Toko faha 22

1 Sady nasehon'ny gny anjely gnahy gny onin'ny ranon'ny fiaigna, malio manahaky gny kristaly . Io la mikoriana bakagny amin'ny seza fiandrianan-Dranagnahary voho gny Anak'aondry 2 mamakivaky eo agnivon'ny lalan'ny tana. Sady gny andanin'ny roe amin'ny ony la samby misy gny hazon'ny fiaigna, mamoa karaza voa foloroamby, voho io mamoa gny voany isam-bola. Gny ravin'io hazo io la natao hagnasitsana gny firenena manontolo. 3 ka tsy hisy sasy gny voahozo . Gny seza fiandrianan-Dranagnahary voho gny Anak'aondry la ho ao amin'ny tana, sady reo mpanompony la hanompo Gnazy. 4 Hahita gny Endriny rozy, voho gny Agnarany la ho eo amin'ny handrin-drozy . 5 Ka tsy hisy haly sasy; rozy la tsy mila fahazavan'ny jiro na gny masoandro sasy fotony Tompo Ndranagnahary ro hazava eo amin-drozy . Sady hanjaka mandrakizay doria rozy. 6 Hoy gny anjely tamiko:" Reo safa reo la azo atosiky voho marina. Gny tompo, gny Ndranagnaharin'ireo fagnahin'ireo mpaminany, la nandefa gny anjeliny mba hampiseho zay raha tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'ireo mpanompony." 7 Ingo! Fa marinky gny fihaviako! Sambatsy zay mankato reo safan'ny faminaniana amy toy boky toy." 8 Zaho, Jaona , gny raiky zay nahare voho nahajery reo raha reo. Lafa nahare voho nahajery gnan'io aho, la niankohoky teo amin'ny tombok'ilay anjely gny vatako mba handrengy gnazy, gny anjely zay nampiseho gnahy reo raha reo. 9 Hoy ie tamiko:" Ka manao gnan'io! Fa mpanompo namanao miaraky aminao aho, miaraky amin'ireo mpaminany rahalahinao, voho miaraky amin'ireo zay mankato reo safan'ny toy boky toy. Mandrengea gnan-Dranagnahary!" 10 Hoy ie tamiko:" Ka asia tombo-kase reo safan'ny faminania amy toy boky toy, fa antomotsy gny fotoa. 11 Zay manao gny tsy marina, engao ie hanohy gny tsy fahamarina. zay maloto fiaigna, engao ie hanohy gny fiaignany maloto. Zay marina, engao ie hanohy gny fanaova gny marina . Zay masina , engao ie hanohy gny fahamasinana." 12 " Ingo! Fa mariniky gny fihaviako. Gny valisoako la miaraky amiko, mba hamaliako gny kirakiraiky araky gny raha vitany. 13 Zaho ro Alfa voho Omega, gny voalohany voho gny farany, gny fiandoha voho fiafara. 14 Sambatsy reo zay manasa gny akanjon-drozy mba hahazo alal mihina bakamin'ny hazon'ny fiaigna voho hilitsy ao amin'ny tana bakeo amin'ny vavahady.( Fanamarihana: Laha tokony :" Sambatsy reo zay manasa gny ankanjon-drozy." Reo antontan-taratasy hafa taloha la mivaky hoe:" Sambatsy reo zay manao gny didiny.") 15 Fa agny ivelany reo alika, reo manao aoly, reo mpijangajanga, reo mpamono olo, reo mpanompo sampy, voho zay iaby tia mavandy voho reo mpavandy. 16 Zaho , Jesosy , la nandefa gny ajeliko mba hagnambara aminareo reo raha ho gnan'ireo fiangona. Zaho ro fakany voho avorohotan'i Davida, gny kinta mamirapiratsy maray." 17 Gny Fagnahy voho gny Ampakary manao hoe:" Avia!" Ao zay mahare hiresaky hoe:" Avia!" Ndra ia ia mangetaheta, aoka ie hamonjy, voho ndra ia ia magniry gnan'io, aoka ie hahazo maimaim-poana gny ranon'ny fiaigna. 18 Zaho la magnambara amin'izay iaby mahare gny safan'ny faminaniana amy toy boky toy:" Laha misy magnampy gnan'ireo, Ndranagnahary hagnampy loza ho gnazy zay voasoratsy ao amy toy boky toy. 19 Laha misy manaisotsa gny safa faminaniana amy toy boky toy, Ndranagnahary la hanaisotsa gny anjarany amin'ny hazon'ny fiaigna voho tana masina zay voasoarts ao agnatin'ny toy boky toy." ( Fanamarihana: Gny antontan-taratsy taloha la mivaky hoe:" Ndranagnahary hangalaky gny anjarany ao amin'ny Bokin'ny Fiaigna voho ao amin'ny tana masina zay voasoratsy ao amy toy boky toy.") 20 Hoy gny raiky zay magnambara reo raha reo:" Eka! Fa mariniky gny fihaviako." Amena! Miavia, Tompo Jesosy! 21 Ho amin'ny olo rehetra anie gny fahasoan'ny Tompo Jesosy. Amena.