Toko 1

1 Toy gny fagnambara gnan'i Jesosy Kristy zay namean-Dranagnahary gnazy hampiseho gnan'ireo mpanompony gny raha tsy maintsy hiseho. Nampahaiziny gnan'io tamin'ny alalan'ny fandefasany gny anjeliny ho gnan'i Jaona mpanompony. 2 Jaona la nagnamarina gny mikasikin'ny safan-Dranagnahary voho reo fijoroa vavolombelo mahakasiky gnan'i Jesosy Kristy voho reo raha iaby jeriny. 3 Sambatsy ie zay mamaky amin'ny feo abo, voho zay mijanjy gny safan'io faminania io, voho zay mitandrina zay voasoratsy ao aminy, fotony fa mariniky gny fotoa. 4 Jaona nagnagny amin'ireo fiangona fito tagny Asia: Ho aminareo anie gny fahasoava voho fiadagna bakagny amin'ny henanio, voho taloha, voho ho avy, voho bakamin'ireo fagnahy fito zay eo agnatrehan'ny seza fiandrianany, 5 sady bakamin'i Jesosy Kristy, zay vavolombelo marina, lahimatoa amin'ny maty, voho lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho gnan'izay tia gnantsika voho nagnafaky gnantsika tamin'ireo fahotantsika tamin'ny rany_- 6 Ie la nanao gnantsika ho fanjaka , mpisoro ho gnan-Dranagnahariny voho Rainy_ho Gnazy anie gny voninahitsy voho gny fahefa mandrakizay doria. Amena. 7 Ingo, bakamin'ny rahona Ie, sady gny fijery iaby hahita Gnazy, ndra la reo nandefogno Gnazy aza. Gny firenena iaby ambonin'ny tany hitagny Gnazy. Eka Amena. 8 " Zaho ro Alfa voho Omega," hoy gny Tompo Ndranagnahary, " zay henanio, voho taloha, voho ho avy, la zay Tsitoha."( Fanamarihanaa; gny dikan-teny hafa taloha la mivaky manahaky gnan'izao:" Zaho ro Alfa voho omega, gny fiandohana voho fiafarana," hy Tompo Ndranagnahary. 9 Zaho , Jaona__rahalahinareo voho zay raiky zay nizara taminareo tao agnatin'ny fijalia voho fanjaka voho gny fahareta ao amin'i Jesosy Kristy_- la tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho gny safan-Dranagnahary voho gny fijoroavavolomelo gny mahakasiky gnan'i Jesosy. 10 Zaho la nitarihin'ny Fagnahy tamin'ny andron'ny Tompo. nahare feo mahery manahaky gny trompetra teo ivohoko aho. 11 Nanao gnan'io hoe:" Soraty ao amin'ny boky zay hitanao , ka alefaso agny amin'ireo fiangona fito __ ho gnan'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, voho Laodikia." 12 Nizaha gny magnodidy aho nila hoe feon'ia io niresaky tamiko io, sady laha mitoliky aho la nahita fanaovan-jiro volamena fito. 13 Sady teo agnivon'ny fanaovan-jiro nisy raiky manahaky gny Anak'Olo, nisiky akanjo lava jisiky agny amin'ny tombony, voho fehin-kibo volamena magnodidy gny tratrany. 14 Gny lohany voho gny volony la foty manahaky gny volon'aondry_- foty manahky gny rano mandry , voho gny fijeriny manahaky gny bolo mirehitry. 15 Gny tombony mamirapiratsy manahaky gny varahina, manahaky gny varahina voalio teo amin'ny lafaoro, voho gny feony manahaky gny feona maro be mikoria. 16 Sady nana kintana fito tegny an-tagnany ankavana Ie, voho meso roa lela maragnitsy niboaky bakeo amin'ny tsihoviny. Gny tarehiny la nazava manahaky gny masoandro lafa miredareda. 17 Lafa nahajery Gnazy aho, la nitonta teo amin'ny tombony manahaky gny olo maty. nanendry gnahy tamin'ny tagnany ankavana Ie ka nanao hoe:" Ka matahotsy. Zaho ro voalohany voho farany, 18 sady zay raiky zay velo. Fa maty Aho, fa ingo velo mandrakizay ! sady Zaho mana gny fanalahidin'ny fahafatesa voho gny Fiainan-tsy hita. 19 Nohon'io sorato zay jerinao, zay henanizao , voho zay nitranga afaran'izao. 20 Manahaky gny raha mietaky mahakasiky reo kintana fito zay jerinao tegny an-tagnan-kavanako, voho reo fanaovan-jiro volamena fito:" Gny kintana fito la reo anjelin'ny fiangona fito, voho gny fanaovan-jiro la reo fiangona fito."