toko faha 20

1 Sady nahajery anjely nizotso bakagny an-danitsy aho. Nana gny fanalahidin'ny lavaky tsy hita noanoa ie, sady nana rojo vy bevata tegny an-tagnany. 2 Nisambotsy gnan'ny gny dragona ie, gny menarana fahiny, gny devoly , na satana, sady nifeheny arivo tao . 3 Natsipy tagny amin'ny lavaky tsy hita noanoa ie, nihiliany io sady nasia tombon-kase teo aminy. Natao io mba tsy hamitahany gny firenena maro sasy mandra-pahatapiny gny arivo tao. Afaran'io , la tsy maintsy havototsy fotoa kelikely ie. 4 Sady nahita seza fiandriana maro aho. Nipetraky teo agnabony reo zay namea fahefa mitsara. Nahita gny fagnahin'ireo zay nitapahin-doha aho noho gny fijoroa vavolombelo mahakasiky gnan'i Jesosy sady nohon'ny tenin-Dranagnahary. tsy niankohoky tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny rozy, sady rozy la nanda gny handramby gny marky gny bibi-dia teo amin'ny handriny na teo amin'ny tagnany. Tonga velo ndraiky rozy, voho nanjaka niaraky tamin'ny kristy nandritsan'ny arivo tao. 5 Gny ambin'ireo maty la tsy velo mandra-pahatapitsy gny arivo tao. Io ro fitsangana voalohany . 6 Sambatsy voho masina zay olo mana anjara amin'ny fitsangana voalohany! Eo agnatrehan'io la tsy manan-kery gny fahafatesa faharoe . Rozy la ho mpisoro gnan-Dranaganhary voho Kristy sady hanjaka miaraky Aminy mandritsan'ny arivo tao. 7 Lafa tapitsy gny arivo tao, la hovaha ao amin'ny tragnomaiziny Satana . 8 Hiboaky ie mba hamitaky gny firenena maro egny amin'ny vazan-tany efatsy_- Goga voho Magoga_mba handay gnan-drozy miaraky ho agny amin'ny aly . Rozy la ho maro manahaky gny fasiky gny ranomasina. 9 Niakatsy teo ambonin'ny tany lemaky rozy sady nagnodidy gny tobin'ireo mpino, lay tana malala. Nefa nisy bolo nizotso bakagny an-danitsa sady nandripaky gnan-drozy. 10 Gny devoly , zay namitaky gnan-drozy, la natsipy tao amin'ny farihy bolo solifara, toera zay hanipaza gny bibi-dia voho gny mpaminany sandoky. Voho hampijaly andro amagn'aly mandrakizay sady mandrakizay rozy. 11 Sady nahajery seza fiandriana foty bevata aho voho gny nipetraky teo agnabony. Gny tany voho gny lanitsa la nandositsy gny fagnatrehany, kanefa tsy nisy toera andehanan-drozy. 12 Nahita gny maty aho_ Gny lehibe voho gny kely_nijoro teo agnatreha'ny seza fiandriana , sady nivelary reo boky. Sady nisy boky raiky nivelary__ Gny Bokin'ny Fiaigna. Gny maty la nitsara araky zay voasoratsy tao amin'ireo boky , araky reo asany. 13 Gny ranomasina namoaky gny maty zay tao agnatiny. Gny fahafatesa voho reo fiaignan-tsihita la namoaky gny maty zay tao amin-drozy , sady gny maty la nitsara araky gny raha nataony. 14 Gny fahafatesa voho gny fiaignan-tsy hita la natsipy tao amin'ny farihy bolo. Io ro fahafatesa faharoe__ la gny farihy bolo. 15 Laha nisy agnara tsy hita voasoratsy ao amin'ny Bokin'ny Fiaigna, la natoraky tao amin'ny farihy bolo.