Toko faha 21

1 Dra avy tao Noba i Davida ba hagnety an'i Ahimeleka pisoro. Avy ba hiseza an'i Davida ami-patahora i Ahimeleka vo nizaka taminazy ho: "Nagnino hanao mitoby raiky vo sy misy mindray aminao?" 2 Hoy i Davida tamin'i Ahimeleka pisoro ho: "Nandefa anahy hagnatateraky iraky gny pazaka vo nizaka taminahy ho: 'Ka anga hisy hahafatasy na ino na ino momba gny raharaha ze hagnirahako anao, vo ze handidiako anao.' Nanoro lala reo tovolahy ho agny amigny toera raiky zaho. 3 Ko ino moa gny atagnanao zao? Meo mofo dimy zaho, na ze misy ato." 4 Namaly an'i Davida gny pisoro dra nanao anizahoky ho: "Sy misy mofo sotra eto atagnako, fa misy mofa masy___ raha nahatandri-tegna tamigny apela reo tovolahy." 5 Davida namaly anigny pisoro nanao anizahoky ho: "Nahatandri-tegna tamigny apela vatany zahay nandrisy reo telo andro lasa, manahaky gny fanova isaky gny mandeha zaho. Fa natoka gny fanagnan'ireo lelahy reo na dre ho amireo iraky sotra aza. Maiky aza voatoka ze hanagnan'ereo amizao!" 6 KO dra nagnome anazy gny mofo ze voatoka gny pisoro. Fa sy nisy mofo afa-sy gny mofanigny masy tao, ze fa nala teo agnatrehan'i Yaveh, ba hanobia mofo vaovao eo amigny toeran'izay tamigny andro nandroahan'anazy. 7 Dra gny raiky tamireo panopon'i Saoly ze tagny amizay andro zay, dra voata teo agnatrehan'i Yaveh. Doega Edomita gny agnarany, lahiben'ireo perakandron'i Saoly. 8 Dra hoy Davida tamin'i Ahimeleka ho: "Sy misy lefa na mesa azo apesa ra gnaminao ao? Fa sy nafinday zaha na gny mesako na reo fitova feliako taminah'etiky, akory ny meky vatany gny raharahanigny pazaka." 9 Hoy gny Filistina, ze nivononao tagny amigny Lohasakan'i Elaha , ze mifogno lamba ao ambalikigny efoda gny ato. Raha tianao ala zay, dra alao, fa sy misy fitova felia hafa gnato.'' Hoy i Davida ho: "Sy misy mesa manahaky anizay raiky zay; ameo anahy zay." 10 Dra nisanga i Davida vo nienga an'i Saoly tamizay andro zay dra nagnagny amin'i Akisa, pazakan'i Gata. 11 Reo panopon'i Akisa nizaka taminazy ho: "Sy i Davida, gny pazakanigny tany ra ty? Sy tiky gny nifapihirahiran'ero tamigny sizaky ho: 'Saoly namono agn'arivony, vo Davida namono agn'aliny'?" 12 Nataon'i Davida a-po zay zaka zay dra natahosy fatrasy an'i Akisa, pazakan'i Gata izy. 13 Nagnova gny fihesiny teo agnatrehan'ereo izy dra nataony sary very say teo atagnan'ereo; nanorasorasy teo amigny lela vavahady izy vo nangany hisororoky teo amigny volom-bavany gny raniniviny. 14 Boak'eo dra hoy i Akisa tamireo panopony ho: "Ingo, hitandrareo fa very say i ralelahy. Nagnino gny nandesindrareo teo aminahy izy? 15 Sy apy olo mola vasa zaha, gny nandesinereo aminahy io ba hanao fihesiky manahaky anizao eto agnatrehako? Hilisy ao atragnoko vatany ra io havan'io?"