Toko 1

1 Nisy lelshy raiky boak'ao Ramataima an'i Zefotita, tany havoanigny Efraima; gny agnarany dra Elkana zanadahin'i Jeroama Zanadahin'i Eliho zanadahin'i Toho zanadahin'i Zofa, gny Efraimita. 2 Nana valy ro izy, gny volohany dra i Hana, dra gny agnaranigny faharo dra i Penina. Nanagnanaky o Penina, fa i Hana sy nanagnanaky. 3 Io lelahy io dra isatao gny niala boak'agny aminigny tanany ba hanopo vo hanao soro ho an'i Yaveh toponigny maro ao Silo. Tao reo zanak'i Ely ro lahy, Ofnia vo Finehasa, pisoron'i Yaveh. 4 Gny fa avy gny azara andro hanovan'i Elkana soro isatao, dra nognome hena apahany an'i Penina valiny lalandava izy, dra hon'ireo zanadahiny vo reo zanany apela aby. 5 Fa ho an'i Hana koa dra apahany ro avo gny nameny anazy, akory tiany i Hana, na dre fanataon'i Yaveh momba aza izy. 6 Nihasy anazy fatrasy gny rafivaviny ba haharangisy anazy, akory Yaveh nahamomba anazy. 7 Dra isatoana, rehefa niakasy tagny an- tragnon'i Yaveh izy mbamin'ny fianakaviany, dra nihatsy anazy hatragny gny rafivaviny. Noho izay dra nitomagny vo nihina na ino na ino izy. 8 Fa i Elkana valiny nizaka taminazy mandrakariva ho: '' hana, nanaoakory hanao gny mitomagny? nanaoakory hanao gny sy misakafo? nanaoakory gny fonao gny malahelo? sy soa aminao nohony gny zanaky lahy folo se zaho? 9 Indray madeha, dra niainga i hana rehefa avy nihina vo nino tao silo izy ereo. vo ela pisoro nipetraky teo amigny sezany teo agnilany vavahadin'ny tepolin'i Yaveh. 10 Ory tanterana ze; nivavaky tamigny Yaveh izy ary nitomagny fatrasy. 11 Nanao voady izy vo nanao ho: ''ry Yaveh tompon'ny maro, raha hitaniha gny fahorian' ny mpanomponao dra sarovy zaho, ary ka haligno gny mpanomponao, faomeo zanaky lelahy kosa gny mpanompona, dra ho meko an'i Yaveh ze amigny androm-piaignany aby,ary sy hisy hareza hikasiky gny lohany.'' 12 Dra raha bo nanohy nivavaky teo agnatrehan'i Yaveh, dra natian'i Ely gny vavany. 13 Nizaka tao apony i Hana. Nihesikesiky gny vavany, saingy sy re gny feony. Dra nieriserisy i Ely fa mamo izy. 14 Dra hoy i Ely taminazy: "Hafiria hanao gny ho mamo? Mela aminigny divainao." 15 Hana namaly ho: "Aha topoko, apela ory fagnahy zaho. Sy nino zaho na divay na raha mahamamo, fa mamoraky gny ato agnatiky eto agnatrehan'i Yaveh zaho. 16 Ka havery ho apela simanak'egnasy gny panoponao; nizaka taminigny habenigny fahoriako vo gny fihasia anahy zaho." 17 Dra Ely namaly dra nanao anizahoky ho: "Mandehana moramora; Zagnaharin'Israely anie hamaly gny fangataha ze nangatahinao taminazy." 18 Hoy rapela: "Aoky hahita sitraky eo imasonao gny panoponao." Dra nandeha taminigny lalany rapela dra nihina; sy nalahelo sasy gny endriny. 19 Nandeha vo mangirandrasy ereo dra nonopo teo agnatrehan'i Yaveh, dra nihery tagny atragnony tagny Rama ndraiky ereo boak'eo. Nindray nandry tamin'i Hana valiny i Elkana, dra Yaveh nahasiaro anazy. 20 Gny fa avy gny fotoa, dra nitoe-zaza i Hana dra niteraky zaza lelahy. Nanao gny agnarany ho: Samoela izy, nanao anizahoky ho: "Akory boak'amin'i Yaveh gny nangatahako anazy." 21 Elkana vo reo akohonany aby dra niakasy ndraiky ba hanolosy gny soro isatao ho an'i Yaveh dra nagnefa gny voadiny. 22 Fa i Hana koa sy nandeha; fa nizaka taminigny valiny izy ho: "Sy handeha zaho mandra-pegnenany nono ty zaza ty; dra handesiko izy, ba hahafahany miseho eo agnatrehan'i Yaveh dra hitoby agny mandrakizay." 23 Hoy i Elkana valiny taminazy ho: "Atovy ze hitanao fa mety aminao. Mandignisa mandra fapisaraha nono anazy; saingy, Yaveh avo anie gny hagnafatrasy gny vatany." Dra nizano rapela dra niteza gny zanadahiny mandra fegnenany nono 24 Gny fa napegneniny nono izy, dra nandesiny nindray taminazy, nindray taminigny zanak'agnomby telo taoraiky, sakafo raiky efaha, dra botela divay raiky, dra nandesiny tao atragnon'i Yaveh tao Silo izy. Dra bo masaiky gny zaza igny. 25 Nivonon'ereo gny zanak'agnomby, dra nandesiny tagny amin'i Ely gny zaza. 26 Hoy izy ho: "O, ry topoko! Raha bo velo koa hanao, ry topoko, zaho gny apela ze nizoro teo agnilanao nivavaky tamin'i Yaveh. 27 Fa ty zaza tihoky gny nivavahako dra namen'i Yaveh anahy gny fangataha ze nangatahiko taminazy. 28 Fa nameko an'Yaveh izy, raha bo velo koa izy dra hatolosy an'i Yaveh." Dra nanopo an'i Yaveh teo izy.