Toko faha 18

1 Teako Iha, ry Yaveh, heriko. 2 Yaveh ro harambatoko, fiarova mafiko, zay manday fiarova ho gnahy; Ie ro Ndranagnahariko; harambatoko, mialoky ao Aminy zaho. Ie ro ampingako, tandrokin'ny famonjeko, vo fiarova mafy ho gnahy. 3 Hiantso gnan'i Yaveh zay mendriky ho hengea zaho, sady ho voavonjy amin'ireo fahavaloko zaho. 4 Namatotsy gnahy reo talin'ny fahafatesa, sady reo onjan'ny faharatia ro nagnendriky gnahy. 5 Namatotsy gnahy reo talin'i fiaignantsy hita; namandriky gnahy gny fandriky gny fahafatesa. 6 Nikaiky gnan'i Yaveh zaho tao agntin'ny fahoriako, nikaiky vonjy tamin'ny Ndranagnahariko zaho. Janjigny gny feoko bakamin'ny tempoliny; gny vonjiko la avy teo agnatrehany; avy tao an-tsofiny zay. 7 Sady nihotsy vo nihorohoro gny tany; nohorohoro vo nihovitrovitsy avao koa gny fototr'ireo tendrombohitsy fotony neloky Ndranagnahary. 8 Niakatsy gny setroky bakamin'ny lavakoriny, sady afo miredareda ro niboaky gny vavany. Nirehitsy tamin'izay gny vain'afo. 9 Nosokafiny gny lagnitsy sady nizotso ie, sady teo ambanin'ny tombony gny haizina matevy. 10 Niondra kerobima Ie sady nitily; nisosa tegny amin'ny elatsy gny rivotsy Ie. 11 Nataony tragno lay nagnodidy gnazy gny haizy, reo raho-mainty tegny an-dagnitsy. 12 Nilatsaky bakamin'ny helatsy teo alohany gny havandra vo vain'afo. 13 Nikotroky tegny an-dagnitsy Yaveh! Nihiaky gny feon'ny Abo Indrindra. 14 Nandefa gny ana-tsipiky ie sady nampiparitaky reo fahavalony; helatsy maro ro nagnaparitaky gnazy reo. 15 Bakeo la nipoitsy reo fantson-drano; reo fagnamban'izao tontolo zao la niboaky tamin'ny hikam-pialianao, ry Yaveh-tamin'ny fipoaky gny fofon'ain'ny lavakoronao. 16 Nagnampatsy gny tagnany baka agnabo Ie; nanday gnahy Ie! Nisinto gnahy bakamin'ny rano manonja Ie. 17 Nagnavotsy gnahy tamin'ny fahavaloko matanjaky Ie, tamin'reo zay nankahala gnahy, fotony mafy loatsy ho gnahy rozy. 18 Avy nagnohitsy gnahy rozy tamin'ny androm-pahoriako fa Yaveh ro nanohana gnahy! 19 Nagnafaky gnahy tegny amin'ny toera malaky Ie; namonjy gnahy Ie fotony nahafinaritsy Gnazy zaho. 20 Nagnome valisoa gnahy Yaveh nohon'ny fahamarignako; manarina gnahy Ie fotony nalio gny tagnako. 21 Fa zaho fa nitandry reo lilin'i Yaveh sady tay nivaliky raty fagnahy tamin'ny Ndranagnahariko. 22 Fa teo agnoloako reo lalagny to iaby; laha gny amin'ireo liliny, la mbo tsy nivaliky tamin'ireo zaho. 23 Zaho avao koa la tsy nanan-tsiky teo agnatrehany, sady nitandry gny tenako tamin'ny fahota zaho. 24 Noho zay la namelo gnahy ndraiky Yaveh nohon'ny fahamariko, fotony nalio teo imasony gny tagnako. 25 Zay mahatoky. La ampisehoanao fahatokisa; gny olo zay tsy misy tsiny, la ampisehoanao tsy fananan-tsiny. 26 Gny olo zay malio, la ampisehoanao fahaliova; fa Iha la mahira-tsay amin'izay raty fagnahy. 27 Fa Iha magnavotsy reo olo ory, sady manambany reo zay mirengirengy! 28 Fa Iha mandrehitsy gny jiroko; magnazava gny haiziko Yaveh Ndranagnahariko. 29 Fa amin'ny alalanao ro ahafahako milomay ambonin'ny saka; amin'ny alalan'ny Ndranagnahariko ro ahafahako mandinga rindry 30 Laha gny amin-Dranagnahary: avy lafatsy gny lalany. Gny tenin'i Yaveh la malio! Ampingan'izay iaby mialoky ao aminy Ie. 31 Fa ia ro Ndranagnahary ankoatr'i Yaveh? Fa ia ro harambato ankoatr'i Yaveh? 32 Ndranagnahary ro mametraky hery agnamiko managnahaky gny fehin-kibo, zay mametraky gny olo tsy misy tsiny eo amin'ny lalany. 33 Ataovo haingam-pandeha manahaky gny diera gny tombony sady mametraky gnahy egny amin'ireo toerany abo! 34 Magnazatsy gny tagnako ho amin'ny aly ie gny sandriko hamoritsy gny tsipiky saba. 35 Fa nomeako gnahy gny ampingan'ny famonjenao. Fa nanohagna gnahy gny tagnanao ankavagna, sady gny fankasitraha la malalaky eo ambaniko ho an'ny tomboky Iha mba tsy hampibolisatsy gny tomboko. 37 Nagnenjiky reo fahavaloko zaho sady nahatratsy gnazy reo; tsy nimpoly zaho nandrapaharava gnazy reo. 38 Nopotehiko rozy mba tsy ahafahany mihary; fa lavo tao ambanin'ny tomboko rozy. 39 Fa iha nametraky hery tagnamiko manahaky gny fehin-kibo ho amin'ny aly; nataonao ambaniko reo zay nitsanga hanohitsy gnahy. 40 Nampiamboho gny vozon'ireo fahavaloko ho gnahy Iha; noringaniko reo zay nalay gnahy. 41 Nikaiky vonjy rozy, nefa tsy nisy nagnavotsy gnazy reo; nikaiky gnan'i Yaveh rozy. Nefa tsy novaliany. 42 Notorotoroako maliniky manahaky gny vovoky agnoloan'ny rivotsy rozy; nariako manahaky gny fotaky agny an-dala rozy. 43 Nagnavotsy gnahy tamin'ny fifamalian'ny olo Iha. Nataonao lohan'ireo firenena zaho. Manompo gnahy reo olo tsy haiko. 44 Laha vao nahare gnahy rozy, la nakatoa gnahy; voatery niondriky teo agnatrehako reo mpivahiny. 45 Avy am-pihorihoroa bakamin'ny fiarova mafin-drozy gny mpivahiny. 46 Velo Yaveh; ho hengea anie gny orimbatoko. Ho asandratsy anie gny Ndranagnahary gny famonea. 47 Ie lay Ndranagnahary zay namaly faty ho gnahy, zay nanolotsy reo firenena ho ambaniko. 48 Afaky tamin'ireo fahavaloko zaho! Eka tokoa, nampiakarinao ambonin'ireo zay nijoro hanohitsy gnahy! Nagnavotanao tamin'ireo johary mahery fihetsiky zaho. 49 Noho zay la hagnome fisaora ho gnanao amin'ireo firenena zaho, ry Yaveh; hihira fandrengea ho an'ny agnaranao zaho! 50 Ndranagnahary la nagnome fandresea bevata ho gnan'ny mpanjakany sady nampiseho gny fifanekem-pitokia tamin'ilay voahoasony, tamin'i Davida vo reo taragnany rahatsizay.