Toko faha 21

1 Bakeo aho nahita lanitsa vaovao voho tany vaovao, fa foana gny lanitsa voalohany voho gny tany voalohany, sady tsy nisy sasy gny ranomasina. 2 Hitako gny tana masina, Jerosalema voavoa, zay nizotso bakagny an-dagnitsy bakamin-Dranagnahary, voaoma manahaky gny ampakary ampihaingoa ho gnan'ny valiny. 3 Nahare feo mahery bakagny amin'ny seza fiandriana aho manao hoe:" Ingo! Eo amin'ny olo gny toeran'ny tabernakelin-Dranagnahary, sady hiay miaraky amin-drozy ie. Ho olony rozy, sady Ndranagnahary vatany hiaraky amin-drozy sady Ie ho Ndranagnaharin-drozy. 4 hamafa gny ranomasina iaby amin'ny mason-drozy Ie, sady tsy hisy fahafatesa sasy, na alahelo , na tomagny, na fanaitaigna. Fa lasa reo raha taloha. 5 Gny raiky zay nipetraky teo amin'ny seza fiandriana niresaky hoe:" Ingo! nataoko vaovao gny raha iaby." Hoy Ie:" Soraty zao fotony reto safa reto la mahatoky voho marina." 6 Hoy Ie tamiko hoe:" Fa vita reo raha reo ! Zaho ro Alfa voho Omega , gny fiandoha voho fiarfara. Zay mangetaheta la hameako ho hinomy maimaim-poana bakamin'ny loharanon'ny fiaigna. 7 Zay mandresy la handova reo raha reo , sady Zaho ro Ndranagnahariny, sady ie ho anako. 8 Fa reo osa , tsy manam-pinoa , maharikoriko, mpamono olo, mpijangajanga, mpanao aoly , mpanompo sampy, voho mpavandy, la agny amin'ny farihy mirehitsy bolo silifara ro toeran-drozy. Io ro fahafatesa faharoe." 9 Namonjy gnahy gny raiky tamin'ireo anjely fito, gny raiky zay nana reo finga fito feno reo loza fito farany, ka hoy ie hoe:' Avia bakao. Hasehoko gnanao gny ampakary, gny valin'ny Anak'aondry." 10 Bakeo la nandesiny tamin'ny Fagnahy tagny amin'ny tendrombohitsy abo aho sady nasehony gnahy gny Jerosalema tana masy mizotso bakagny an-danitsy bakamin-Dranagnahary. 11 Nana gny voninahin-Dranagnahary i Jerosalema , sady gny famirapiratany la manahaky gny vato soa sarobidy, manahaky gny vato Kristaliny Jaspy malio. 12 nana rindry abo bevata niaraky tamin'ny vavahady foloramby io, niaraky tamin'ny anjely foloroamby teo amin'ireo vavahady . Teo amin'ireo vavahady ro voasoratsy gny agnaran'ireo foko foloroambin'Israely . 13 Nisy vavahady telo teo antignana, vavahady telo teo avaratsy, vavahady telo teo antimo, voho vavahady telo teo andrefa. 14 Nana fototsy foloroamby gny rindrin'ny gny tana , sady teo amin'ireo ro nisy reo agnarana foloroambin'ny apostolin'ny Anak'aondry. 15 Gny raiky zay nipetraky tamiko la nana fandrefesa volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesa gny tana . reo vavahadiny, voho gny rindriny. 16 Miendriky efa-joro gny tana; mitovy gny halavany voho gny sakany. Nandrefy gny tana tamin'ny gny fandrefesa volotara ie, roarivo stadio gny halavany( mitovy gny halavany, sakany voho gny hahabony). 17 Nandrefy gny rindrin'io koa ie, 144 hakiho laha refin'ny olo( zay refin'ny anjely aavao koa). 18 Vita tamin'ny Jaspy gny rindry voho tamin'ny volamena tsy misy fangarony, manahaky gny fitaratsy malio. 19 Gny fototrin'ny gny rindry la voaravaky tamin'ireo karaza vato sarobidy manontolo. Gny voalohany la Jaspy , gny faharoe safira , gny fahatelo Kalkedona, gny fahaefatsy emeralda, 20 gny fahalimy sardoniska, gny fahaeny karneoda, gny fahafito krysolita, gny fahavalo beryla, gny fahasivy topaza, gny fahafolo krysopraso, gny faha folo raikamby jacinta, gny faha foloraomby ametysta. 21 Gny vavahady foloroamby la vato soa foloroamby; gny kirakiraiky amin'ireo vavahady la vita tamin'ny vato soa raiky. Reo lalam-be teo an-tana la volamena tsy misy fangarony, manahaky gny fitaratsy mangarahara. 22 Tsy nahita tempoly tao amin'ny tana aho, fotony Tompo Ndranagnahary Tsitoha voho gny Anak'aondry ro tempoliny. 23 Gny tana la tsy nila masoandro na vola mba hamirapiratsy amin'io fotony gny voninahin-Dranagnahary la namirapiratsy tamin'io, sady gny Anak'aondry ro jiron'io. 24 Handeha amin'ny fahazavan'io tana io reo firenena. Reo mpanjakan'ny tany la handay gny fahasoavan-droazy ho ao amin'io. 9 Fanamarihana: Gny antontan-taratasy taloha sasany la mivaky hoe:" Reo firenena zay voavonjy la handeha amin'ny fahazavan'io io.") 25 tsy hihily reo vavahadin'io mandritsy gny andro, voho tsy hisy haly agny. 26 Handay gny fahasoava voho gny hajan'ireo firenena ao amin'io rozy, 27 voho tsy hisy maloto hilitsy ao amin'io mihitsy. tsy hisy na ia ia hanao raha mahamegnatsy na mamitaky hilitsy ao, fa reo zay voasoratsy agnara ao amin'ny Bokin'ny Anak'aondrin'ny fiaigna avao.