistiny. 8 Dra toera maro isakarazany gny nitafihin' Davida vo reo lelahiny, nanao fanafiha tagny Gesorita, Gizrita, voAmalekita; akory reo firenena reo dra pony tao amigny tany, raha hagnagny sora, dra hatragny amigny tany Egypta hanao. Fa nony tagny ereo faela. 9 Nanafiky gny tany Davida vo sy nisy nangany ho velo na lelahy na apela; nandesiny gny agnondriny, gny agnombiny, gny apondrany, gny rameva, vo gny fitafiany; vo nihery ho agny amin'i Akisy ndraiky izy. 10 Dra hoy i Akisy ho: "Iza gny nitafihindrareo androany?" Dra namaly i Davida ho: " Gny asimon'i Joda," na "Gny asimon'ireo Jaramelita," na "Gny asimonireo Kenita." 11 Sy nisy nangan'i Davida ho velo ba hoandesiny agny Gata na lelahy na apela, fa hoy izy ho: "Ba sy hahafahan'ereo mizaka ho: 'Manao anizao sy zao i Davida." Zay gny nataony nandrisy gny fotoan'aby nonenany tagny aminigny firenen'ireo Filistina. 12 Nino an'i Davida i Akisy dra nanao anizahoky ho: "Fa nataony ze halegnanigny Israely vahoakiny anazy tateraky; noho zay dra ho panopoko mandrakizay izy."