Toko faha 13

1 " Amin'io andro io la hisy loharano hisokatsy ho gnan'ny avorohotan'i Davida voho reo olon'i Jerosalema, noho gny fahotan-drozy voho gny tsy fahadiovan-drozy. 2 Amin'io andro io __io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro__ro hagnohagnako gny agnaran'ireo sampy amin'ny tany mba tsy ho taroviny sasy rozy. Hampiboaky reo mpaminany tsy marina voho gny fagnahy maloton-drozy amin'ny tany avao koa Aho. 3 Laha misy olo manohy maminany, la hisafa aminy gny rainy voho gny reniny zay niteraky azy hoe:' Tsy ho velo iha, fotony vandy amin'ny agnaran'i Yaveh!@" Bakeo gny ray voho gny reny zay niteraky azy handefo azy lafa maminany ie. 4 Amin'io andro io gny mpaminany kirakiraiky la ho megnatsy amin'ny fahitany lafa eo am-paminania ie. Reo mpaminany reo la tsy hanao siky voloina, mba hamitaha gny olo sasy. 5 Fa gny kirakiraiky hisafa hoe:' Tsy mpaminany aho! Johary miasa tany aho, fotony gny tany ro lasa asako laha mbo tovolahy aho!@' 6 Fa hisy olo raiky hisafa aminy hoe:" Ino reo ratra eo agnelagnelan'ireo sandrinao reo?" Naratsy niaraky tamin'ireo zay tao amin'ny tragnon'ireo namako aho." 7 " Ry sabatsy! Lignasako amin'ny mpiaraky aondriko, lay johary zay mitsanga erto agnilako gny tagnanao__ io ro fagnambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Velezo gny mpiaraky aondry,la hiparitaky reo aondry! Fa hampimpoly gny tagnako hanohitsy reo maliniky Aho. 8 Sady manera gny tany manontolo__ io ro fagnambaran'i Yaveh__la hisy roe ampahatelon-drozy; raiky ampahatelo avao ro hijano agny. 9 Handesiko amin'ny bolo io ampahatelo io sady hoviliko manahaky gny magnalio volafoty rozy; ho zahako manahaky gny volamena voazaha roy. Hiantso gny agnarako rozy, ka hamaly an-drozy Aho sady hanao hoe:' Toy ro oloko!" voho hisafa rozy hoe:' Yaveh ro Ndranagnahary!"