Toko faha 12

1 Enin'andro alohan'e paska, da avy tao Betania Jesosy, izay nisy an'i Lazarosy, Gn'efa natsangan'i Jesosy tame maty igny. 2 Ka nagnano hanigny ho an' Azy indreo, sady i Marta gne nandroso andreo, fa i Lazarosy kosa da agnisan'e niara-nipetraky tamin'i Jesosy teo ame latabatry. 3 Avy eo Maria nangala menaky magnitry litatry raiky izay vita tame narda lafo vidy, da nagnosotry gne tombok'i Jesosy tamizany, sady namafa gne tombokiny tame volony. Feno gn'agnitr'e menaky gne tragno. 4 Da i Jodasy Iskariota ,. raiky tame mpianatriny, izay hamadiky an'Azy, nagnano hoe: 5 "Nagnino io menaky io tsy avidy 300 dinaria agny da nomegny gne sahiragny?" 6 Sady izy mizaka an'izany, tsy hoe ta hagnampy e sahiragny izy, fa satria mpangalatry izy: taminazy gne kitapom-bola sady ho nangalariny izay nanigny tao. 7 Jesosy nagnano hoe: "Avelao izy mba hitagny gn'anagnany ho ame gn'andro handevenagny Anà. 8 Ho eo aminareo fezay gne sahiragny, fa Iao kosa tsy ho eo aminareo fezay." 9 Sady nisy fokon'olo maro tame jiosy nahalala fa teo Jesosy, ka nagnatogny indreo, tsy ho an'i Jesosy raiky avao, fa mba hahita an'i Lazarosy avao koa, gne natsangn'i Jesosy tame maty igny. 10 Gne lohan'e mpisorogny da nitetiky niaraky mba hahafahandreo manosiky an'i Lazarosy ame fahafatesagny avakoa; 11 satria noho Izy gne nahatonga gn'ankamaroan'e Jiosy andeha sady nino an'i Jesosy. 12 Gn'omaraignin'igny da fokon'olo maro gn'avy tame andro fety. Refa regnindreo fa ho avy ao Jerosalema Jesosy, 13 da nangala sampan-drofia indreo sady nijotso ka nitsena an'Azy tame feo mafy hoe: "Hosanna! Sambatra anie gn'avy ame agnaran'i Tompo, Gne mpanjakan'Israely igny." 14 sady Jesosy nahita zan-boriky raiky da nitikigny tamboniny; 15 Araky gne voasoratry hoe: "Ka matahotry, ro zanakavavin'i Ziona, hiteo , indro avy gne Mpanjakanareo, izay mitikigny eo ambonin'e zana-boriky." 16 Tsy nahazo an'io raha io gne mpianatry tame voalohany; fa refa nomem-boninahitry Jesosy, da tadidindreo fa voasoratry momba an'Azy io raha io sady efa nataondreo tanin'Azy izany. 17 Sady gne fokon'olo izay niaraky tamin'Azy tame nagnatsovany an'i Lazarosy hijotso gne kobory izy ame nanangagny an'azy tame maty da samy nijoro vavolombelogny aby. 18 Noho izany antony izany avao koa gne nahatonga gne fokon'olo hitsena an'Azy, satria regnindreo fa nagnano an'izany famantaragny izany Izy. 19 Gne fariseo noho izany nifampiresaky hoe: "Hiteo, tsy afaky magnano ndre ino ndre ino anareo; indro, magnaraky an'Azy aby izao tontolo izao." 20 Sady nisy grika vitsivitsy tamireo izay niakatry hidera agny ame fety. 21 Negn'amin'i Filipo indreo, izay avy agny Betsaida agny Galilia, sady nagnotany an'azy, magnano hoe: "Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesosy iay." 22 Da lasa Filipo ka nizaka tamin'i Andrea niaraky tamin'i Filipo, sady nizaka an'i Jesosy indreo. 23 Jesosy namaly andreo ka nagnano hoe: "Efa avy gne fotoagny hagnomezagny voninahitry gne Zanak'Olo. 24 Zakaiko aminareo, marigny, da marigny tokotry, fa raha latsaky ame tany gne akotry ka maty , da mipetraky ame tegnany raiky izany; fa raha maty izany, da hamokatry be. 25 Izay tia gne fiainagny da hagnary an'izany; fa izay malaigny gne fiainagny eto amizao tontolo izao kosa da hitagny an'izany ho agny ame fiainagny mandrakizay. 26 Raha misy manompo Anà, aok'izy hagnaraky Anà; sady izay hipetrako, da ao avakoa gn'ipetrahan'e mpanompoko. Raha misy manompo Anà, da hagnome voninahitra an'azy gne Ray. 27 Amizao fotoagny izao mangorohoro gne fagnahiko sady ino gne tokony ho zakaiko? 'Ray o, vonjeo amity lera ity Iao'? Kanefa noho izany antony izany gne neviako amizao fotoagny izao. 28 Ray o, hankalazay gn'agnaranao.'' Avy eo nisy feo nanako avy agny an-dagnitry nagnano hoe: "Efa nankalazaiko izany sady mbola ho hankalazaiko indraiky." 29 sady gne fokon'olo nitsangagny teo da naharegny an'izany ka nizaka fa nisy kotroky teo. Gne sasany nizaka hoe: "Nisy anjely niresaky tamin'Azy." 30 Jesosy namaly sady nizaka hoe: "Izany feo izany da tsy avy ho Anà, fa ho anareo. 31 Avy amizao fotoagny izao gne fitsaragny an'izao tontolo :sady da roahigny gne mpanapaky an'izao tontolo izao. 32 Refa hasandratry hiala ame tany Iao, da hitaogny gne tsiraidraiky hagnaraky Anà." 33 nozakainy izany mba hanehoagny hoe karazagny fahafatesagny akô ino gne hafatesany. 34 Gne fokon'olo namaly an'Azy hoe: "Regninay tame lalagny fa Kristy da hijanogny mandrakizay. Akognaia gn'afahanao mizaka hoe: 'Gne Zanak'olo da tsy maintsy hasandratry'? Iza izany Zanak'olo izany?" 35 Avy eo Jesosy nizaka andreo ho: "Gne hazavagny da mbola hiaraky aminareo mandritry gne fotoagny foiky. Mandehana dieny mbola managny hazavagny, mba tsy hafahan'e hizigny mialoha anareo. Izay mandeha ame hizigny da tsy mahalala gne lalagny andehanany. 36 Raha mbola managny gn'hazavagny anareo, da minoa an'izany mba ho zanak'e hazavagny anareo. ''Jesosy nizaka an'io raha io sady avy eo da tsy hita sady nifiny andreo 37 Ndre da nagnano famantaragny maro teo agnatrehandreo aza Jesosy, da tsy ninoandreo 38 mba ho tanteraky gne zakan' Isaia mpaminany, izay izakany hoe: "Tompo, ia gne nino gne tatitray, sady ia gne nagnaboahagny gne sandrin'i Tompo?" 39 Noho izany antony izany da tsy nino indreo, araky gne vozakan'Isaia avao hoe: 40 "Nohajambaigny gne masondreo, sady nohamafisigny gne fondreo; mifanohitry amizany indreo da tahita ame masondreo ary hahazo ame fondreo, ka hitodiky, da Iao hagnasitragny andreo." 41 Isaia nizaka io raha io aby satria hitany gne voninahitr'i Jesosy ka niresaky momba an'azy. 42 Kanefa ndre izany aza, da maro tamireo mpanapaky gne nino an'i Jesosy; fa nohon' e fariseo, da tsy niaiky an'izany indreo mbatsy ho voasakagny ho ao ame synagoga. 43 Tiandreo kokoa gne fideragny avy amin'olo noho gne fideragny avy amin'Andriamanitry. 44 Jesosy nagnatso mafy ka nizaka hoe:"Izay raiky mino Anà, k'aza mino Anà raiky avao fa koa Izy izay nagniraky Anà, 45 sady izay raiky mahita Anà da mahita an'azy izay nagniraky Anà. 46 Iao da avy akô gne hazavagny teto amizao tontolo izao, mba tsy hipetraky agnatin'e mizigny izay mino Anà. 47 Raha misy maharegny gne zakako nefa tsy mitandrigny an'izany, da tsy hitsara an'azy Iao; satria Iao tsy avy hitsara an'izao tontolo izao , fa hagnavotry an'izao tontolo izao. 48 Izay manda Anà izy ame tsy mandray gne zakako, da managny raiky izay mitsara an'azy. Gne zaka izay nozakaiko gne hitsara an'azy ame andro farany. 49 Fa Iao tsy mizaka ho Anà, fa e raiky izay nagniraky Anà, izay nagnome Anà gne didy amin'izay ho lazaigny izy ame ho zakaigny. 50 Lalako fa gne didiny da fiainagny mandrakizay, koa izay zakaiko- da zakaiko arak'izay nozakain'e Raiko taminà."