Toko 1

1 Itiky ny fagnambaràna an'i Jesôsy Kristy ijay nomen'Andriamanitra an'aje hampisehôna an'ireo mpanompone ny raha tsy mentsy hisy. Nampahafantarine ijane tamin'ny alalan'ny fagnirahane ny anjeline hôn'i Jaona mpanompone. 2 Jaona die nagnamarina ny momban'ny tenin'Andriamanitra sy ireo fijorôna vavolombelogna mahakasika an'i Jesôsy Kristy, sy ireo raha abiaby hitane. 3 Sambatre ijy ijay mamaky amin'ny feo ambone, ary ijay miteno ny tenin'ijane faminaniana ijane, sy ijay mitandrigna ijay vôsoratra ao amin'ijane, satria efa marivo ny fotôgna. 4 Jaona negnagne amin'ireo fengonana fito tagne Asia: Hôminareo anie ny fahasoavana sy ny fedagnana avy amin'ilay ankehitriny, sy talohake, ary ho avy, sy avy amin'ireo fagnahy fito ijay eo agnatrehan'ny seja fendrianane, 5 ary avy amin'i Jesôsy Kristy, ijay vavolombelogna marina, lahimatoa amin'ny maty, ary lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Hôn'ilay tia antsena sy nagnafaka antsena tamin'ireo fahotantsena tamin'ny ràne --- 6 Ijy die nagnano antsena ho fanjakana, mpisorogna hôn'Andriamanitra sy Iabane --- hôn'Ajy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakijay doria. Amena. 7 Igne, avy amin'ny rahogna Ijy; ary ny maso abiaby hahita an'Aje, na die ireo nandefogna an'Ajy aja. Ny firenena abiaby ambonin'ny tany hitagny an'Aje. Ieke, Amena. 8 ''Iaho no Alfa sy Omega,'' hoy ny Tompo Andriamanitra, ''ilay ankehitriny, sy talohake, ary ho avy, die ilay Tsitoha.'' (Fagnamarihana: ny dikan-teny hafa talohaka die mivaky hôtran'ijao: ''Iaho no Alfa sy Omega, ny fendohàna sy fefaràna,'' hoy ny Tompo Andriamanitra. 9 Iaho, Jaona--rahalahinareo sy ilay raike ijay nijara taminareo tao agnatin'ny fijaliena sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesôsy Kristy--- die tao amin'ny nosy angihina hoe Patmo noho ny jakan'Andriamanitra sy ny fijorôna vavolombelogna ny mahakasika an'i Jesôsy. 10 Iaho die nitaritin'ny Fagnahy tamin'ny andron'ny Tompo. Naharegny feo mahery hôtran'ny trompetra tafarako teo iaho. 11 Nagnano ijane hoe: ''Soraty ao amin'ny boky ijay hitanao, ka alefaso agne amin'ireo fengonana fito-- hôn'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia.'' 12 Nijaha ny magnodidigna iaho hoe feon'ija ijane nijaka tamin'ahe ijane, ary laha nitodika iaho die nahita fanôvan-jiro volamena fito. 13 Ary teo agnivon'ny fanôvan-jiro nisy raike hôtran'ny Janak'Olo, nagnano akanjo lava hatagne amin'ny hongone, ary fehin-kibo volamena magnodidigna ny tratrane. 14 Ny lohany sy ny volony die fotsy hôtran'ny volon'ondry_fotsy hôtran'ny rano mandre, ary ny masony hôtrany lelanafo. 15 Ny tongone mangiragna hôtran'ny varahigna, hôtran'ny varahigna vôdio teo amin'ny lafôro, ary ny feony hôtrahan'ny feona rano be mikoregna. 16 Ary nanagna kintagna fito tegny an-tanagny ankavanana Ijy, ary sabatra roa lela maragnitra nivôka avy teo amin'ny vavane. Ny tarehine die najava hôtrany masoandro laha efa miredareda. 17 Laha efa nahita Anajy iaho, die lavo teo amin'ny tongony hôtrany olo maty. Nanendry anahy tamin'ny tanagne ankavanana Ijy ka nagnano hoe: "Aja matahotre. Iaho no vôlohany sy farane, 18 ary ny raike ijay velogna. Efa maty Iaho, fa indro, velogna mandrakijay! Ary Iaho managna ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiaignan-tsy hita. 19 Noho ijany soraty ijay hitanao, ijay ankehitriny, sy ijay hitranga afaran'ijao. 20 Hôtrany java-misitrika mahakasike ny kintagna fito ijay hitanao tegny an-tanan-kavanako, sy ny fanôvan-jiro volamena fito: "Ny kintagna fito die ny anjelin'ny fengonana fito, ary ny fanôvan-jiro fito die ny fengonana fito."