Toko faha 15

1 Iao gne tena voaloboky, da gne Raiko gne mpamboly. 2 Alainy ato Aminà gne sampagny izay tsy mamoa voakazo agnaby, sady amboariny gne sampagny izay mamokatry mba hamoa voakazo bebe kokoa izany. 3 Efa madio anareo nohon'e hafatry nozakaiko taminareo. 4 Mipetraha ato Aminà, sady Iao ao aminareo. Akô gne sampagny tsy afaky mamokatry voakazo ame tegnany raha tsy mipetraky ame voaloboky izany, da akô izany koa anareo , raha tsy mipetraky ao Aminà. 5 Iao gne voaloboky, anareo gne sampagny. Izay mipetraky ato Aminà sady Iao ao amin'azy, da mamokatry be izy, fa raha tsisy Anà da tsy mahefa ndre ino ndre ino anareo. 6 Raha misy olo tsy mipetraky ao Aminà, da ho ariagny akô gne sampagny izy sady halazo, sady indreo mandangogny gne sampagny sady magnary an'izany agny ame afo, sady may indreo. 7 Raha mipetraky ao Aminà anareo, sady raha mipetraky ao aminareo agnaby gne zakako, angatay ndre ino ndre ino irianareo, da honanigny aminareo izany 8 Gne Raiko da omegny voninahitrynamizao, da gne hamokaranareo voakazo bebe kokoa da ho porofo fa mpianatriko anareo. 9 Akô gne nitiavan'i Ray Anà, gne nitiavako anareo. Mitoera ao ame fitiavako. 10 Raha mitandrigny gne didiko anareo, da hipetraky ao ame fitiavako, akô gne nitandremako gne didin'e Raiko izy ame nipetrako tao ame fitiavany. 11 Nizaka an'io raha io Iao mba ho ao aminareo gne fifaliako sady mba ho feno gne fifalianareo. 12 Izao gne didiko , da gne hifankatiavanareo akô gne nitiavako anareo. 13 Tsisy manam-pitiavagny zakabe mihoatry noho izao, da gne manolotry gn'ainy ho an'e sakezany. 14 Namako anareo raha magnano io raha andidiako anareo io. 15 Tsy hagnatso anareo hoe mpanopoko koa Iao, satria gne mpanompoko da tsy mahalala izay ataon'e tompony. nantsovako hoe namako anareo, satria gne raha agnaby izay regniko tame Raiko, da nampahafantariko anareo. 16 Tsy nifidy Anà anareo, fa Iao gne nifidy anareo sady nanondro anareo mba andeha ka hamokatry, sady mba tokony hipetraky gne vokatrareo. Nanigny izany mba ndre ino ndre ino angatahinareo ame Ray ame gn'Agnarako, da homeny anareo izany. 17 Io raha io gne andifiako anareo mba hifankatiavanareo. 18 Raha malaigny anareo izao tontolo izao, da fantaro fa nalaigny Anà izy talohan'e nalaignany anareo. 19 Raha avy amizao tontolo anareo, da ho tian'izao tontolo izao akô gn'an'azy anareo. Fa satria tsy an'izao tontolo izao anareo sady nofidiko hiala amizao tontolo izao, noho izany da halan'izao tontolo izao anareo 20 Tadidio gne zaka nozakaiko taminareo hoe: 'Gne mpanompo da tsy zakabe noho e tompony.' Raha nagnenjiky Anà indreo, da hagnenjiky anareo avakoa; sady raha nitandrigny gne zakako indreo, da hitandrigny gn'anareo avakoa. 21 Hagnano an'io raha agnaby io aminareo indreo noho gn'Agnarako, satria tsy lalandreo Izy izay nagniraky Anà. 22 Raha tsy avy da nizaka tamindreo Iao, da tsy ho nanota indreo, fa amizao fotoagny izao tsy afa-miala ame fahotany indreo. 23 Izay malaigny Anà da malaigny gne Raiko avao koa. 24 Raha tsy nahavita gne asa izay tsy nataon'olo-kafa teo amindreo Iao, da tsy ho nanan-keloky indreo, fa amizao fotoagny izaoefa sady hitany kla halany Iaoizy ame Raiko. 25 Fa izany da mba hahatanteraky gne zaka izay voasoratry ao ame lalagnin-dreo hoe: 'Malaigny Anà ame tsisy dikany indreo.' 26 Refa ho avy e Mpampahery - izay hirahiko aminareo avy ame Ray, Gne, Fagnahin'e Fahamarinagny, izay mivoaky avy ame Ray- da hagnambara gne momba Anà Izy. 27 Anareo avao koa da mijoro vavolombelogny satria efa niaraky tamina hatragny amboalohany anareo.