Toko faha 13

1 Da andro mialohan'e firavoravoan'e Paska izao. Tantan'i Jesosy fa avy gne lera hialany eto amin'izao tontolo ity izao ka handeha ame Ray. Reha nitia gne mpiara-dia taminazy tam'ity zao tontolo izao ity Izy, da nitia andreo hatram'e farany. 2 Da gne devoly da efa nametraky izao tam'e saignin'i Jodasy Iskariota Zanak'i Simona, da gne hamadiky an'i Jesosy. 3 Izy da nahafantatry gne fa raha marobe da efa napetrak'e Ray tam-pelatagnany ary Izy da avy amin'Andriamanitry da niverigny amin'Andriamanitry. 4 Nitsangagny Izy tame nisakafo da nangalaky gn'akanjony ivelany. Ave teo Izy nangala lamba da nisafotry anizany. 5 Avy teo da nandraraky rano tagnatin'e siny Izy da nanomboky nanasa gne tongotrin' e mpianatry da namafa andreo tamin'e lamba nirakofany. 6 Nagnantogny an'i Simona Petera Izy, da hoy I Petera taminazy hoe: "Tompo, hanasa gne tongotriko me Anao?" 7 Jesosy namaly Anazy da nizaka taminazy hoe: "Gne raha aniko da mbola tsy hoazonao am'izao e dikany, fa ho azonao avao izany afara agny." 8 Hoy I Petera taminazy hoe: "Tsy anasa gne tongotriko mihintsy Anao." Jesosy namaly Anazy hoe: "Raha tsy manasa gne tongotrinao Iao, da tsy managny anjara aminà atoa anao." 9 Hoy I Simona Petera taminazy hoe: "Tompo, ka gne tongotriko avao gne sasagny, fa gne tegnako sy gne lohako avakoa." 10 Hoy Jesosy taminazy hoe: "Gne efa avy nandro da tsy mila izany, afa-tsy gne manasa tongotry avao, fa izy da efa madio tanteraky; Anao da madio, fa tsy gne marobe anefa." 11 (Satria efa fantatrin'e Jesosy hoe Ia gne hamadiky Anazy; izany gn'antony e nizakany hoe: "Tsy anareo aby gne madio.") 12 Ka rehefa avy nanasa gne tongotrin-dreo Jesosy sy nangala gne lambany da nipetraky indraiky, da hoy Izy tamindreo hoe: "Fantatrinareo me gne naniko hoa anareo? 13 Angianareo Iao hoe 'mpampianatry' sy 'Tompo' da marigny gne nizakainareo, satria izany marina Iao. 14 F'izy ra Iao,sady Tompo no Mpampianatry,no nanasa gne tongotry nareo, anareo avokoa da tokony hifanasa gne tongotry nareo. 15 Satria efa nagnome ohatry ho anareo Iao da mba tokony hagnano akô izay naniko ho anareo avokoa anareo. 16 Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa gne mpanompo da tsy lehibe mihoatrin'e tompony; na koa gne mpitondra hafatry da tsy lehibe mihoatr'e nagniraky anazy. 17 Raha fantanareo io raha maro io, da ho tahigny anareo raha magnatanteraky an'izany. 18 Tsy anareo aby gne zakaiko; fantako indreo nofidiko- fa izany da mba hahateraky gne Soratry Masigny hoe: 'Izay mihinagny gne mofoko da nanandratry gne vodi-tongotriny hamadiky Anazy.' 19 Zakaiko aminareo am'izao izany mialohan'e hiboahany mba rehefa mibôky izany, da mety hino anareo fa Iao gne Izy. 20 Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry, fa gne mandray e nirahiko, da mandray Anà, da izay mandray Anà, da mandray Anazy izay nagniraky Anà." 21 Rehefa nizaka an'izany Jesosy, da nangitakitaky gne fagnahiny. Nagnambara Izy sady nizaka hoe: "Zakaiko aminareo, marina, da marina tokôtry fa hisy raiky aminareo hamadiky Anà." 22 Nifagnety indreo mpianatriny, nagnontany tegna hoe ia izany nozakainy zany. 23 Nisy raiky tamin-dreo mpianatriny, izay tian'i Jesosy, nidoboky tamin'e latabatry ampitan'i Jesosy. 24 Nagnantogny an'io mpianatry io Simona Petera da nizaka hoe: "Agnontanio Anazy hoe ia izany zakainy izany." 25 Da niverigny niankigny tamin'i Jesosy izy da nizaka taminazy hoe: " Tompo, ia izany?" 26 Aveo Jesosy namaly hoe: "Gne raiky izay handonako sy homeko ity mofo ity izany." Ka rehefa nolomany gne mofo, da nomeny an'i Jodasy zanak'i Simona Iskariota izany. 27 Da tafaran'gne mofo da niditry taminazy Satana, da hoy Jesosy taminazy hoe: "Gne haninao, anio malaky izany." 28 Taminizany indreo teo an-databatry tsy nisy nahalala gne antony nizakan'i Jesosy anazy izany. 29 Gne sasany nieritreritry hoe, satria Jodasy gne nitazogny gne kitapom-bola, gne nizakan'i Jesosy taminazy hoe: "Vidio gne ra marobe ilaintsika amin'gne andro firavoravoagny," na hoe tokony hagnome ra anin'gne mahantra izy. 30 Ra vo avy nangala gne mofo Jodasy, da lasa nivoky nalaky izy 31 Rehefa dila Jodasy, da hoy Jesosy hoe: "Ankehitriny da omem-boninahitry gne Zanak'Olo, sady Andriamanitry da omem-boninahitry aminazy ao. 32 Andriamanitry da nagnome voninahitry Anazy ame tegnany, da Izy hagnome voninahitry Anazy avy hatrany. 33 Ô zaza madiniky, fotoagny kidy e sisa gne hiarahako aminareo, sady araky e Raha nozakaiko tamin'e Jiosy hoe: 'Izay andehanako, tsy azonareo handeanagny.' Sady zakaiko aminareo avakoa izany Ankehitriny. 34 Didy vaovao gne omeko anareo, da gne ifankatiavanareo; akô gne fitiavako anareo, gne tokony hifankatiavanareo avakoa. 35 Amin'izany gne hahafantaran'e maro fa mpianatriko anareo, raha mifankatia anareo." 36 Hoy Simona Petera taminazy hoe: "Tompo, fa andeha ho aia Anao?" Namaly Jesosy hoe: "Izay andehanako, da tsy afaky hagnarahanareo Anà am'izao, fa hagnaraky anareo afara agny." 37 Da hoy I Petera taminazy hoe: "Tompo, nagnino me Iao tsy afaky nagnaraky Anao am'izao? Hafoiko ho Anao gne tegnako." 38 Da namaly Jesosy hoe: "Hafoinao ho Anà me gn'ainao? Zakaiko aminao, marina, da marina tokôtry, fa mbola tsy hagneni mintsy gn'akoho da efa handà Anà in-telo anao."