Toko 1

1 Pôly, apostôlin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, araka ny fampananten'ny fiaignana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy, 2 an'i Timoty, janaka tiana: Fahasoavana, fiantrana, ary fiadanagna avy amin'Andriamanitra ilay Iaba sy Kristy Jesosy Tompontsena. 3 Misaotra an'Andriamanitra Iaho, ijay tompoiko avy amin'ireo rajambeko, miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio, hôtrin'ny hahatsiarovako anao matetika amin'ny fivavahako andro aman'aligna. Hôtrin'ny 4 hahatsiarovako ireo ranomasonao, magniry mafy ny hahita anao iaho, ka mety ho feno hafaliana iaho. 5 Nampahatsiahivina tamin'ahy ny finoanao marina, ijay niaigna vôlohany tao amin'ny endribenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy lahatre iaho fa miaigna ao aminao mandy koa ijany. 6 Ijany no antony ampahatsiahivako anao mba hampiasanao indraike ny fanomejan'Andriamanitra ao aminao amin'ny alalan'ny fametrahako tagnana. 7 Fa Andriamanitra tsy nagnome fagnahin'ny tahotre antsena, fa ny hery sy fitiavana ary fifehejan-tegna. 8 Ka aja megnatre amin'ny fijoroana vavolombelogna momban'ny Tompontsena, na amin'ahy, Pôly, ilay gadrany. Fa koja, mijara amin'ny fahoriana ny filajantsara araka ny herin'Andriamanitra. 9 Fa Andriamanitra no mamonjy antsena sy nangaike antsena tamin'ny haike masina. Nanao ijany Ijy, tsy noho ireo asantsena, fa nohon'ny drafitra ijay efa nataony sy ny fahasoavany. Na die mbola tsy niandoha aja ny fotôgna die efa nagnome antsena iregne raha iregne tao amin'ny Kristy Jesôsy Ijy. 10 Fa amin'ijao ny famonjen'Andriamanitra die nambara tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesôsy Mpagnavotra antsena. Kristy ijay nagnafogna ny fahafatesana ary nitondra fiaignana ijay tsy ho tapitre mandrakijay mba hagnajava amin'ny alalan'ny filajantsara. 11 Noho ijany, die vôtondro ho mpitory teny iaho, ho apostoly, ary ho mpampianatre. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha saragne die magnampy hoe: ''Ho an'ny Jentilisa.''] 12 Fa noho ijany antony ijany die mijaly amin'iregne raha iregne mandy koa iaho. Fa tsy megnatre iaho, satria fantatro Ijy ilay ninoako. Resy lahatre iaho fa afake mitajogna ijay efa nankiniko tamin'Ajy Ijy mandra-pahatongan'ijany andro ijany. 13 Tajomy ny fagnoharagna momba ireo hafatry ny finoana sy fitiavana ijay ao amin'i Kristy Jesôsy. 14 Ny raha tsara ijay nataon'Andriamanitra taminao, ambeno amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ijany, ijay miaigna ao amintsena 15 Fantatrareo ijany, fa ijay abiaby nipetrake tagny Azia die nivadike tamin'ahy. Ao amin'io fikambanana io ireo Fizelio sy ireo Hermozena. 16 Enga anie ny Tompo hagnome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo, satria namelombelogna an'ahy matetike ijy ary tsy megnatre tamin'ny gadrako. 17 Fa koja, laha tagny Roma ijy, die nandrembe an'ahy tokôtre, ka hitany iaho. 18 Ny Tompo anie hampiseho an'ajy ka hahitany famindram-po avy amin'ajy amin'ijany andro ijany. Ireo fomba abiaby nagnampiany an'ahy tao Efesôsy, die fantatrareo tsara.