Toko faha 22

1 Die nabôkan'ny anjely anahy ny onin'ny ranon'ny fiainana, madio hôtra ny vatosoa. Ijany die mikoriana laha tagny amin'ny seza fiandranan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry 2 mamakivaky eo afovôn'ny lalan'ny tanàna. Die ny andaniny roa amin'ny ony die samy misy ny hazon'ny fiainana, mamoa karazany voa roa ambin'ny folo, die ijany die mamoa ny vôny isam-bolagna. Ny ravin'ijany hazo ijany die natao hagnafahana ny firenana manontolo. 3 Ka tsy hisy koa ny vôhozogna. Ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry die ho ao amin'ny tanàna, die ny mpanompony die hanompo Anajy. 4 Hahita ny Tarehiny an'dreo, die ny Agnarany die ho eo amin'ny handrignan'dreo. 5 Ka tsy hisy aligna koa; an'dreo die tsy mila fahazavan'ny jiro na masoandro koa satria ny Tompo Andriamanitre no hazava eo amin'dreo. Die hanjaka mandrakizay doria an'dreo. 6 Hoy ny anjely taminahy: ''Ny jaka ireo die ajo atokisana sy marina. Ny tompo, ny Andriamanitr'ireo fanahin'ny mpaminany, die nandefa ny anjeliny mba hampiseho ijay raha tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'ny mpanompony.'' 7 Indro! Efa marivo ny feviako! Tretrike ijay mankàto ny jakan'ny faminaniana amin'itoy boky toy.'' 8 Iaho, Jaona, ny raike ijay naharegny sy nahita ny raha reo. Rehefa naharegny s'y nahita ijany iaho, die nenkohoke teo amin'ny tongotrin'ny anjely ny tenako mba hidera ajy, ny anjely ijay nagnabôke anahy ny raha reo. 9 Hoy ijy taminahy: ''Aza manao ijany! Fa mpanompo akamanao miarake aminao iaho, miarake amin'ny mpaminany rahalahinao, die miarake amin'ny ijay mankàto ny jakan'itoy boky toy. Miderà an'Andriamanitre!'' 10 Hoy ijy taminahy: ''Aja asena tombo-kase ny jakan'ny faminaniana amin'toy boky toy, fa antomotre ny fotoagna. 11 Ijay manao ny tsy mety, apetraho ijy hanohy ny tsy fahamarinana. Ijay maloto fiainana, apetraho ijy hanohy ny fiainany maloto. Ijay marina, apetraho ijy hanohy ny fanaovana ny marina. Ijay masina, apetraho ijy hanohy ny fahamasinan.'' 12 ''Indro! Efa marivo ny feviko. Ny valisoako die miarake aminahy, mba hamaliako ny kiraidraike arake ny raha-vitany. 13 Iaho no Alfa sy Omega , ny vôlohany sy ny farany, ny fanombohana sy ny fiafarana. 14 Tretrike ny ijay manasa ny ankanjon'dreo mba hahazo alalagna mihinagna laha tamin'ny hazon'ny fiainana sy hiditre ao amin'ny tanàna laha teo amin'ny vavahady. (Fagnamarihana: Raha tokony: ''Tretrike ny ijay manasa ny ankanjon'ndreo.'' Ny antontan-taratasy hafa taloha die mivaky hoe: ''Tretrike ny ijay manao ny didiny.'') 15 Fa agny ivelany ny amboa, ny mpanao ody, ny mpijangajanga, ny mpamono olo, ny mpanompo sampy, die ijay manontolo tia mivandy sy ny mivandy. 16 Iaho, Jesôsy, die nandefa ny anjeliko mba hagnambara aminareo ny raha ho an'ny fiangonana. Iaho no fotorany sy taranak'i Davida, ny kintagna mamirapiratre maraigna.'' 17 Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: ''Malaky!'' Ôka ijay maheregny hijaka hoe: ''Malaky!'' Na ija na ija mangetaheta, oôka ijy hagnatogna , die na ija na ija magniry, ijany, ôka ijy hahazo maimaim- pôna ny ranon'ny fiainana. 18 Iaho die magnambara amin'ijay aby maharegny ny jakan'ny faminanaiana amin'itoy boky toy: ''Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hagnampy loza ho ajy ijay vôsoratre ao amin'toy boky toy. 19 Raha misy mangala ny teny faminaina amin'toy boky itoy, Andriamanitra die hangala ny anjarany amin'ny hajon'ny fiainana sy ny tanàna masina ijay vôsoratre ao anatin'toy boky itoy.'' (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha die mivaky hoe: ''Andriamanitra hangala ny anjarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana die ao amin'ny tanàna masina ijay vôsoratre ao amin'toy boky toy.'') 20 Hoy ny raike ijay magnabara ny raha ireo: ''Eka! Efa marivo ny feveko.'' Amena! Mevia, ry Tompo Jesôsy! 21 Ho amin'olo aby anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesôsy. Amena.