Toko 1

1 Lahatamin'ny loholona ka hatramin'ny viavy vôfidy sy ireo janagny, je tieko amin'ny fahamarinana, ary tsy aho mandy, fa ireo rehetra ijay nahalala ny marina mandy koa, 2 nohon'ny fahamarinana ijay mitoetra ao agnatintsena ary hiaraka amitsika mandrakijay. 3 Hômintsena anie ny fahasoavana, ny famindram-po, ny fedanana avy amin'Andriamanitra Ray sy avy amin'ni Jesosy Kristy Janaky ny Ray, amin'ny fahamarinana sy fitiavana. 4 Faly be aho satria nahita ny saragny amin'ireo janakao mandeha amin'ny fahamarinana, hôtran'ny andresantsena ijany didy ijany avy tamin'ny Ray. 5 Ary mangataka aminao aho, raviavy tsy hôtran'ny manoratra didy vôvao aminao aho, fa ijay nanagnantsena hatramin'ny vôlohany die ny tokony hifankatiavantsena samy antsena. 6 Ijao no fitiavana, die ny ba handihanantsena araka ireo didiny. Ijao no didy, araka ny regninareo hatratamin'ny vôlohany, die ny tokony handihananareo amin'ijany. 7 Fa rahabe ireo mpamitaka efa lasa amin'ijao tontolo ijao, ary ijy ireo die tsy magneky fa Jesosy Kristy die avy amin'ny nofo. Ijany no mpamitaka sy antikristy. 8 Jereo ny tegnanareo, ba tsy hahavery ireo raha ijay efa vitantsena manontolo, fa ba handresanareo valim-pitia feno. 9 Na ija na ija mandeha eo aloha ary tsy mitoetra ao amin'ny fampenaran'i Kristy die tsy managna Andriamanitra. Ny raike je mitoetra ao amin'ny fampianarana, ijany raika ijany die managna ny Ray sy Janaka. 10 Laha misy olo avy eo aminao ary tsy mitondra ijany fampenarana ijany, die aja mandray anajy ho ao andragnonao ary aja miarahaba anajy. 11 Fa je merahaba anajy die miombogna amin'ny ratsy amboariny. 12 Managna raha maro hisoratana aminareo aho, nefa aho tsy magniry hanoratra an'ijany amin'ny taratasy sy ranomenty. Na die jany aja, magnantegna ny ho avy agny aminareo aho ary hijaka mivantagna, ba ho tanteraka ny fifalenareo. 13 Magnano veloma anao ireo janaky ny rahavavinao vôfidy.