Toko 13

1 Ao gny fanahy iaby hagnaja gny manam-pahefa ambony,fa tsy misy fahefa laha tsy baka amin-Ndranagnahary.Ka reo manam-pahefa reo misy la voantendr-Ndranagnahary. 2 Noho zay ze manohitsy gnan'izay fahefa zay la manohitsy gny lilin-Ndranagnahary;ka reo ze manohitsy gnan'izay la hahazo fitsara amin'ny gny vatan-drozy. 3 Fotony reo mpanapaky reo la tsy fampitahora ho gnan'ireo asa soa,fa ho gnan'ireo asa raty.Magniry gny tsy hatahotsy gny raiky amin'ny fahefa reo va nareo?Magnanova gny soa,la ho dera amin'izay iha. 4 Fa ie la mpanompon-Ndranagnahary ho gnanareo amin'ny gny soa.Fa laha manao gny raty nareo,la matahotsy,fotony tsy manday gny meso tsy ami-gnantony ie.Fa ie la mpanompon-Ndranagnahary,mpamaly gny hadisoan'ny gny mpanao raty. 5 Noho zay la tokony hankato nareo,tsy nohon'ny gny fihelofa avoa,fa noho'ny fieretsereta avao koa. 6 Noho zay la mandoa haba avao koa nareo.Fa mpanompon-Ndranagnahary reo manam-pahefa reo,ze mikarakara zay raha zay tsy miegny. 7 Aloavo aminy kiraikiraiky ze tokony ho gnan-drozy :mandoava haba amin'ny ze tokony handoava azy;mandoava fadin-tsera amin'ny ze tokony handoava azy;matahora gnan'ny ze tokony hatahora;magnanja ze maeva gnan'izay. 8 Ka mana tsosa ndra amin'ia ndra amin'ia,afa-tsy amin'ny fifankatiava avao.Fa ze tea gny magnodidy azy la nahatanteraky gny lalagna; 9 Maro gny lily;"ka mangalatsy valin'olo,ka mamono olo,ka mangalatsy,ka magniry,voho laha tsy misy lili hafa ankoatry reo koa,la voafehy amn'itoy safa raiky toy zay:"Tiavo gny namanao manahaky vatanao." 10 Gny fitiava la tsy mandratsy gny magnodidy;noho zay ,gny fitiava ro fahatanterahan'ny gny lalagna. 11 Noho zay,hainareo gny fotoa,fa fotoa hifohazanareo amin'ny roro sahady zao.Fa henenizao fa mariny mandilatsy gny ninoantsika azy tamin'ny volohany gny fagnavota gnantsika. 12 Mandoso gny mantognaly,voho mihamariny gn'andro.Noho zay ndao haria gny asan'ny mahiky,voho andao tsika hisiky gny fialian'ny mazava. 13 Andao handeha amin'ny lala mahity,manahaky amin'ny gn'andro,fa tsy manahaky amin'ny fisinisinia tsy am-pahamendreha na koa gny hamamoa; voho andao tsy handeha amin'ny fahavetaveta na amin'ny fila tsy voatanjaky,voho amin'ny tsy fifanohera ndra fialogna. 14 Fa misikina gnan'i Jesosy Tompo,voho ka manome hiriky ho gnan'ny gny nofo,mba hanomeza fahafaham-po gny filany.