Toko faha 12

1 Toy la fagnambara gny safan'i Yaveh mahakasiky gnan'Israely__ fagnambaran'i Yaveh, zay nandratsy reo habakabaky voho nametraky gny fototsy gny tany, zay mamolavola gny fagnahin'olombelo ao agnatin'ny olo hoe:' 2 Ingo, eo an-dalam-panaova gnan'i Jerosalema agnaty kapoaky Aho hahatonga reo olo iaby magnodidy azy hivembegna. La hanahaky gnan'io avao koa gnan'i Joda mandritra gny fahirano gnan'i Jerosalema. 3 Amin'io andro io, hataoko ho vato mavesatsy ho gnan'ny olo manonto i Jerosalema. Zay magnandra gny hagnonjo io vato io la handratsy mare gny vatany, ka hitambatsy hanohitsy gnan'io tana io reo firenen,ny tany manontolo. 4 Amin'io andro io__ io ro fagnambaran'i Yaveh__ hamely gny soavaly kirakiraiky amin'ny horohoro Aho sady gny mpondra gnazy amin'ny fahatsoboan-tsay. Hijery am-pankasitraha gny avorohotan'i Joda Aho sady hamely gny soavalin'ireo tafiky amin'ny fahajikia. 5 Bakeo reo mpiratik'i Joda hisafa anakampo hoe:' Reo olon'i Jerosalema ro tanjantsika noho i Yaveh Tompon'ny maro , Ndranagnaharin-drozy." 6 Amin'io andro io la hataoko manahaky gny fata mirehitsy egny amin'ny amboara reo mpitariky gny Joda, fa rozy ro handevo reo firenena manontolomagnodidy eo ankavanany voho eo ankaviany. Hipetraky eo amin'ny fipetrahany ndraiky i Jerosalema." 7 Hamonjy reo lain'i Joda i Yaveh ,mba tsy ho bevata noho gny tavela amin'i Joda gny voninahin-drozy mipetraky ao Jerosalema. 8 Amin'io andro io la ho mpiaro reo olon'i Jerosalema i Yaveh, sady amin'io andro io reo zay ketraky amin-drozy la hanahaky gnan'i Davida , sady gny avorohotan'i Davida la hanahaky gnan-Dragnahary, manahaky gny anjelin'i Yaveh eo agnatrehan-drozy. 9 " Amin'io andro io la hanomboky handringa reo firenena iaby zay avy hanohitsy gnan'i Jerosalema Aho. 10 Nefa handraraky gny fagnahin'ny fangoraham-po voho fitaraigna amin'ny avorohotan'i Davida voho reo olon'i Jerosalema Aho, mba hitolian-drozy Amiko, lay raiky zay nolefonin-drozy . Hisaona noho gny Amiko, manahaky gny olo misaona noho gny amin'ny anany lahy toka rozy; hisaognaho Gnazy manahaky reo zay misaogna noho gny fahafatesan'ny voalohany gnanaky rozy. 11 Amin'io andro io gny fisaogna ao Jerosalema la hanahaky gny fisaogna tao Hadadrimona eo amin'ny lemak'i Megido. 12 Hisaogna gny tany, gny fianakaviambe kirakiraiky hitoka amin'ireo fianakaviambe hafa. Gny fianakaviamben'ny avorohotan'i Davida hitoka sady reo valin-drozy hitoka amin'ireo johary. Gny fianakaviamben'ny avorohotan'i Natana hitoka voho reo valin-drozy hitoka amin'ireo johary. 13 Gny fianakaviamben'ny avorohotan'i Levy hitoka voho reo valin-drozy hitoka amin'ireo johary. Gny fianakaviamben'ireo Simeita hitoka voho gny valin-drozy hitoka amin'ireo johary. 14 Gny fianakaviambe kirakiraiky amin'ireo fianakaviambe tahajano__ gny fianakaviany kirakiraiky la samy hitsitokatoka sady gny valin-drozy hitoka amin'ireo johary."