Toko faha 15

1 sady tsika ze mantanjaky la tokony handrfitsy gny fahalemean'ny gny malemy,voho tsy tokony hanao ze mahafinaritsy gny vantantsika. 2 Enga anie gny kiraikiraiky amintsika hanao ze mahafaly gny namany fa zay ro soa,mba hagnandrata gnazy. 3 Fa ndra i Kristy aza tsy nanao ze nahafinaritsy gny vatany.Fa koa,zay la araky gny voasoratsy hoe:" Gny fagnaratia ze nagnaraty anao ;a nivorotraky agnamiko." 4 Fa ndra ino ndra ino voasoratsy taloha teo la voasoratsy ho fampianara gnantsika,mba ho amin'ny fahareta voho ho amin'ny fampaherezan'ny soratsy Masy ro hanagnantsika antoky. 5 Sady Ndranagnaharin'ny fahareta voho fampahereza anie hagnome say mitovy ho gnan'olo iaby araky gnan'i Kristy Jesosy. 6 Ie anie hanao gnan'izay mba ho amin'ny say raiky voho vava raiky avao ro handrengea gnan-Ndranagnahary voho gny Baban'i Tompontsika Jesosy Kristy. 7 Noho zay mifandrambesa,manahaky gny nandrambesan'i Kristy gnanareo avao koa,ho fandrengea gnan-Ndranagnahary 8 Fa volagniko fa i kristy la fa lasa mpanompon'ny voasavatsy ho gnan'ny fahamarinan-Ndranagnahary,mba hahazoa manamarina reo fampagnatena ze nameany reo, 9 voho gnanireo jentilisa mba hagnomeza voninahitsy gnan-Ndranagnahary nohon'ny halemeam-pagnahiny.Zay la araky gny fa voasoratsy hoe:" Noho zay la hagnome fandrengea Gnanao agnamin'ny jentilisa Zaho voho hihira fandrengea gny agnaranao." 10 Mbo voavola avao koa hoe:" Misinisinia,misondry amin'ny gnolony maro ry jentilisa." 11 Voho koa hoe:" Rengeo gny Tompo,ry jentilisa,engao gn'olo iaby handrengy Gnazy." 12 Hoy ndraiky ,Isaia hoe:" Hisy vahatsiny Jese, voho azy raiky hitsanga hanaoaky amin'ny jentilisa.Hana fatokia agnaminy gny jentilisa." 13 Voho gny Ndranagnaharin'ny fahatokia lahy hagnome gnanareo fifalea voho fiadana iaby amin'ny finoa, mba ho feno fahatokia nareo,bakamin'ny herin'ny Fanahy masy. 14 Gny vatako zao avao koa la resy lahatsy gny momba gnanareo,ry rahalahy.Resy lahatsy zaho fa nareo avao koa la feno hasoa,feno gny fahalala iaby.Resy lahatsy zaho fa nareo avao koa la afaky mifagnanatsy. 15 Fa manoratsy am-pahasia agnaminareo zaho mikasiky reo raha sasany mba hampahatirova gnanareo draiky,nohon'ny fanomezam-pahasoava ze nomen-Ndranagnahary gnahy. 16 Zay fagnomezam-pahasoava zay la tokony mba hanompoako gnan'i Kristy Jesosy nalefa tany Jentilisa,mba hanolotsy manahaky gny soro gny hafatsy soan-Ndranagnahary.Tokony hataoko zay mba ho azo enke gny fagnatitsin'ny jentilisa,voatokan'ny Fanahy Masy. 17 Noho zay gny hafaleako la ao amin'i Kristy Jesosy voho reo rahan-Ndragnahary. 18 Fa tsy hahasaky hiresaky ndra ino ndra ino afa-tsy reo raha vitan'i Kristy tamin'ny alalako ho gnan'ny fankatoavan'ireo jentilisa zaho.Reo raha reo la vita tamin'ny safa voho gny asa, 19 tamin'ny herin'ireo famantara voho fahagaga,voho tamin'ny herin'ny Fanahy Masy.Zay la mba avy agny Jerosalema,voho lavidavitsy manahaky gnan'Ilyrikioma,ro hahafako magnatena gny fhafatsy soan'i Kristy. 20 Amin'izay, gny fagniriako la gny hitory gny filazantsara, fa tsy agny amizay hahaiza an'i Kristy amign'ny aganara, mba tsy hanognako eo amign'izay fa nanoregnan'ny hafa. 21 Izay la manahaky gny voasoratsy hoe:" Tamin'ireo zay tsy nivolagna Gnazy ro hahajery Gnazy, sady reo zay tsy nahajanjy ro hahazo." 22 Lafa izay avao koa la voasaka matetiky tsy ho agny aminareo aho. 23 Fa amin'izao, tsy mana toera amin'ireo faritsy reo sasy Aho, sady tao maro ro fa nagniriako vatany ho agny aminareo. 24 Lafa izay ndra ombia ndra ombia handehanako agny Espana, la manategna aho gny hahajery anareo lafa mandalo, sady handesinareo agny amign'ny handenako, lafa baka mankafy gny fiarahanareo tselatsela Aho. 25 Fa amin'izao ho agny Jerosalema Aho hanompo reo mpino. 26 Fa hasambaran'i Makedonia voho Akaia gny hanao fandraisagn'anjara ho an'ireo tsy mana agnisan'ireo mpino zay agny Jerosalema. 27 Eka, hasambara ho gnazy reo izay, sady, mpitrosa aminy vatany rozy. Fa laha gny Jentilisa ro nizara tamign'ny raha masin-drozy, la mila manompo gnazy reo avao koa rozy amin'ireo raha ara-materialy. 28 Lafa izay, lafa nivitako zao asa zao sady nagnamafy fa azon-drozy gny vokatsy zay nahoro, la ho agny Espaina aho sady hamangy anareo amign'ny lalako. 29 Haiko fa lafa mandeha agny aminareo aho la hilitsy amign'ny fahafenoan'ny fitahian'i Kristy. 30 Amin'izao mandrisiky anareo aho, rahalahy isany, amin'ny Jesosy Kristy Tompontsika, voho amign'ny fitiavan'ny Fagnahy, mba hisondry hialy agnamiko nareo amign'ny vavaky ataonareo amin-Dragnahary ho ahy. 31 Mivavaha mba ho avotsy amin'ireo zay tsy mankato agny Jodia aho, sady mba ho ekegnin'ireo mpino gny fanompoako ho an'i Jerosalema. 32 Mivavaha mba hiaviako aminareo an-kafalia amign'ny sitrapon-Dragnahary, sady mba hahazoako, mahajery fijanogna, misondry aminareo. 33 Ndragnahary gny fiadagna lahy homba gnanareo iaby. Amena.