Toko faha 17

1 Vo reo Filistina namory reo tafik'ereo hialy. Nivory teo Soko, zay an'i Joda ereo. Nitoby teo agnelagnelan'i Soko vo Azeka, tao Efesa-damima ereo. 2 I Saoly vo reo lelahin' Israely dra nivory vo nitoby tao amigny Lohakan'i Elah, vo nandamy gny filaharan'ereo amigny aly ba hifanifasy amireo Filistina. 3 Nisanga teo agnabom-bohisy egny apita reo Filistina, vo gny Israely nisanga teo agnabom-bohisy egny apita vo lohasaka gny nagnelagnelan'enereo. 4 Lelahy pazaka raiky gny niboaky boakao aminigny tobin'reo Filistina, lelahy raiky atao ho Goliata boak'agny Gata, zay enina hakiho vo zehy raiky gny halavany. 5 Nanao satroky fiaron'doha varahy teo amigny lohany izy, vo nekazo fiaro tratra. Varahy dimy arivo sekely gny lazanigny akazo. 6 Nanao ferovan'drandro varahy vo lefo varahy teo agnelagnelanigny sorony izy. 7 Lahibe gny zaran'defony, miarak'amigny taly volombaloina fagnaria'anazy manahaky gny taly eo amigny foro'tehiny pagnenona. gny lohanigny lefony dra vy milaza sekely enizato. Nandeha teo aloha ny gny pinday apingany. 8 Nisanga izy vo nikioky fatraasy tamireo filahiranign'Israely: ''Nagnino handrareo avy dra hilasaky hilahasy hialy? Moa sy Filistina ra zaho, vo handrareo panopon'i Saoly? Misafidina lelahy raiky amindrareo vo aok'izy hizoso aminah'etiky. 9 Raha mahay mialy aminahy vo mahavono anahy izy, dra ho panopondrareo zahay. Fa raha mandresy anazy vo mahavono anazy zaho, dra ho panoponay handrareo vo hisa ho anay.'' 10 Dra hoy ndraiky gny Filistina ho: ''Manao fanamby amireo filaharan'Israely zaho androany. Omeo lelahy raiky zaho ba ho afaky hindray hialy zahay.'' 11 Gny fa nahare anizay zakany Filistina zay i Saoly vo gny Israely aby dra kivy ereo, vo natahosy fatrasy. 12 Vo i Davida dra zanadahiny Efratita boak'agny Betlehema ao Joda, i jese gny agnarany. Nanagnanaky lelahy valo izy. Jese dra fa lelahy atisy tamigny andron'i Saoly,tena atisy vatany teo amireo lelahy izy. 13 Reo zokiny telo amireo zanadahin'i Jese dra naganraky an'i Saoly tagny amigny aly. Gny agnaran'ireo zanadahiny telo ze nagnagny amigny aly reo dra i Eliaba gny lahimatoa, faharo magnarak'anazy i Abinadaba, vo i Sama gny kahatelo. 14 Davida gny zainy farany. Reo telo zokiny ndrindra gny nignaraky an'i Saoly. 15 Vo i Davida dra nandroso sy nivery teo amigny tafik'i Saoly vo reo agnondrinigny babany tao Betlehema, ba hamahananan'ero. 16 maray sy hariva nandrisy gny efapolo andro gny lelahy Filistina matazaky gny avy nagnariny ba hanolosy gny vatany ho amigny aly. 17 Dra hoy i Jese tamin'i Davida zanany ho: "Mangala raiky efaha amity vary voatendry ty vo mofo folo tahoky ito ho an'reo rahalahinao, vo andeso malaky agny amigny tobin'ireo rahalahinao tehoky. 18 Andeso agny amigny kapitenin'ireo arivo avo koa tahoky fromazy folo tahoky. Atio vasa manao akory reo rahalahinao vo mandesa porofo miherin'atiky fa sy magnino ereo. 19 Mindray amin'i Saoly vo reo lelehin'Israely aby agny amigny lohasakan'i Elsha, mialy amireo Filistina reo rahalahinao.'' 20 Nifoha aloha i Davida gny maraindray vo nagnenga reo agnondry aman'osiny nikarakaranigny piarak'agnondry raiky. Nangalaky reo fitova izy vo lasa, araky gny nandidian'i Jese anazy. Avy teo amigny toby izy gny fa niboaky teo amigny sahan'aly ba hihiak'aly igny gny tafiky. 21 Boak'eo dra nilahasy gny Israely vo reo Filistiny, aly manohisy aly. 22 Nagne reo fanagnany tamigny pita reo fitova izy, nihazakazaky nagnagny amigny tafiky, vo nihao tamireo rahalahiny. 23 Raha igny nizaka tamin'ereo igny izy, gny lelahy matazaky, gny Filistina boak'agny Gata, tokavy ho: Goliata, dra niboaky boak'ao amigny laharan'ireo Filistina, dra nizaka reo zaka ze fa nizakany teo aloha, dra ren'i Davida izy reo. 24 Gny fa nahita gny lelahy reo olon'Israely aby, niengan'azy vo natahosy vatany anereo. 25 Reo lelahin'Israely nizaka ho: ''Hitandrareo ra lelahy miakasy drihoky? Avy ba hihasy gny Israely izy. Hagnome hanagnam-be anize mamono anazy gny pazaka, vo hagnome anazy gny zanakapelany ho valy izy, vo hagnafaky gny hava-drany amigny fandoava-ketra ao Israely.'' 26 Hoy i Davida tamireo lelahy ze nisanga teo agnilany: ''Ino gny hatao ho anigny lelahy ze mamono ty Filistiny ty vo hangala baraka amin'Israely? Iza ty Filistina sy voafora ty gny mihasy an'ireo tafiky gny zagnahary velo?'' 27 Dra naherinigny olo ze fa nizakan'ereo vo nizaka taminazy izy ho: ''Dra manahaky anizay avo koa gny atao ho anigny lelahy ze mamono anazy.'' 28 Nahare anazy nizaka tamin'ireo lelahy i Eliaba zokiny lahimatoa. Dra nirehisy tamin'i Davida gny haorian'i Eliaba, dra hoy izy: ''Nagnino hanao gny mizoso etiky?'' Iza gny nagnenganao an'ireo agnondry keliky agny agnefitragno? Fataso gny avognavo vo gny sopasy ao agnatinigny fonao; fa boak'anizoso tetiky hanao ba hahita gny aly.'' 29 Hoy i Davida: ''Ino zao gny nataoko?'' 30 Niala teo aminazy nagnagny amigny hafa izy, vo nizaka manahaky anizay avo koa. Dra namaly manahaky gny teo avo koa gny olo. 31 Gny fa re reo zaka ze nizakan'i Davida, dra nagneryin'anizay tamin'i Saoly reo maramila; vo napagniraky ho an'i Davida izy. 32 Boak'eo dra hoy Davida tamin'i Saoly: '' Aoka sy hisy lelahy ho ketraky noho io Filistina io gny fony; gny panoponao dra handeha vo hialy amin'io Filistina io.'' 33 hoy i Saoly tamin'i Davida: '' Sy afaky handeha hanohisy an'io Filistina io vomereky hialy aminazy hanao; vo izy dra lelahin'aly nanomboky taminigny fahatanorany.'' 34 Fa hoy i Davida tamin'i Saoly: ''Fa zasy niarakandronigny babany gny panoponao. Gny fa avy vo mangalaky zanak'agnondry amigny agnodry gny liona na bera, 35 dra nagneziky anizay vo namaly anizay zaho, vo naganvosy anizay boak'ao amigny vavany. Gny fa nisanga hanohisy anahy izy, dra trasiko tamigny volombavany, nasiko izy, vo matiko. 36 Nahafaty liona vo bera gny panoponao. Vo io Filistina sy mifora io dra hanahaky gny raiky amireo, akory nihasy reo tafiky gny Zagnahary velon' izy.'' 37 Hoy i Davida: ''Nagnavosy anahy tamigny tomboky gny liona vo gny tomboky gny bera i Yaveh. Hagnavosy anahy amigny tagnan'io Filistina io Izy.''Dra hoy i Saoly tamin'i Davida.'' 38 Napekazon'i Saoly tamigny akazo felia i Davida. Natobiny teo amigny lohany gny satroky fiaron-doha varahy, vo napekazony akazo ferova-tratra izy. 39 Namehy gny mesany tamigny akazo feliany i Davida. Fa sy afaky namindra izy, akory bo sy nifany taminigny. Dra hoy i Davida tamin'i Saoly: '' Sy afaky hiboaky hialy miaraky aminitahoky zaho, akory bo sy nifany tamitahoky zaho.'' Ko nalan'i Davida reo. 40 Nalany tegny atagnany gny tehy vo nifaty vato malama dimy boak'ao amigny lohasakan-driaky izy, vo natobiny tao amigny kitapony fenbenanagnondry reo. Tegny atagnany gny asamotaliny gny fa nagnato gny Filistina izy. 41 Avy dra nagnaton'an'i Davida gny Filistina, vo alohany gny pinday gny apinga. 42 Gny fa nagnety gny magnodidy dra nahita an'i Davida gny Filistina, dra nano sinosino anazy, akory dra bo zaza izy, mena volo, vo soa endriky. 43 Dra hoy gny Filistina tamin'i Davida: '' Amboa ra zaho, gny avy mindray amigny hazo eto aminahy hanao?,'' vo nagnozo an'i Davida tamireo zagnahariny gny Filistiny. 44 Hoy gny Filistina tamin'i Davida: '' Mandehana aminahy eto, dra homeko ho an'ireo voron'egny an-dagnisy vo hon'ireo bibimola agny agnahisy gny nofonao.'' 45 Namaly gny Filistina i Davida ho: ''Avy eto aminahy meraky amigny mesa, vo lefo hanao. Fa zaho avy eo aminao amigny agnara'i Yaveh toponigny maro, gny Zagnahariny gny Tafik'israely, zay nihasihinao. 46 Amizao dra hagnome anahy gny fandrese anao i Yaveh, dra hamono anao zaho vo hangala gny lohanao amigny vatanao. Amizao dra hagnome gny fatinigny Filistina hon'ireo voron' egny andagnisy vo hon'ireo bibimola eto atany zaho, ba hahafataranigny tany aby fa misy zagnahary ao Israely, 47 vo hahafataran'ireo voron'aby reo fa i Yaveh dra sy magnome fandrese amigny mesa na lefo. Fa an'i Yaveh gny aly, dra hanolosy andrareo eo atagnanay iz.'' 48 Gny fa nisanga vo nagnaton'an'i Davida gny Filistina, dra nihazakazaky malaky nagnegny amigny tafiky fahavalo i Davida ba hisena anazy. 49 Napiliriny tao agnatinigny kitapony gny tagnany, nangalaky vato boak'ao izy, nalefany tamigny asamotaly zay, dra hagnavao anigny Filistina teo amigny handriny. Niletiky tao amigny handrinigny Filistina gny vato, dra nilavo tamigny tavany teo amigny tany izy 50 Resin'i Davida tamigny asamotaly vo vato gny Filistina. Vanigny gny Filistina dra mety. Sy nisy mesa tegny atagnan'i Davida. 51 Boak'eo dra nihazakazaky i Davida dra nisanga teo agnabonigny Filistina vo nangalaky gny mesa, namoaky anizay boak'ao amigny tragnony, namono anazy, vo nanapaky gny lohany tamizay. Gny fa hitan'ireo Filistina fa maty gny lelahy matazak'ereo, dra nienga ereo. 52 Boak'eo dra nisanga sady nikioky reo lelehin'Israely vo Joda, vo nagnitry reo Filistina hatragny amigny lohasaka vo reovavahadin'i Ekrona. Reo Filistina maty dra nandry teo amigny lala magna Saraima, vo gny lalan'aby magnagny Gata vo Ekrona. 53 Nihery tamigny fagnezeha reo Filistina gny olon'Israely, vo nanola gny tobin'ereo. 54 Nalan'i Davida gny lohonigny Filistina vo nandesiny tagny Jerosalema zay, fa gny akozo feliany dra natobiny tao amigny lainy. 55 Gny fa nahita an'i Davida niboaky nanohisy anigny Filistina i Saoly, dra hoy izy tamin'i Abnera, kapiteninigny tafiky: "Ry Abnera, zanak'iza tovolahy ihoky?" Dra hoy i Abnera: "Raha bo velo koa hanao, ry pazaka, dra sy fatako" 56 Gny pazaka nizaka ho: "Agnotanio reo ze mety mahay, ho zanak'iza io zazalahy io." 57 Gny fa nihery boak'agny amigny famonoa gny Filistiny i Davida, dra nangalak'anazy teo agnatrehan'i Saoly nindray tamigny lohanigny Filistina tegny atagnany. 58 Hoy i saoly tamigny: "Zanak'iza hanao, vo tovolahy?" Namaly i Davida ho: ''Zanak'i Jese Betlehemita panoponao zaho."