Toko faha 20

1 Ary nahita anjely nijotso avy tagny an-dagnitre iaho. Nanagna ny fagnalahidin'ny lavake tsy hita noanoa ijy, ary nanagna rojo vy lehibe tegny an-tagnany. 2 Nanambotre an'ilay dragogna ijy, ny menaragna ela, ilay devoly, na satana, ary nofatorany arivo taogna. 3 Natsipiny tagny amin'ny lavake tsy hita noanoa ijy, nohidiny ijany ary nasiana tombo-kase teo amin'ajy. Natao ijany mba tsy hagnambakany ny firenena rahabe koa manadra-pahatapitry ny arivo taogna. Afaran'ijany, die tsy mentsy havosotre fotôgna kelikely ijy. 4 Ary nahita seja fiandriagnana rahabe iaho. Nidoboke teo amboniny ireo ijay nomena fahefana mitsara. Nahita ny fagnahin'ireo ijay notapahin-doha iaho noho ny fijoroana vavolombelogna mahakasika an'i Jesôsy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankohoke tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny areo, ary areo die nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia teo amin'ny handrigny na teo amin'ny tanany. Tonga velogna indraike areo, ary nanjaka niarake tamin'i Kristy nandritry ny nandritran'ny arivo taogna. 5 Ny ambin'ireo maty die tsy velogna mandra-pahatapitry ny arivo taona. Ijany no fitsanganagna vôlohany. 6 Sambatre ary masina ijay olo managna anjara amin'ny fitsanganagna vôlohany! Eo ankatrehan'ijany die tsy manan-kery ny fahafatesana faharoe. Areo die ho mpisorogna an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miarake amin'Ajy mandritran'ny arivo taogna. 7 Laha tapitre ny arivo taogna, die hovahana ao amin'ny tragnomejignany Satana. 8 Hivôke ijy mba hamitake ny firenena rahabe egny amin'ny vajan-tany efatre-Goga sy Magoga-mba hitondra an-dreo miarake ho agny amin'ny ady . Areo die ho rahabe hôtrin'ny fasiky ny ranomasina. 9 Niakatre teo ambonin'ny tany lemaka areo ary nagnodidigna ny tobin'ireo mpino, ilay tanàna malala. Nefa nisy afo nijotso avy tagny an-dagnitre ary nandripaka an-dreo. 10 Ny devoly, ijay namitake an-dreo, die natsipy tao amin'ny farihy afo solifara, toerana ijay hanipajana ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka. Ary ho ampijaliana andro aman'aligna mandrakijay ary mandrakijay areo 11 Ary nahita seja fiandriagnana fotsy lehibe iaho sy ilay nipetrake teo amboniny. Ny tany sy ny lagnitre die nilefa teo ankatrehany, kanefa tsy nisy toerana andehanan-dreo. 12 Nahita ny maty iaho-ny lehibe ary ny kely-nijoro-teo alohan'ny seja fiandriagnana, ary novelarina ireo boky. Ary nisy boky raike novelarina-Ny Bokin'ny Fiaignana. Ny maty die notsaraina araka ijay vôsoratre tao amin'ireo boky, araka ireo asany. 13 Ny ranomasina namôke ny maty ijay tao agnatiny. Ny fahafatesana sy ireo fiainan-tsy hita die namôke ny maty ijay tao amin-dreo, ary ny maty die notsaraina araka ny raha nataony. 14 Ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita die natsipy tao amin'ny farihy afo. Ijany no fahafatesana faharoe- die ny farihy afo. 15 Laha nisy agnarana tsy hita vôsoratre ao amin'ny Bokin'ny Fiaignana, die natsipy tao amin'ny farihy afo.