Toko faha 11

1 boak'eo Nahasa Amonita nandeha vo nitiby tagny jabesi-Gileada. Hoy gny olon' i Jabesy aby taminign'i Nahasy ho: '' Manova fagneke mindry aminay, dra hanopo andrareo zahay,.'' 2 Dra namaly i Nahasy Amonita ho: '' Amizao fepetra zao gny hanovako fifagneke amindrareo, dra gny hiposehako gny maso akavanandrareo aby, vo ze fomba handesa fahafaham-baraka eo amin'Israely.'' 3 Vo gny loholon'i Jabesy namaly anazy ho: ''Angao raiky mandrisy gny fito andro zahay, ba hahafahanay mandefa iraky magnagny amigny fari-tanin'Israely aby. Vo, gny sy misy dre raiky aza hamozy anay, dra hitolo-bata amindrareo zahay.'' 4 Dra avy tagny Gibea, zay nitobohan'i Saoly reo iraky, vo nizaka anizay raha nitranga tamigny vahoaky. Dra nitomagny fatrasy gny vahoaky aby. 5 Vo nindray amigny agnomby boakagnahisy agny i Saoly. Hoy i Saoly: ''Ino gny mahazo anireo vahoaky dra mapitomagny anereo io?'' Dra nizeakanereo tamin'i Saoly ze nizakanigny lelahin'i Jabesy. 6 Gny fa niren'i Saoly zay nizakan'ereo, dra nilasaky teo aminazy gny Fagnahin'agnahary, dra ory faratapony izy. 7 Nangalaky ziogan'agnomby raiky, dra nikapakapahiny, vo nalefany nagnera any Israely aby nindray tamireo iraky reo. Hoy izy: ''Ze sy hiboaky hignoriky an'i Saoly vo Samoela, dra manahaky anigny gny hanova gny agnombiny.'' Dra nilasaky tamigny vahoaky gny horohoron'i Yaveh, dra nindray niboaky mitivy amigny olo raiky ereo. 8 Gny fa namory anereo tagny Bezeka izy, dra nisy telo hesy gny vahoakin'Israely, vo gny olonigny Joda dra telo hariva. 9 Hoy ereo tamireo iraky ze avy: ''Hizaka amigny olonigny Jabesi-Gileada handrareo ho: 'Maraindray, amigny fotoa miboa-mahasoandro, dra ho voavozy handrareo.''' KO nandeha gny iraky vo nizaka tamigny olon'i Jabesy, vo nifaly ereo. 10 Dra hoy gny olon'i Jabesy tamin'i Nahasy: ''Hinolo-bata aminao zahay maraindray, dra afaky ataonao aminazy ze hitanao fa mety aminao.'' 11 Gny maray dra natobin'i Saoly tao agnaty vondro telo gny vahoaky. Dra nagneo agnevonigny toby tamigny fembena marary ereo, vo nanafiky ereo vo naharesy reo Amonita mandra-pahama gny andro. Reo ze bo velo dra naely, ba sy hisianigny ro tavela. 12 Dra hoy gny vahoaky tamin'i Samoela: ''Iza gny nizaka ho: 'hazaka eto amisika ra i Saoly?' Andeso reo olo, ba hahafahasika mamono anereo.'' 13 Fa hoy i Saoly: ''Aoka ba sy hisy ho maty dreraiky amity andro ty, akory nagnavosy an'Israely Yaveh androany.'' 14 Boak'eo dra hoy i Samoela tamigny vahoaky: ''ndao, handeha sika handeha agny Gilgala vo hagnavao gny fazaka agny ndraiky.'' 15 ko nandeha tagny Gilgala gny vahoaky aby vo nanao an'i Saoly ho pazaka teo agnatrehan'i Yaveh tagny Gilgala. Tagny gny nanovan'ereo soro fagnati-pihavana teo agnatrehan'i Yaveh dra feno hafalia tateraky.