Toko faha 9

1 Zao ro fagnambaran'ny safan'i Yaveh mahakasiky gny tanin'i Hadraka voho Damaskosy. Fa gny fijerin'i Yaveh la amin'ny olombelo manotolo, sady koa amin'ny fokon'Isdraely manontolo. 2 Toy fagnambara toy avao koa la mahakasiky gan'i Hamata, zay mifanolotsy amin'i Damaskosy, sady mahakasiky gnan'i Tyro voho Sidona io, ndra la tena hendry aza rozy. 3 Fa nagnory fiarova mafy ho gnan'ny vatany i Tyro sady namory volafoty manahaky gny vovoky voho volamena voalio manahaky gny fotaky egny an-dala. 4 Ingo! hagnafoana azy Ndranagnahary sady hanimba gny tanjany an-dranomasy, mba ho ravan'ny bolo ie. 5 Hahita i Askelona ka hataotsy! Hangovitsy mare avao koa i Gaza! Ekrona, ho rava gny fanantenany! Ho maty agny Gaza gny mpanjaka, sady i Askelona la tsy hisy olo sasy! 6 Hanao gny tragnony ao Asdoda reo vahiny, sady hagnafoana gny fireharehan'ireo Filistiana Aho. 7 Fa hangalaky gny ran-drozy bakamin'ny vavany Aho sady gny fahavetavetan-drozy eo agnelanelan'ny hiny. Sady la ho lasa sisa ho gan'ny Ndranagnaharintsika manahaky gny foko agny Joda rozy, sady Ekrona la ho lasa manahaky reo Jebosita. 8 Hivory magnodidy gny taniko Aho mba hanohitsy reo miaramilan'ny fahavalo ka tsy hisy na raiky aza afaky mandroso na mimpoly, fa tsy hisy mpampahory handalo eo amin'io sasy. Fa amizao la hiamby gny taniko amin'ny masoko Aho! 9 Mihobia amin'ny fifalian-be, ry anakampelan'i Ziona! Mihobia am-pifalia, ry anakampelan'i Jerosalema! Ingo! Avy amim-pahamarigna aminao gny mpanjaka sady magnavotsy gnanao. Manetry tena ie ka mondrana eo amin'ny boriky, eo agnabony ana-boriky. 10 Sady ho foagnako gny kalesy bakagny Efraima voho gny soavaly bakagny Jerosalema, sady gny tsipika la ho foagna amin'ny aly; fa hilaza fiadagna amin'ireo firenena ie, sady gny fanapahany la ho avy amin'ny ranomasina, voho hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravazan-tany! 11 Laha gny aminareo, nohon'ny ran'ny fagnenko ao aminareo, la hafahako bakao an-davaky zay tsy misy rano reo gadranareo. 12 Mimpolia agny amin'ny fiarova mafy, ry gadran'ny fanantena! Eka ndra la henan'io aza la magnambara Aho fa hanohitsy avo roe heny aminareo, 13 Fa fa nagnenjiky gnan'i Joda ho tsipikako Aho, fa namaha gny ana-tsipikako tamin'ny Efraima Aho.Fa nanaitsy reo anakareo lahy Aho, ry Ziona, hanohitsy reo anakareo lahy, ry Grisia, sady fa nanao gnanareo manahaky gny sabatsy gny mialy Aho, ry Ziona! 14 Hiseho amin-drozy i Yaveh, sady hitifitsy manahaky gny tselatsy gny tsipikany! Fa Yaveh Tompoko hitsoka tsompetra sady handroso bakamin'ny tafio-driovotsy bakagny Temana. 15 Yaveh Tompon'ny maro ro hiaro an-drozy, sady handevo an-drozy voho handresy gny vaton'antsamotadiny reo. Sady la hisotro rozy voho hidradradra manahaky gny olo mamon'ny divay, sady ho feno divay manahaky reo finga rozy, manahaky reo zoron'ny alitara. 16 Ka amin'io andro io la hamonjy an-drozy i Yaveh Ndranagnahary; la hanahaky gny aondrin'ny olony rozy ., fa rozy ro ho firavaky gny satro-boninahitsy, hisandratsy eo amin'ny taniny. 17 Fa manao akory gny hasoany voho hampelasoan-drozy!Hagniry eo amin'ny vary gny tovolahy sady gny virjiny eo amin'ny voaloboky mamy!