Toko faha 19

1 Vo Saoly nizaka tamin'i Jonatana zanadahiny vo tamireo panopony gny tokony hamonoan'anereo an'i Davida. Kanefa i Jonatana, Zanak'i Saoly, dra tia an'i Davida fatrasy. 2 Dra hoy i Jonatana tamin'i Davida: ''Te hamono anao i Saoly rako. Noho zay dra membena amigny maray vo mivonia amigny toera mangingina. 3 Zaho hiboaky hisangan'eo agnilanigny rako eo amigny saka ze misy anao, vo hizaka momba anao amigny rako zaho. Raha mahafatasy raha zaho, dra ho zakako aminao.'' 4 Nizaka soa momba an'i Davida tamin'i Saoly rany i Jonatana dra hoy izy taminazy: ''Aoky sy hanota amin'i Davida panopony gny pazaka. Fa sy nanota taminao izy, vo ninday soa honao reo asany. 5 Fa izy fa nanao gny ainy sy ho raha dra namono gny Filistina. Yaveh fa ninday fandrese lahibe hon'i Israely aby. Nahita anizay hanao dra faly. Nagnino gny hanota hanohisy gny lio sy manasigny amigny famonoa an'i Davida sy ahasy nagninop hanao?" 6 Niteno an'i Jonatana i Saoly. Dra ninia ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra sy hovono izy." 7 Dra nitoka an'i Davida i Jonatana, vo nizakany tamin'i Davida ze raha aby ze. Nandesin'i Jonatana tagny amin'i Saoly i Davida, vo teo amigny fagnatrehany manahaky gny teo aloha ndraiky izy. 8 Vo nisy aby ndraiky, dra niboaky hialy aminigny Filistiny i Davida dra nandresy anazy reo tamigny famonoa lahibe. 9 Avy tamin'i Saoly gny fagnahy rasy boak'amin'i Yaveh raha nitoby tao atragnony nindray tamigny lefo tegny atagnany izy, dra raha nitendry raha magneno igny i Davida. 10 Vo i Saoly nagnandra nikendry an'i Davida teo amigny rindry tamigny lefony, kanefa nienga gny fagnatrehan'i Saoly izy, dra nasaton' i Saoly teo amigny rindry gny lefo. Nienga i Davida vo Nahafaky nienga tamigny hariva igny. 11 Nandefa iraky tagny atragnon'i Davida ba hagnety anazy ba hahafahany mamono anazy i Saoly gny mary. Mikala, valin'i Davida, nizaka anazy ho: ''Raha sy mamozy gny ainao amihariva zahoky hanao, dra hovono hanao maraindray." 12 Nangan'i Mikala hizoso teo amigny vatrangara kely i Davida. Dra lasa izy vo nienga. 13 Nangalaky sapy tao atragnony i Mikala dra nanoby anizay teo apandria. Vo nangalaky onda volon'osy izy dra natobiny teo amigny lohany, vo nirakofany akazo zay. 14 Raha nandefa iraky ba hangalaky an'i Davida i Saoly, dra hoy izy ho: ''Marary izy.'' 15 Dra nandefa iraky ba hagnety an'i Davida ndraiky i Saoly, dra hoy izy: ''Andeso hiakasy atiky aminahy amigny fandria izy, ba hahafahako mamono anazy 16 Raha nidiay reo iraky, ingo, gny sapy zay tao atragno gny teo apandria mindray amigny onda volon'osy eo amigny lohany. 17 Dra hoy i Saoly tamin'i Mikala: '' Nagnino namitaky anahy hanao dra namely gny fahavaloko handeha, dra afaky nienga izy?" Mikala namaly an'i Saoly ho: "Hoy izy taminahy, 'Angao zaho handeha. Nagnino zaho gny hamono anao?''' 18 Dra gny fa nahafaky nienga i Davida,Dra nagnamin'i Samoela a Rama agny dra nizaka taminazy gny raha ze nataon'i Saoly taminazy. Dra nandeha izy vo i Samoela dra nitoby tagny Naiota. 19 Nisy nitalily tamin'i Saoly zay, manao anizahoky ho: ''Ingo, ao Naiota agny Rama i Davida." 20 Dra nandefa iraky hanambosy an'i Davida i Saoly. Raha nahita gny namanigny paminany ereo, vo Samoela nizoro ho lahiben'ero, gny fagnahin'Agnahary avy tamigny irak'i Saoly, dra naminany koa ereo. 21 Gny fa nizaka anizay i Saoly, dra nandefa iraky izy, vo naminany avo koa ereo. Vo nandefa iraky fagnitelony ndraiky i Saoly, dra naminany avo koa reo. 22 Dra nagnagny Rama koa izy vo avy teo amigny lavan-drano tao Seko. Nagnotany izy ho: " Eza i Samoela vi i Davida?" Nisy olo nizaka ho: " Ingo, ao Naiota agny Rama ereo." 23 Nagnagny Naiota angy Rama i Saoly. Dra avy tao amibazy koa gny fagnahin'i Yaveh, dra naminany tegny apandehana mandrapahaviany tagny Naiota tagny Rama izy. 24 Nangalaky gny akazony izy vo naminany teo agnatrehan'i Samoela. Nita nandrisy gny andro vo gny hariva aby izy. Zay gny atony nagnotanian'ereo ho: "Agnisanigny paminany koa ra i Saoly?"