Toko faha 21

1 Avy eo iaho nahita lagnitra vaovao sy tany vaovao, fa fôgna ny lagnitra vôlohany sy ny tany vôlohany, ary tsy nisy koa ny ranomasina. 2 Hitako ilay tanàna masina, Jerosalema vaovao, ijay nijotso avy agny an-dagnitra avy amin'Andriamanitra, vôomana hôtrin'ny ny akarina ampihengoana ho an'ny vadiny. 3 Naharegne feo mahare avy agny amin'ny seja fiandriagnana iaho magnano hoe: '' Indro! Eo amin'ny olo ny toeran' ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaigna miaraka amin-dreo ijy. Ho olony areo, ary Andriamanitra tegnany hiaraka amin-dreo ary Ijy ho Andriamanitran-dreo. 4 Hamafa ny ranomaso abiaby amin'ny mason-dreo Ijy, ary tsy hisy fahafatesana koa, na alahelo, na tagny, na fanaintaignana. Efa lasa ireo raha teo aloha 5 Ilay raike ijay nidoboke teo amin'ny seja fiandriagnana nijaka hoe:'' Indro! Nataoko vaovao ny raha abiaby.'' Hoy Ijy: ''Soraty ijao satria ireto teny ireto die mahatoky sy marina. 6 Hoy Ijy tamin'ahy hoe:'' Efa vita ireo raha ireo! Iaho no Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana. ijay mangetaheta die homeko ho sotroina maimaim-poana avy amin'ny loharan on'ny fiaignana. 7 Ijay mandresy die handova ireo raha ireo, ary iaho no ho Andriamaniny, ary ijy ho janako. 8 Fa ireo osa, tsy manam-pinoana, maharikoriko, mpamono olom, mpijangajanga, mpanao ody, mpanompo sampy, mpivande, die any amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran-dreo. Ijany no fahafatesana faharoe.'' 9 Nagnatogna an'ahy ny raike tamin'ireo anjely fito, ilay raike ijay nanagna ireo lovia fito feno loja fito farany, ary hoy ijy hoe:" Avy ety. Ho atoroko anao ilay akarina, ilay vadin'ny Janak'ondry.'' 10 Avy eo die nandôsiny tamin'ny Fanahy tagny amin'ny tendrommbohitra agnambo iaho ary nabokany an'ahy ilay Jerosalema tanàna masina mijotso avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra. 11 Nanagna ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany die hôtrin'ny vato majava sarobidy, hôtrin'ny vato kristalina jaspy madio. 12 Nanana rindrigna agnambo lehibe niaraka tamin'ny vavahady roa ambin'ny folo ijany, niaraka tamin'ny anjely roa ambin'ny folo teo amin'ireo vavahady. Teo amin'ireo vavahady no vôsoratra ny agnaran'ireo foko roa ambin'ny folon'ny janak'Isiraely. 13 Nisy vavahady telo antsinanana, vavahady telo atsimo, ary vavahady telo andrefana. 14 Nanagna fototra roa ambin'ny folo ny rindrin'ilay tanàna, ary teo amin'ireo no nisy ireo agnarana roa ambin'ny folon'ny apostolin'ny Janak'ondry. 15 Ilay raike ijay niresaka tamin'ahy die nanàgna fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, ireo vavahadiny, ary ny rindrigny. 16 Miendrike efa-joro ilay tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin'ilay fandrefesana volotara ijy, roa arivo stadio ny halavany (mitovy ny lavany, sakany, ary hahavony). 17 Nandrefe ny rindrign'ijany koa ijy, 114 hakiho raha refin'ny olo (ijay refin'ny anjely mandy koa). 18 Vita tamin'ny jaspy ilay rindrigna ary tamin'ny volamena tsy misy fangarony, hôtrin'ny ny fitaratra madio. 19 Ny fototr'ilay rindrigna die vôravake tamin'ireo karajagna vato sarobidy abiaby. Ny vôlohany die jaspy, ny faharoe safira, ny fahatelo kalakedona, ny fahefatre emeralda, 20 ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza ny fahafolo krysopraso, ny faha iraika ambin'ny folo jacinta, ny faharoambin'ny folo ametysta. 21 Ny vavahady roa ambin'ny folo die vato majava roa ambin'ny folo; ny kiraidraike amin'ireo vavahady die vita tamin'ny vato majava raike. Ireo lalambe teo an-tanàna die volamena tsy misy fangarony, hôtrin'ny fitaratre mangarahara. 22 Tsy nahita tempoly tao amin'ny tanàna iaho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Janak'ondry no tempoliny. 23 Ny tanàna die tsy nila masoandro na volagna mba hampamirapiratre amin'ijany satria ny voninahitr'Andriamanitra die mamirapiratre tamin'ijany, ary ny Janak'ondry no jiron'ijany. 24 Handeha amin'ny fahajavan'ijany tanàna ijany ireo firenena. Ireo mpanjakan'ny tany die hitondra ny fahatsaran-dreo ho ao amin'ijany. (Fagnamarihana: Ny antontan-taratasy taloha saragne die mivaky hoe:'' Ireo firenena ijay vôvonjy die handeha amin'ny fahajavan'ijany tanàna ijany. '') 25 Tsy himpegna ireo vavahadin'ijany mandritry ny andro, ary tsy hisy aligna agny. 26 Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan'ireo firenena ao amin'ijany areo, ary tsy hisy maloto hiditre ao amin'ijany mihitsy. 27 Tsy hisy na ija na ija hanao raha mahamegnatre na mamitake hiditre ao, fa ireo ijay vôsoratre agnarana ao amin'ny Bokin'ny Janak'ondrin'ny fiaignana mandy.