Toko faha roambin'ny folo

1 Mangataky gnanareo aho noho izany rahalahy, noho reo famindram-pon'Andranagnahary, mba hanolotsy gny vatanareo ho soro velo, masy, ekegnin'Andranagnahary. Zay ro fanompoanareo araky gny tokony ho ie. 2 Ka mitovy amin'izao tontolo izao, fa miovà amin'ny fagnavaoza gny sainareo. Atavo zao mba ho ho hainareo izay soa, azo ekegny, sady gny sitrapo lafatr'Andranagnahary. 3 Fa ambarako, nohogn'ny fahasoava zay nomea gnahy, gny tsy tokony hanagn'ny iaby zay eo aminareo vetsivetsy hagnambony gny vatany lisatsy zay tokony ho vetsivetsiny. Fa koa, tokony hametsivetsy am-pahendrena an-drozy, manahaky gny nagnomezan-Dranagnahary fatram-pinoa voho gny olo iaby. 4 Fa mana rantsa maro amin'ny vatantsika tsika, nefa tsy mitovy iaby gny asan'ireo rantsa reo. 5 Mitovy amin'izany, tsikazay maro vatany la vata raiky avao ao amin'ny Kristy, sady rantsa manoka amin'ny gnolo iaby. 6 Mana fagnomezam-pasoava samy hafa tsika araky gny fahasoava zay namea gnantsika. Laha faminania ro fagnomezam-pahasoavan'ny raiky, la ao atao araky gny haben'ny finoa. 7 Laha fanompoa ro fagnomezam-pahasoavagn'ny raiky, la ao ie hanompo. Laha nisy raiky nahazo fagnomezam-pahasoava hampagnanatsy, ao ie hampagnanatsy. 8 Laha fampahereza ro fagnomezam-pasoavagn'ny raiky, ao ie hampahery. Laha mahanome ro fagnomezam-pasoavagn'ny raiky ao ie hanao izany amim-pahalala-tanana. Laha hitariky ro fagnomezam-pahasoavagn'ny raiky, ao izany ho vita am-pitandrema. Laha hampiseho fangaroraham-po ro fagnomezam-pahasoavagn'ny raiky, ao izany ho vita am-piravoravoa 9 Ao gny fitiava fitiava tsy hisy fihatsarambelatsihy. Ihalaviro gny raty; tanjaho mare zay soa. 10 Laha gny mahakasiky gny fitiavan'ny mpirahalahy, mifankatiava aminareo iaby. Laha gny mahakasiky gny fagnomezam-boninahitsy, mifagnajà 11 Laha gny mahakasiky gny fikiria, ka misalasala. Laha gny mahakasiky gny Fagnahy, ao hafana fo. Mahakasiky gny Tompo, tompo Ie. 12 Mifalia ao amin'ny fahatokia zay hanagnanao mahakasiky gny ho avy. Mahareta amin'ireo olanao. Mivavaha zisiky farany. 13 Mifampizara fomba maro hampiantragnoanao olo. 14 Misaora reo zay magnenjiky anao; misaora sady ka magnozo. 15 Misondria-mifaly amin'ireo zay mifaly; misondria-mitagny amin'ireo zay mitagny. 16 Mitoviza fisaigna amign'olo iaby. Ka mihevitsy amign'ny fomba mirehareha, fa ekegno reo olo ambany. Ka mihevitsy gny vatanao ho hendry. 17 Ka mamaly raty gny raty. Manova raha soa maro eo imason'ny olo iaby. 18 Laha mety, araky zay azonao atao, milongoa amin'ny olo iaby. 19 Ka mamaly raty gny vatanareo, ry malala, fa omeo lala gny fahatezera Ndranagnahary. Fa fa voasoratsy hoe:'" Gnahy gny valifaty; Zaho ro hamaly; hoy Tompo." 20 Fa laha mosary gny fahavalonao, omeo hany ie. Laha marandrano ie, omeo raha hinominy ie. Fa laha manao izay iha, la hanangona vaim-bolo eo amin'ny lohany." 21 Ka mety ho resin'ny raty, fa reseo amin'ny soa gny raty.