Toko faha enignambin'ny folo

1 Ankigniko aminareo i Foiby anabavintsika, zay mpanompogn'ny fiangona agny Kenkrea, 2 mba hahazoanareo gnazy ao amin'ny Tompo. Ataovo zay amign'ny fomba mendriky reo mpino, sady magnatreha gnazy amign'izay olo mety hilany gny fanampianareo. Fa ie raiky avao koa la lasa mpagnampy gny maro, sady gny vatako koa. 3 Manova veloma an'i Prisila voho Akoila, mpisondry miasa agnamiko ao amin'ny Kristy Jesosy, 4 zay nahafoy gny ain-drozy ho gnan'ny gnaiko. Misaotsy an-drozy aho, sady tsy zaho avao, fa reo fiangona iabign'ny Jentilisa avao koa. 5 Manova veloma gny fiangona zay ao amin'ny tragnon-drozy. Manova veloma agny amin'i Epaineto valiko, zay voaloham-bokatr'i Asia ho gnan'i Kristy. 6 Manova veloma gnan'i Maria, zay niasa vatany ho gnanareo. 7 Manova veloma gnan'i Androniko voho Jonia, longoko mariny, sady nisondry nigadra tagnamiko. Malaza eo agnivon'ireo apostoly rozy, zay tao amin'i Kristy talohako avao koa. 8 Manova veloma gnan'i Ampiato, valiko ao amin'ny Tompo. 9 Manova veloma gnan'i Orbano, mpisondry agnamitsika ao amin'i Kristy, voho Straky, teako. 10 Salamao Apela, zay ankasitraha ao amin'i Kristy. Salamao reo zay ao amin'ny tokantragnon'i Aristobolo. 11 Manova veloma gnan'i Herodiona, longoko. Manova veloma gnan'i zay ao amin'ny tokantragnon'i Narkisa, zay ao amin'ny Tompo. 12 Manova veloma gnan'i Tryfena voho Tryfosa, zay miasa vatany ao amin'ny Tompo. Salamao Perysa teako, zay niasa vatanytao amin'ny Tompo. 13 Manova veloma gnan'i Rofosy, zay voafily tao amin'ny Tompo, sady gny reniny voho gny reniko. 14 Manova veloma gnan'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, sady reo rahalahy zay misondry agnamin-drozy. 15 Manova veloma gnan'i Filologia voho Jolia, Nerea voho gny anabaviny, voho Olimpa, sady ireo mpino iaby misondry amin-drozy. 16 Mifanova veloma amin'ny fifagnoroha masy. Reo fiangognan'i Kristy iaby la manao veloma anareo. 17 Amin'izao mandrisiky anareo aho, rahalahy, mba hihevitsy gny momba reo zay mahavy gny fizarazara voho gny fanafitohigna. Rozy la lisatsy lavitsy gny fampianara zay niazonareo. Misitaha lavitsy an-drozy. 18 Fa tsy manompon'i Kristy Tompontsika gny olo manahaky regny, fa gny kibony raiky avao. Amin'ny fivolagna moramora voho mandoka ro amitahan-drozy gny fon'ny tsy manan-tsiny. 19 Fa gny ohatsinareo amin'ny fankatoava la avy agny amin'ny olo iaby. Lafa izay, mifaly aho, gny aminareo, fa iriko mba ho hendry amin'izay raty. 20 Ndragnahary gny fiadagna hanotorotoro an'i Satana eo ambanin'ny tombokinareo afaky fotoa fohy. Ho aminareo lahy gny fahasoavan'i Tompontsika Jesosy Kristy. 21 Timoty, mpiara-miasa agnamiko, la manao veloma anareo, voho Losio, Jasona sady Sosipatro, longoko. 22 Zaho, Tertio, zay nanoratsy toy epistily toy, la manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23 Gaio, zay mpampiantragno gnahy voho gny fiangona iaby, la manao veloma anareo. Erasto, mpitam-bola ao amin'ny tanĂ , la manao veloma anareo, misondry agnamin'i Koarto zay rahalahy. 24 [Fagnamariha: gny fandika taloha soa vatany la magnafaky toy andiny toy.(henteo gny Romana 16: 20). and 24:"Ho qgnq,inqreo iaby lahy gny fahasoavan'ny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena."] 25 Sady gny voninahitsy la ho Gnazy zay mahavita mampijoro anareo araky gny filazantsarako voho gnyfitoriako gnan'i Jesosy Kristy, araky gny fagnambara gny misitery zay nitanjahy ho tsiambaratelo fa ela tagny aloha tagny, 26 Nefa nambara amin'izao, sady tamin'ny alalan'ny bokin'ny faminania ro nampahafantary tamin'ny firenena iaby, araky gny didin-Dragnahary mandrakizay, ho fankatoava gny finoa. 27 Ho gnan'Andragnahary tokan'ny fahendrea, lahy gny voninahitsy mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. Amena.