Toko faha 14

1 Ingo! Ho avy gny andron'i Yaveh lafa hozara eo agnivonireo gny babonareo. 2 Fa havoriko hanohitsy gnan'i Jerosalema amin'ny aly gny firenena manontolo ka ho voababo gny tana. Reo tragno la ho voababo sady gny ampela ho voaola. Gny antsasaky gny tana la ho voababo, fa gny sisa tavela amin'ireo olo la tsy hala eo amin'ny tana. 3 Fa i Yaveh la hivola voho hialy amin'ireo firenena manahaky Azy lafa mialy amin'ny andron'ny aly. 4 amin'io andro io gny tombony la hitsanga eo agnabon'ny Tendrombohits'i Oliva, zay Tendrombohits'i Oliva la hisasaky roe sady ho sarahin'ny lohasaha bevata sady gny antsasaky gny tendrombohitsy la himpoly magnatriky gny avaratsy sady gny antsasany magnatriky gny antimo. 5 Bakeo iha handositsy hizotso gny lohasaha eo agnatrehan'ireo tendrombohitr'i Yaveh, fa gny lohasa eo agnelagnelan'ireo tendrombohitsy la hipaka hatragny Azela. Handositsy manahaky gny nandosiranao atmin'ny horohoron-tany tamin'ireo andron'i Ozia, mpanjakan'i Joda iha. La ho avy i yaveh Ndranagnahary sady hiaraky Aminy iaby reo olo masy manontolo. 6 Amin'io andro io la tsy hisy longo, fa tsy hisy ndra nintsy na fangala. 7 Amin'io andro io, andro zay gan'i Yaveh raiky avao ro mahay, la tsy hisy andro na haly sasy, fa gny hariva la ho lasa fotoan'ny hazava. 8 Amin'io andro io gny rano velo la hikoria hiboaky gnan'i Jerosalema. Gny antsasak'ireo la hikoria amin'ny riaky antignana voho gny antsasany amin'ny riaky andrefa, amin'ny fahavaratsy voho amin'ny ririnina. 9 Ho mpanjaka amin'ny tany manontolo i Yaveh. amin'io andro io la hisy Yaveh, lay Ndranagnahary tokana, voho gny agnarany raiky avao. 10 Gny tanmy manontolo la hanahaky gnan'i Araba, manomboky ao Geba ka hatragny Rimona antimon'i Jerosalema. Hasandratsy hatragny i Jerosalema sady hiupetraky amin'ny vavahadin'i Benjamina ka hatragny amin'ny toera zay nisy gny vavahady voalohany, hatragny amin'ny vavahady an-jorony, sady hatragny amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatragny amin'ireo famaizam-boaloboky gny mpanjaka. 11 Gny fokonolo la hipetraky agny Jerosalema sady tsy hisy faharava tanteraky bakamin-Dranagnahary hanohitsy an-drozy sasy. Hiay tsy amin'ahiahy i Jerosalema. 12 Zao ro ho loza zay hamelezan'i Yaveh gnan'ireo fokonolo manontolo nialy nanohitsy gnan'i Jerosalema: Gny nofon-drozy la ho lo ndra la mitsanga amin'ny tombony aza rozy. Gny mason-drozy la ho lo ao amin'ny lelan-tobon-drazy sady gny lelan-drozy ho lo ao am-bavan-drozy . 13 Amin'io andro io gny tahotsy bevata bakamin'i Yaveh la ho avy amin-drozy. Gny kirakiraiky la hitanjaky gny tagnan'ny hafa, sady gny tagnana'ny raiky la hisandratsy hamely gny tagnan'ny raiky hafa. 14 Joda koa la hialy hanohitsy gnan'i Jersalema. Hamory gny hanagnan'ireo firenena magnodidy iaby rozy__ volamena, volafoty, voho fisikina dsoa maro mare. 15 Gny loza avao koa la ho amin'ireo soavaly voho reo ampondra, reo rameva voho reo boriky, sady reo biby manontolo ao amin'ireo toby reo avao koa la hijaly amin'io loza io avao. 16 Sady zao ro hiseho, zay iaby tavela ao amin'ireo firenena zay avy manohitsy gnan'i Jerosalema la hiakatsy isan-tao koa mba hidera gny mpanjaka, la i Yaveh Tompon'ny maro, sady hitandry firavoravoan'ny fialofa. 17 Laha tsy mandeha miakatsy ho agny Jerosalema mba hidera gnan'ilay mpanjaka, la i Yaveh Tompon'ny maro, gny olo bakam'ireo firenena iabin'ny tany, la tsy handay ora amin-drozy i Yaveh. 18 Laha tsy miakatsy gny firenen'i Egypta, la tsy hahazo ora rozy. Hisy areti-mandringa bakamin'i Yaveh zay hamely reo firenena zay tsy hiakatsy mba hita gny firavoravoan'ny Fialofa. 19 Io ro famaiza ho gnan'i Egypta sady famaiza ho gnan'ny firenena manontolo zay tsy miakatsy mba hita gny Firavoan'ny Fialofa. 20 Fa amin'io andro io, gny lakolosin'ireo soavaly la hivola hoe:' Atokano ho gnan'i Yaveh, " sady reo koveta ao amin'ny tragnon'i Yaveh la hanahaky gny finga boribory eo agnatrehan'ny alitara. 21 Fa gny valagny tanimanga manontolo ao Jerosalema voho Joda la hataoko ho gnan'i Yaveh Tompon'ny maro voho zay iaby manday soro la hihina amin'ireo sady hampangotraky ao agnatin'ireo. Amin'io andro io reo mpamarotsy la tsy ho ao an-tragnon'i Yaveh Tompon'ny maro sasy.