Toko faha 11

1 Vohao gny varavagnanao, ry Libanona mba handevognan'ny bolo gny Sederanao! 2 Misaogan, ry hazo Kypreso, fa nilavo gny hazo sedera! Reo abo la fa navory! Misaogna, nareo ry hazo terebintan'i Basana, fa ripaky gny ala mikotroky. 3 Midradradradra reo mpiaraky aondry, fa rava gny voninahin-drozy! Mierona gny feon'ny anaky gny liona, fa fa rava gny reharehan'ny Ony Jordana! 4 Fa zao ro lazain'i Yaveh Ndranagnahariko:' Manahaky gny mpiaraky aondry, miamby gny aondry zay ho vonoa! 5 ( mamono an-drozy lay mivily gnazy voho tsy voasazy, sady lay mpamily an-drozy manao hoe:' Isaora anie Yaveh! Fa avy mpanan-draha aho! fa reo mpiaraky miasa ho gnan'ireo tompon'aondry la tsy niantra androzy.) 6 Fa tsy hiantra gny olon'ny tany sasy Aho!__ io ro fagnambaran'i Yaveh. Ingo! Gny vatako mihitsy ro hampimpoly gny olo iaby eo an-tagnan'ny namany voho eo an-tagnan'ny mpanjakany, sady handrava gny tany rozy voho tsy hisy ndra raiky amin-drozy aza hafahako eo an-tagnan-drozy." 7 Ka la lasa mpiaraky gny aondry voalahatsy ho vonoa Aho, ho gnan'ireo zay nanday gny aondry. Nandrambytehy roe Aho; gny tehy raiky nikahy hoe:' Fahasoava' voho lay hafa nikahy hoe" fikambana". Tamin'io fomba io ro nandignasako gny aondry. 8 Mpiaraky aondry telo ro novonoako tao agnatin'ny vola raiky, fotony tsy naharitsy tamin-drozy aho, sady nalay gnahy avao rozy. 9 La hoy aho tamin'ny tompon'aondry hoe:' Tsy hiasa ho mpiaraky aondrinao sasy aho. Gny aondry zay maty__ la aleo ho maty, gny aondry zay ringa__ la aleo ho ringa. Ao gny aondry zay sisa tavela samby hihina gny nofon'ny namany." 10 La noroiasiko gny tehiko" Fahasoava" sady nosimbako io mba hagnafoagnako gny fagnenkeko zay fa nataoko tamin'ireo fokoko manontolo. 11 Tamin'io andro io la rava lay fagnenkeko, ka reo zay nanday gny aondry voho nijery Ahy la nahay fa nisafa Yaveh. 12 La hoy aho tamin-drozy hoe:' Laha toa ka soa aminareo io, la aloavo gny karamako. Fa laha tsy io, la ao avao.' Ka la nolanjain-drozy gny karamako__ sekely volafoty telopo. 13 Sady hoy Yaveh tamiko hoe:' Apetraho ao amin'ny fipetrahan-drakitsy gny volafoty, gny sanda soa mare zay nonombagnan-drozy gnanao!" Ka la halako gny sekely telopolo sady napetrako tao amin'ny fipetrahan-drakotsy tao an-tragnon'i Yaveh. 14 Bakeo nopotehiko gny tehiko faharoe, " Fikamabana," mba hamoteha gny firalahian'i Joda voho Israely. 15 Hoy Yaveh tamiko hoe:' Alao ho gnan'ny vatanao ndraiky gny fitaovan'ny mpiaraky aondry adala, 16 fa ingo, hametraky mpiaraky aondry eo amin'ny tany Aho. Tsy hiraharaha gny aondry maty ie. Tsy hila gny aondry tsobo ie, na koa hagnasitra gny arety mandringa. Tsy hamaha gny aondry zay salama ie, fa hihina gny nofon'ny aondry matavy voho hamiravira gny kitron'ireo. 17 Loza ho gnan'ny mpiaraky aondry tsy mendriky zay mahafoy gny aondry! Hamely gny sandriny voho gny masony an-kavana anie gny sabatsy! Halazo anie gny sandiny sady ho jiky gny masony ankavana!"