Toko faha 10

1 Mangataha ora amin'i Yaveh amin'ny vanim-potoan'ny oran-dohatao__ Yaveh zay manao kotrokora__ sady magnome ora mivatravatra ho gnan'ny olon-drehetra voho gny raha maitso egny an-tsaha. 2 Fa reo sampy ao an-tokantragno la mivola vandy; gny mpisikily manao sary an-tsaina vandy; mivola nofy fitaky rozy sady magnome fampionana foana, ka mirenireny manahaky gny aondry sady mijaly noho gny tsy mpiandry rozy. 3 Gny heloko la mirehitsy amin'ireo mpiandry aondry; reo aosy lahy__mpitariky__ro ho faiziko. Yaveh Tompon'ny maro avao koa la hagnatriky reo aondry, la gny avorohotan'i Joda, sady hanao an-drozy manahaky gny soavaly fandesiny agny amin'ny aly! 4 Bakamin-drozy ro hiavian'ny vato fehizoro; bakamin-drozy ro hiavian'ny fihaton-draha gny lay; bakamin'ireo ro hiavian'ny tsipika fialia; bakamin-drozy ro hiavian'ny mpitariky iaby hiaraky. 5 Hanahaky gny mpialy zay magnitsakitsaky gny fahavalony eo amin'ny fotaky gny lala amin'ny aly rozy; hialy rozy, fotony Yaveh ro momba an-drozy, sady hahamegatsy reo zay manday soavalin'aly rozy. 6 Hampahery gny avorohon'i Joda Aho sady hamonjy gny avorohotan'i Josefa; fa hampimpoly an-drozy amin'ny laoniny Aho ka hamindra fo amin-drozy. Hanahaky gny hoe tsy nolaviko rozy, fotony Zaho ro Yaveh Ndranagnaharin-drozy, sady hamaly an-drozy Aho. 7 La hanahaky gny mpialy i efraima, sady hazoto manahaky azon'ny divay gny fon-drozy; hahita gnan'io reo anany ka hazoto. Hazoto Amiko gny fon-drozy! 8 Hisioka ho gnan-drozy Aho sady hamory an-drozy, fotony hamonjy an-drozy Aho, sady avy bevata manahaky gny taloha rozy! 9 Namafy an-drozy tegny amin'ireo olo Aho, nefa hahatiaro Ahy agny amin'ireo firenena lavitsy rozy, ka ho velo sady himpoly rozy voho gny anany. 10 Fa hampipoly an-drozy bakagny amin'ny tany tany Egypta Aho sady hamory an-drozy bakagny Asyria. Handay an-drozy agny amin'ny tanin'ny Gileada voho Libanona Aho mandra-paha tsy hisy efitragno ho an-drozy sasy. 11 Hamakivaky gny ranomasim-pahorian-drozy Aho; hamely reo onjan'io ranomasina io Aho sady hagnamaiky gny lalin'i Neily manontolo. Hahetry gny voninahits'i asyria, sady gny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ireo Egyptiana. 12 Hagnamafy ory an-drozy amiko Aho, sady handeha amin'ny agnarako rozy__io ro fagnamabaran'i Yaveh.